Feno 125 taona
tamin'ny Alahady teo ny 22 Novambra 1895, vaninandro manana ny toerana eo
amin'ny tantaram-pirentsika. Zava-dehibe anankiroa ny voarakitr'io vaninandro io satria,
tamin'io no nanaovana ny fandroana farany tamin'ny fahampanjaka, mifanindry
amin'io andro io ihany koa ny nanombohan'ny hetsiky ny Menalamba tia
tanindrazana nanohitra ny frantsay.
NY FANDROANA
Raha tsiahivina fohy dia tamin'ny
fanjakan'ny Mpanjaka Ralambo, nihinanana ny hen'omby voalohany no nanomboka ny
fankalazana ny fandroana. Ny foto-kevitra nijoroan'ny fandroana arak'izany
fiantsoana azy izany, dia fidiovana, fialana amin'ny ratsy ary fidirana ho
amin'ny tsaratsara kokoa, ankoatr'izay dia fanamafisam-pihavanana ankapobeny,
eo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka, eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny, eo
amin'ny samy vahoaka. Mahazo laka ny fifanajana amin'izany toy ny fanolorana
solombodiakoho ho an'ny ray aman-dreny sy solom-penakoho ho an'ny zanaka.
Niovaova araka ny mpanjaka nitondra
ny fotoana nankalazana ny fandroana, nanomboka tamin'ny fanjakan'ny
Mpanjakavavy Ranavalona III dia ny 22 Novambra no nankalazaina ny fandroana.
Ity 22 Novambra 1861 no teraka
ny Mpanjakavavy Ranavalona III, feno 22 taona ny 22 Novambra 1883 izy no
napetraka teo amin'ny seza fiandrianana.
Ny 30 Septambra 1895,dia nisy ny
tifi-tafondro nataon'ny frantsay niainga teny Andrainarivo, niteraka ny
fananganana saina fotsy ary niafara tamin'ny mahatany eo ambany
fiahian'ny frantsay antsika ny 01 Oktobra 1895. Na dia nosoloina an'i
Rainitsimbazafy aza ny Praiministra Rainilaiarivony, dia mbola nijanona ho
mpanjaka ihany Ny Mpanjakavavy Ranavalona III , saingy tsy manana fahefana, fa ny Résident Général
Duchesne no tompon'ny fanapahan-kevitra rehetra. Mbola nahazo nankalaza ny
fandroana ny Mpanjakavavy ny 22 Novambra 1895.
NY HETSIKY NY
MENALAMBA
Maro ny tia tanindrazana malagasy,
tsy nahazaka ny fahitana ny mpanjakavavy baikon'ny frantsay, tsy nanary toky
izy ireo ka nanomana hetsika. Tany Amboanana any amin'ny faritra Arivonimamo
dia nisy mpirahalahy nantsoina hoe Razafivoavy sy Benahy, malaza ho mahery
setra izy roalahy ireo. Ny 22 Novambra
1895 andron'ny fandroana, no nanomboka ny hetsika notarihan'izy ireo.
Namono misionera mpitondra
fivavahana vahiny, nandoro trano fiangonana ary nanao haza lambo ireo vazaha no
fototry ny hetsika. Rainisongomby sy ilaitangena no solon'anarana nentin'izy
roalahy ireo. Menalamba no anarana nisaloran'izy ireo, satria naloto ny lamba
notafian'izy ireo, tsy nanam-potoana nanadiovana ny lambany noho ny fahamaizana
hamonjy ny tanindrazana. Misy koa ireo niantso azy ireo hoe fahavalo ho
fanaratsiana ny hetsika nataon'izy ireo.
Ny mpitondra fivavahana sy ny trano
fiangonana no nataon'ny Menalamba lasibatra, satria tsapan'izy ireo fa
anisan'ny fomba ankolaka nidiran'ny fanjanahantany ny fivavahana kristiana, tsapan'ny
Menalamba koa ny fahamarinan'ny hevitrin'ny mpanjaka Andrianampoinimerina
sy ny Mpanjakavavy Ranavalona I. Efa tamin'ny taona 1897 vao nijanona ny
hetsiky ny Menalamba.