NY VOLANA DESAMBRA : FOTOANAN'NY FETY

Samy manana ny fandraisany ny volana Desambra ny tsirairay, araka izay mifanojo amin'ny fiainana ankehitriny. Ny iraisan'ny rehetra dia vanim-potoanan'ny fety ny volana Desambra.

MIVOLON'ANDRO FETY

Ho an'ny mpino kristiana dia vaninandro lehibe andrandraina ny 25 Desambra, vaninandro nifanarahan'ireo mpikaroka tany aloha fa nahaterahan'i Jesoa Kristy, zanak'Andriamanitra tonga nofo, sady herinandro mialoha ny taona vaovao.

Ny fianakaviana maro dia miandry ny faramparan'ny taona hanatontosana ireo lanonam-pianakaviana toy ny fanambadiana, fitokanan-trano sns. Manararaotra mody any amin'ny tanana niaviany ireo miasa any amin'ny faritra lavitra.

Ny zava-boahary koa amin'ny endriny sasany, maneho ny volon'andro fety. Vokatra avokoa ireo voankazo mpamoa indray mandeha isan-taona toy ny lodsia, manga, ho avy tsy ho ela ny karazam-paiso sy voaloboka sns.. Ny omby mihamatavy satria manorana ny andro ka maniry tsara ny bozaka. Ny mpivarotra mitombo isa, ny fitohanan'ny fiarakodia mahazo laka. Izany rehetra izany dia samy maneho fa mivolon'andro fety ny tanàna.

FETY ANATY FAHASAHIRANANA

Tsy mbola mitraka akory ny toe-karena eto amitsika, dia tonga ny Coronavirus ka mampitombo ny olana eto amin'ny firenena, niteraka fahaverezan'asa maro sy fidanganan'ny vidim-piainana. Tsy milamina ny tanàna satria mahazo vahana ny herisetra sy ny fisandohana amin'ny endriny samihafa. Mitobaka ireo entana avy any ivelany, izay tsy ara-dalana intsony ny fanarahamaso azy, indrindra eo amin'ny fe-potoana farany ahazoana manjifa azy sy ny kalitaony.

Rehefa mandalo fahasahiranana ny firenena manontolo dia mampalahelo ny toe-javatra miseho satria mifanararaotra amin'izay hery kely azony ampiasaina ny samy mpiray firenena.

Mbola maro ireo azo rebirebena amin'ny fety aman-danonana, ka dia ireny no atobaka sy voizina mafy amin'ny dokam-barotra, ny tanjon'izy ireo dia ny hanampina ny mason'ny ambanilanitra, tsy hitodika amin'ny fahasahiranana mihatra eto amin'ny firenena.

Eo amin'ny raharaham-pitsarana dia fotoam-pialantsasatry ny fitsarana isan-taona ny tapakin'ny volana desambra hatramin'ny tapakin'ny volana janoary. Midika izany fa izay tsy voatsara mialoha io fotoana io dia manao fety any amponja

Fotoanan'ny fanaovana tomban'ezaka eo amin'ny lafiny rehetra ny volana Desambra, todihana ny lasa, dinihana ny ankehitriny ary banjinina ny ho avy. Raha tiana ny ho tonga amin'ny fahombiazana dia atao anaty saina tony sy matotra ary tsy misy fitanilana ny tomban'ezaka. Tsy maintsy potserina ny vay, ary ambara mazava hoe avy aiza sy avy amin'iza ny vato misakana nampikatso ny firenena? Ny familiviliana ny resaka ankoatr'ireo dia famoronana fahasahiranana vaovao ho an'ny firenena indray, ka ho fety feno fandatsana hatrany no anjara miandry ny ambanilanitra

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-12-14.

Miverina
footer-frame