OMEO

Tonga ny mpitaky hetra

Efa dodona izaitsizy

Nefa ny vola rehetra

Lany fa maro ny ankizy.

 

Misy efa voasazy

Fa tsy nahaloa ekolazy

Mbola betsaka ny trosa

Ary ny adidy miavosa.

 

Dia mitaky hoe omeo

Omeo, omeo hatrany

Tsisy hatak'andro

Na hoe famindrampo.

 

Fa mitaky hoe omeo

Omeo omeo hatrany

Ka ny azo atao

Dia mamorona trosa vao.

 

Kely anefa ny karama

Zara raha misy hanefana

Fa dia mila hanapak’aina

Mbola tsy azo izay ilaina.

 

Ady anefa ny eto an-tany

Ka tsy mahalala izany

N'aiza n'aiza no ombana

Saingy tsy azonao ialana.

 

Dia mitaky hoe omeo

Omeo, omeo hatrany

Tsisy hatak'andro

Na hoe famindrampo.

 

Fa mitaky hoe omeo

Omeo omeo hatrany

Ka ny azo atao

Dia mamorona trosa vao.

 

Mpamorona : RABE SAMUEL

Mpihira : BESSA sy ny Tariny

Ity hira ity dia nanana ny lanjany tamin'ny volana Mey 1972

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-12-07.

Miverina
footer-frame