Feno 25 taona
katroka amin’izao 06 novambra 2020 izao, ny nandoroana ny tanàna Masina
Anatirova. Fotoana mangidy indrindra ho antsika teto Imerina izany, satria ilay
vakoka goavana nirakitra ny harentsaina sy ny fahendren’ireo mpanjakantsika no
may kila hotohoto tamin’io andro io. Mbola manjaka ao am-po ny takaitra navelan’izany setrasetra
mahatsiravina izany.
Inona ny zava-nitranga?
Ny Alahady 05
novambra 1995 no natao ny fifidianana ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara.
Ny ampitso Alatsinainy dia efa fantatra ny vokatra ka ho an’Antananarivo dia
Andriamatoa Razanamasy Guy Willy no voafidy.
Io Alatsinainy
maraina io dia nisy hain-trano nitranga teo amin’ny Ministeran’ny
Fitantanam-bola tetsy Antaninarenina, marihina fa ny Praiministra Ravony
Francisque no nisahana ny Ministeran’ny Vola no sady Lehiben’ny
fitondram-panjakana.
Ny hariva no nirehitra ny Rovan’Antananarivo, ka kila avokoa
ireo lapa maro, hatramin’ny Tranomasina sy ny trano Fiangonana. Niolomay
Antananarivo Renivohitra, vetivety dia niely eran’ny nosy sy manerana an’izao
tontolo izao ny vaovao. Nivarahontsana izay nandre, maro ny latsa-dranomaso,
nifangaro ny alahelo, ny hatezerana sns.
Taitra ny ambom-po
Raha ny fahitana
ny afo dia tsy azo iadian-kevitra fa nodorana ny Rova, fa tsy hoe may tsinahy
akory, satria haingana dia haingana ny fihitaran’ny afo. Niezaka namonjy na ny
vahoaka na ry zareo mpamonjy haitrano saingy tsy nisy ny azo natao, fanaka
vitsivitsy no voavotra tao anaty afo.
Maro ireo
fikambanana nitsangana hanarina ny Rova. Fampisehoana goavana no natao teny
amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, nanangonana vola. Nihetsika hatramin’ireo
zanak’ampielezana tany ivelany. Nijoro ny herinandro taorian’ny 06 novambra
1995 ny Fikambanana Andohalo, izay naneho am-pahanginana ny tsy fankasitrahana
ny zava-nitranga, sady nampitony ny vahoaka, no nampisaintsaina ny rehetra samy
handinika izay tokony hatao. Isaky ny 06 novambra dia manokana fotoana eny
Andohalo ny Fikambanana Andohalo, maneho hevitra am-pahanginana sy mitaky ny
fanarenana ny Rova sy fiarovana izay mbola mijoro.
Tamin’ny 06
novambra 2005 no nisy farany ny fihaonana satria nanapa-kevitra ny fitondrana tamin’izany
fotoana fa hirosoana ny fanarenana ny Rova may tamin’ny folo taona lasa.
Ny zava-misy ankehitriny
Mbola ao anatin’ny
asa fanarenana ny fitondram-panjakana, ary ireo rindrina ivelany aloha no vita
fanamafisana fa ny anatiny mbola tsy voakasika. Tsy nahamaika velively ny
hanarina manontolo ny Rova, fa ny nanangana foto-drafitr’asa ivelany no
nosahanina, di any fananganana ny Colisee izany. Maro no tsy manaiky ny nananganana
izany Colisee izany, ka mihevitra mihitsy fa fandorana fanindroany ny Rova ny
fitokanana io zavatra io ny andron’ny 6 novambra.
Very Hasina tanteraka ny Rova satria tsy vitan’ireo Andriana izay tokony
ho lohalaharana amin’ny famelomamaso izany Hasina izany ny niaro azy.
Ho anay eto amin’ny
Feon’Imerina, dia zava-dehibe ny fanarenana ny trano sy ireo fanaka maha Rova
ny Rova, fa mbola manan-danja bebe kokoa ny famelomana ao am-po sy ao an-tsaina
ny afom-pitiavan-tanindrazana nananan’ireo mpanjaka teo aloha, sy ny ambom-po
ho sahy hijoro hatrany, hikajy ireo harentsaina sy soatoavina nampiavaka
antsika, ho vavombelon’ny tantara. Tsy vitan’izany ihany fa adidy sy
andraikitra ny mampita izany ho lovan’ireo taranaka fara amam-dimby.