NY FINOANA AN'ANDRIAMANITRA

Na dia mbola tsy tafiditra teto aza ny fivavahana kristiana tamin’ny  andron’Andrianampoinimerina dia efa niresaka Azy ny Malagasy ary anisan’ny nanao izany ny Ombalahibemaso. Raha niresaka ny fahafahany nitondra ny Firenena ity Mpanjaka ity dia  nanambara mandrakariva fa notendren’Andriamanitra. Eny anatin’ny ohabolana eny no hiresahana matetika io finoana an’Andriamanitra io. 

“Ny fahafatesana tsy heloka, ny fahavelomana tsy fahamarinana fa Andriamanitra no tompon’ny lahatra”

Io ohabolana io ohatra dia mampahatsiahy antsika aloha voalohany indrindra fa fitahian’Andriamanitra avokoa na ny fahafatesana na ny fahavelomana. Mananatra antsika koa io ohabolana io  tsy hirehareha. Indraindray, mety ho diso hevitra ihany isika manoloana ny fahafatesan’ny namana na ny havana ka mety hiarahaba tena fa mbola velon’aina. Tsy misy maharatsy izany saingy tokony hotadidiana manarak’izany fa lalana tsy maintsy alehan’ny rehetra ny fahafatesana koa raha namoy ny ainy ny olona iray, tsy sanatria nanota izy tsy akory ary torak’izany koa ireo mbola velona :  tsy niangarana fa olo-marina  fa fandaharan’Andriamanitra fotsiny.

Mbola finoan’ny Ntaolo koa fa hitan’Andriamanitra avokoa na ny soa na ny ratsy ataontsika olombelona. Indraindray isika alaim-panahy haneho toetra ratsy, toy ny fametsifetsena sy ny fanambakana ny namana. Rehefa mbola tsy misy mahazo ny tena dia toa matoky fa mety hatrany ny atao. Eo no hanairan’ny ohabolana ny saintsika ka ilazany hoe:

Tsy misy tsy hitan’Andriamanitra fa minia mikipy izy

Mitovitovy hevitra amin’io ohabolana io koa ity manaraka ity:

Avo fijery Andriamanitra satria mahita ny takona

Matetika rehefa milaza azy ho mpino an’Andriamanitra na mpivavaka ny olona dia alaim-panahy hanamarin-tena amin’ny anaran’ Andriamanitra. Mahavariana mihitsy io fomba io fa na dia ireo olom-boahosotra toy ny mpitondra fivavahana aza voafandrik’io fanamarinan-tena io. Tamin’ny andro nanjakan’Andrianampoinimerina dia efa nisy olona tsikaritry ny mpanjaka manao toy izany ka nananarany. Misy ireo nomena fahefana ka manararotra manambaka ny olona satria matoky fa tsy ho voasazy satria akaiky ny mpitondra. Toy izany koa ny mety ho fihetsiky ny mpivavaka. Mihevitra izy ireny matetika fa rehefa ataony amin’ny anaran’Andriamanitra na ny ratsy aza dia tsy ho meloka izy. Hoy ny ombalahibemaso raha miresaka izany: 

 Aza manao Andriamanitra azoko am-po 

METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA. MPANOLOTRA: RAMASINIRINA


Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-10-25.

Miverina
footer-frame