NY KRISMASY

Vaninandro lehibe ho an'ny mpino kristiana ny Krismasy na ny Noely fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Jesoa Kristy. Isika malagasy dia anisany mankalaza izany na dia mbola tsy ampy roanjato taona akory aza ny nidiran'ny fivavahana kristiana teto amintsika

Tany ampiandohana dia ilay Andriamanitra mpahary no tompon'ny fahefana rehetra tety an-tany ka hatrany an-danitra araka ny voalaza ao amin'ny testamenta taloha, fa taty aoriana kosa dia nivoatra ny fandaharan'Andriamanitra fa hisy ny zanak'Andriamanitra tonga nofo ary hateraka toy ny zaza rehetra

Kristy io voafidy io ka ny fanahy masina avy amin'Andriamanitra no nametraka ny zaza tao ankibon'i Maria virijiny niteraka azy, nanomboka teo no teraka ny fivavahana kristiana, niampy ihany koa ny baiboly lasa nisy ny testamenta vaovao izay nanoratana ny fiainan'i Kristy ary nanomboka teo koa dia nisy ny antsoina hoe: « Trinite masina » na ilay « Telo izay iray  » dia ny Andriamanitra “Ray, Zanaka, Fanahy masina”.

Krismasy no niantsoina ny andro nahaterahan'i Kristy. Niovaova ny fotoana noraisina ho krismasy, saingy ny 25 Desambra no nifanarahan'ireo mpikaroka ho fotoana raikitra, ny toerana dia tsy niadian-kevitra intsony fa efa voasoratra ao amin'ny testamenta vaovao fa tao amin'ny fihinanam-bilona tao Betlehema Ny fotoana indray dia ririnina ahitana zavona sy orampanala (la neige) ka volana desambra no misy an'izany any Betlehema.

Vao teraka i Kristy dia nanakoako ny lazany ka niteraka hatezerana ho an 'i Heroda mpanjaka Jiosy nalaza , nisy ny didy navoakany nampamono ny zaza teraka rehetra tamin'izany saingy tsy tratra tamin'izany i Kristy.

Ny Krismasy izany dia fetin'ny ankizy satria ny zanak'Andriamanitra no teraka kanefa koa aoka tsy ho hadinoina fa fotoana namoizana zaza maro io noho ny nafitsok'i Heroda.

Mankalaza ny krismasy avokoa ny ankabeazan'ny firenen-drehetra, na any amin'ireo tany miady aza dia mampangina ny fitaovam-piadiany rehefa tonga io andro lehibe nahaterahan'ny mpamonjy io.

Kihon-dalana lehibe teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona ny nahaterahan'i Kristy satria na ny mpikaroka tantara na ny mpikaroka ara-tsiansa dia mandray izany ho teboka fanoharana. Matetika isika no mandre ny hoe izao taona talohan'i Kristy na koa izao taona taorian'i Kristy. Ny fanisan'andro ampiasaintsika izay milaza fa taona 2020 izao dia midika hoe 2020 taona taorian'ny nahaterahan'i Kristy, ka ny 25 Desambra taona aotra no teraka i Kristy, herinandro katroka taorian'io ny 01 Janoary taona voalohany ary ny Krismasy 2020 dia midika hoe tsingerintaona faha 2020 nahaterahan'i Kristy, miankina amin'izany koa ny fanisana ny taompolo sy ny taonjato ary ny taonarivo. Marihina fa na ireo tsy manaraka ny finoana kristiana aza dia tsy afa-miala fa tsy maintsy mandray ny fanisan'andro izay noharina tamin'ny andro nahaterahan'i Kristy.

Isika malagasy dia mankalaza ny Krismasy, na dia ireo tsy mpino kritiana aza rehefa tonga ny 25 Desambra dia mba mahatsiaro ny tenany ho manao fety ihany koa, ireo mpitondra nifandimby teto dia nanao ho andro tsy fiasana ny Krismasy, fotoana firavoravoana tsy itsitsiana vola aman-karena noho izany fotoana mampandeha ny tsena.

Mandia fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny ankabeazan'ny malagasy dia miaina ao anatin'ny fahasahiranana, misy koa anefa ireo miandrandra valim-bavaka ka manantena fa hisy vokany ny efa nitolomany tamin’ny fiainana sy nanandratany vavaka nandritran'ny fotoana maro.

Hankalaza ny nahaterahan'ilay zanak'Andriamanitra tonga nofo natao hamonjy antsika isika, maro amintsika malagasy no efa resy lahatra amin'ny fanarahana ny finoana kristiana, koa antenaina fa ny vavaka izay asandratra dia hanome lanja ny fanavotana ny firenena hamirapiratan'ny voninahitr'ilay Telo izay Iray ka tsy hanankery tsy hanampahefana ireo mpamotika firenena izay tsy avy amin'Andriamanitra.

Ny mpiara miasa eto amin'ny Feon'Imerina dia mirary antsika rehetra samy hanao krismasy anatin'ny fahamendrehana tanteraka.

 

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-12-14.

Miverina
footer-frame