ADIN-TSAINA

Raha vao maraina

Dia lasa ny fisainana

Mifantoka ato an-tsaina

Ny tena adim-piainana

 Tapi-dalan-kaleha

Ity izaho efa trotraka

Ianao ihany re e !

No tena misompatra

 Izany ve moa

No mba hany vitanao

Ny zanatsika roa

Dia nilaozanao amin'izao

 Amin'izao ianao

Lasan'iny olona iny

Moa va adinonao ?

Ireto zanatsika dimy

 Adin-tsaina

Vao maraina

No ato andohako ato

Satria lasa ny vadiko

 Mpamorona : Rasolofondrasolo Zafimahaleo (Dama)

Mpihira      :    Tarika Mahaleo

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-12-07.

Miverina
footer-frame