Nanana
ireo fitsipika noheveriny ho nahasoa antsika ny Ntaolo ary rehefa dinihana
tokoa dia toy ny fomba Malagasy amin’ny ankapobeny, tsy hita loatra izay
maharatsy azy. Navoaka ho tadidiana tamin’ny alalan’ny oham-pitenenana izy ireny.
FOMBA FANOLORANA SY FANDRAISAN-JAVATRA
Tsy
fahalalam-pomba teo amin’ireo razantsika no avy dia mandrombaka raha
toloran’izay heverina ho “zoky ray aman-dreny” fanaja, zavatra, fa tsy maintsy
tatazana an-tanan-droa izay omena. Io fomba mandrombaka io dia ny ratsan-tanana
vitsivitsy ihany no miasa ka noheverina koa hoe “mitsingina” ny heviny. Raha olona mendri-kaja kosa anefa no tolorana dia afaka mandray izany
amin’ny ratsany fa tsy mananty. Fifampitondrana tsotra teo amin’ny
fiaraha-monina io mba hampianarana ny zandry sy ny ambany fahefana hanaja ny
rafitra an-tana-tohatra nisy.
Ity
ohabolana manaraka ity ohatra dia manankiana ireo olona tsy manaja ka
“mitsingina”.
Mitsingi-tsy avo mitaingi-maimbo
Araka
izany, miandry ny laharam-boninahitra amin’ny fahazokiana vao tokony hitsingina
ny olona. Ny hoe mitaingi-maimbo kosa dia ilazana ny ankizy na ny olona tsy
mahalala ny toerana sahaza azy.
Tandremana fatratra araka izany ny toerana ipetrahana rehefa misy olon-dehibe.
Ny ankizy dia amin’ny tany fahiny fa ny lehibe no mahazo ankalana avoavo. Tsy
fanao ny mandrombaka izany toeran’ny olon-dehibe izany.
Raha
mandroso sakafo koa dia mbola tazonina io fomba fanajana io ka ny tanana roa no
handraisana sy hanolorana ny vilia. Torak’izany koa rehefa miarahaba. Satria
moa tanana no atolotra dia ny kely, tokony hanaja no manolo-tanana fa ny lehibe
no miandry tolorana. Mifanohitra amin’ny fomban’ny tandrefana io fombantsika io
satria nolovaina tamin’ireo razambe Tatsinanana. Vitsy anefa no mahalala izany
ka manaboka ny olona avy any ambanivohitra ho “tsy mahalala fomba”, satria ry zareo
no mbola mahatana an’io. Raha heverina anefa dia ry zareo no mahalala
fomban-drazana fa isika no tsy mahalala izany satria mahalala fombam-bazaha!
Matetika koa no tanan-droa foana no andraisan’ny zandriolona ny tanan’izay
heverina fa mendri-panajana. Izany no mbola ahitantsika amin’ny fiteny
ankehitriny manao hoe:
“Raisinay an-tanan-droa”
Araka
ny teny fanolorana tery ambony, tsy hita loatra ny tsy hitazonana ireo
mari-panajana ireo. Oviana moa isika lehibe no tsy sorena rehefa manolotra
zavatra ny ankizy, rehefa avy hatrany dia rohitiny amin’ny ratsan-tanany ilay
“zavatra”? Tokony hodinihana koa ny fomban’olona: raha avy any ambanivohitra
ohatra izy, mety tsy hisaotra fa ny fandraisany izay omenao azy an-tanandroa
dia efa mety ho mari-pisaorana sy fanajany anao mpanome. Koa aza mitroatroatra
tsy amin’antony fa andao ampiaharina ny fomban-drazana mba ahatonga antsika ho
olom-banona.