TONTOLO IAINANA


 Raha tsy voakolokolo

Dia simba ny tontolo

Hatrany ambanivolo

Raha tsy misalasala

Mandripaka ny ala

Ireo hendry mody adala.

 

Raha tsy masaka ao an-tsaina

Fa tsy mamelonaina

Ny tany ho karakaina

Tsy mety zarizary

Ny fambolena vary

Ho tonga ny mosary.

 

Mirehitra ireo hazo

Manakatra ny lanitra.

Manomboka malazo

Ireo voninkazo manitra.

Afo mijoalajoala

Mandripaka ny ala

Kila vetivety

May ny tanety.

Mihamaizina izy izany

Tsy hita ilay masoandro

Mihamaizina ny tany.

Miovaova ny toe-trandro

Miharingitra ny voahary.

Tsy salama tsy marary

Mananontanona sahady

Ny ampitso mafy ady.

 

Fa ny masaka ao an-tsaina

Vola no ilaina

Ny ankoatr'izay tsy ilaina

Ao dia ao ny lalàna

Mifehy ny tanàna

Tsy azonao ialana.

 

 

Aondrany avokoa

Sokatra sy vatosoa.

Izay misy tombontsoa

Dia lazaina fa krizy.

Nefa ny azy ny ny valizy

Efa tsy omby ireo devizy

 

Izy hono tsy voatery

Ny hikolokolo

Fa tsy aferan'izy irery

Raha simba ny tontolo.

Fa vola no ilainy

Vola no isainy

Vola vola ihany

No mampihodina ny tany

 

Adidintsika jiaby

Ny mikarakara

Iza ary no hibaby

An'i Madagasikara.

Ny taranaka ao afara ve?

Dia handova tany ngazana

Mba mihevera tsara re

Sao manjavona tsy tazana e!

 

Fa aondrany avokoa

Sokatra sy vatosoa

Izay misy tombontsoa

Dia lazaina fa krizy

Nefa ny azy ny ny valizy

Efa tsy omby ireo devizy

 

 

Mpamorona : Razafindranoa Rasolosolofo (Raoul Tarika Mahaleo)

Mpihira : Raoul

 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-12-07.

Miverina
footer-frame