TSIAHY: FOLO TAONA NY RAHARAHA BANI IVATO

Rehefa nanambara ireo miaramila manamboninahitra izay nitoby teny amin’ny hery vonjitaitra Ivato fa nitsangana ho amin’ny fanavotam-pirenena ny 17 novambra 2010, dia fantatra fa ny sabotsy 20 novambra, nanomboka tamin’ny 3 ora dia nilavo lefona ary dia nosamborina teny an-toerana.

NITOLON-TENA

Nisy enina tamin’izy ireo nalefa teny Tsiafahy, ary anisan’izany ny jeneraly Raoelina,sy ny kolonely Coutiti,  ary manamboninahitra efatra hafa. Tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity raharaha ity. Araka ny vaovao  ihany, fifandisoan-kevitra teo amin’ireo miaramila mpiambina teo am-baravaran’ny toby (tsy nahalala ny fisian’ny fifampirarahana) sy ny avy ety ivelany no nahatonga ny fipoahan-javatra nidoboka teny an-toerana. Nambara fa ny Jeneraly Rakotonandrasana no nitolon-tena voalohany niaraka tamin’ny manamboninahitra lefitra 17 hafa.

Nahagaga ny mpanara-baovao iny fandehan’ny raharaha anankiray iny. Raha vao niandoha tokoa manko dia nandeha ny resaka fa hafahafa ny endrika nisehoany. Fanambarana ny andron’ny fitsapan-kevibahoaka ny 17 novambra tolakandro. Tsy nisy hetsika fandraisana fahefana fa filazana tamin’ny mpanao gazety fotsiny ihany, ny tanjona tian’izy ireo ahatongavana. Nisy tamin’ireo manamboninahitra ireo no niafina teo aloha teo satria anisan’ny miaramila am-perinasa  tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana. Ireo mpanara-dia teo alohamny filohan’ny tetezamita kosa indray moa dia nilaza ho niova fo ka niantso ny fihavanam-pirenena sy ny fandrondanana ny fitondrana Tetezamita tsy misy hatakandro.

Niditra an-tsehatra nanao fanelanelanana ny filohan’ny etamazaoro malagasy, ny Jeneraly Ndriarijaona André ka ny zoma no voalaza fa tsy nety nilamina ny resaka fa hoe niziriziry tamin’ny heviny ireto manamboninahitra tetsy amin’ny BANI. Nanao fanambarana kosa ity lehiben’ny Etamazaoro ity fa tsy nivaky ny tafika tamin’izany fotoana. Izy no namarana ny hetsika teny Ivato ka niafara tamin’ny fisamborana ireo miaramila nanao ny hetsika.

N’inon’inona fanazavana sy fanambarana taorian’iny raharaha iny dia tsy azo nafenina intsony fa nisy aretina nikiky ny firenena ary ny Tafika no tena tra-pahavoazana mafy. Nandray anjara foana izy ireo tamin’izay fihetsehana pôlitika nisy teto hatramin’izay. Miandoha avy amin’ny alalan’ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka foana aloha ary arakaraky ny fifandanjan-kerin’ny mpanao pôlitika no iandaniany na tsia amin’ny vahoaka.

Ny marainan’ny Sabotsy 20 novambra, raha nikasa haneho hevitra, tetsy anoloan’ ny Tahala Rarihasina ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna, notarihan’ny filohany, Ralaiseheno Maxime dia noravan’ny mpitandro ny filaminana ary nosamborina ity lehibe mpitarika azy ity. Notronin’ny vahoaka moa ireto Ben’ny tanàna ireto ary dia nampiasa ny baomba mandatasa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana hanaparitahana ireo vahoaka. Raha nalaza tamin’ny fitandroam-pihavanana sy ny fifampiresahana ny Malagasy fahiny dia indrisy fa lasa tsy misy afa-tsy ny vavabasy no azo ifampiresahana eto Madagasikara. 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-11-15.

Miverina
footer-frame