Andrianampoinimerina no namorona ny didim-pihavanana mba hampilamina ny fiaraha-monina. Tafiditra amin’io ny haja ifanomezana, ny zo maha olona ary ny fetran’ireo antoko-kevitra ireo dia ny antonony.
Ohatra lehibe nasehon’ny Ombalahibemaso tamin’ny haja
ifanomezana ny nanaovany fanjakana niera; tsy mba ny Malagasy velively ny
hifaneritery amin’ny safidim-pony izany. Raha tsy mahafantatra io toetry ny
Malagasy io na dia gasy toa azy aza (mety notezaina tamin’ny fomba eoropeana
angamba), dia mety “hidona amin’ny rindrina” araka ny fitenin-jatovo ihany!
Fantatry ny Ntaolo loatra fa samy manana ny tiany ny tsirairay koa tsy fombany loatra ny hanery ny hafa hiova hevitra amin’ny olona na zavatra tiany.
“Sorajandiana ny fitiavana”
“Aza mandrara hanina tian-jaza”
Mety hanipy teny kely izy raha hitany ny mahatsara
izany satria tsy fomba ny :
“Mijery arina an-tava”
Misy ihany anefa ny sahy mivatambatana mba
hampieritreritra ny olona tiana hihitsy. Raha hitany fa mety hitondra loza
ohatra ny fifaneraserana dia ohariny amin’ny bibidia ratsy:
“Izay miaraka amin’ny amboalambo dia amboalambo”
Matetika koa anatra no anambarany ny tsy mety hitany:
“Raha tsy marary, aza miray ondana amin’ny marary”
Mahakasika ny fanajana ny zo mahaolona koa dia
nanaovan’Andrianampoinimerina didy manokana tao anatin’ny “DIN’ASA” : tsy
nekeny velively ny antokon’olona mihinana ny hatsembohan’ny hafa na ireo tsy
manaja ny kely sy ny madinika (ara-bakiteny io).
Hoy indrindra Andrianampoinimerina hoe:
“Izaho no lefo-mitsangana miaro ny toho miahy”
Teraka tamin’izany koa ny ohapitenenana toy ny hoe:
“Aza manao kely tsy mba mamindro.”
“Aza manao tsindrio fa lavo.”“
Aza manenji-dresy”
Ny manjokozoko aza kapohina, ny mandady aza vonoina”
Ramasinirina: "Meteza ho olom-pirenena vanona"