80 TAONA NY NAMPODIANA NY MASINA RANAVALONA III

Ranavalona III no mpanjaka farany, nitondra ny tany sy ny fanjakana nialoha ny niandraisan’ny frantsay ny fitantanana, nalefa sesitany tany ivelany izy ary tany Alzeria no niamboho. Taona maro taty aoriana vao tafaverina an-tanindrazana ny taolam-balony.

RANAVALONA III MPANJAKAVAVY TANORA INDRINDRA

Rehefa niamboho ny Mpanjakavavy Ranavalona II ny volana Jolay 1883 dia Razafindrahety niova anarana ho Ranavalona III no nandimby azy. Ny 22 Novambra 1883 izy no napetraka teo amin’ny seza fiandrianana.

Feno 22 taona katroka izy satria ny 22 Novambra 1861 izy no teraka. Nanomboka tamin’io vaninandro io dia niova ho isaky ny 22 Novambra indray ny fankalazana ny fandroana.

Toy ireo Mpanjakavavy roa teo alohany dia nanambady ny Praiministra Rainilaiarivony ihany koa izy, na dia efa be dia be aza ny elanelan-taona.

RANAVALONA III NIARITRA NY MAFY

Nisy ny olana teo amin’ny fifandraisana tamin’ny frantsay, tamin’ny fitondran-dRanavalona II, izay tsy voavahan’ireo solontena nihaona nivantana tamin’ny mpitondra tany Frantsa, mikasika ireo tany bodoin’ny frantsay tany amin’ilany andrefana sy avaratry Madagasikara. Ny Anglisy rahateo tsy azo ho namana niaro ny zavamisy satria efa nifanaraka ireo firenen-dehibe samy Eoropeana.

Nipoaka matetika ny fifandonana ara-tafika teo amin’ny Malagasy sy ny frantsay. Ny farany indrindra dia ny tifi-tafondro nataon’ny tafika frantsay niainga avy teny Andrainarivo ka niteraka ny fananganana saina fotsy. Latsa-dranomaso ny Mpanjakavavy Ranavalona III nandritra ny fidoboky ny tafondro.

Nosoniavina ny fifanarahana nahatany ambany fiahian’ny frantsay antsika ny 01 Oktobra 1895, tsy mora tamin’ny Mpanjakavavy izany hoe Mpanjakavavy eo amin’ny seza fiandrianana kanefa tsy manana fahefana.

Ny 12 Desambra 1895 aza nasaina nikabary teo Andohalo izy, dia nialohavan’ny hiram-pirenena frantsay « La Marseillaise » sady ny frantsay ihany no nandrafitra ny kabary fa mpitondra teny fotsiny izy.

Rehefa tonga indray ny Jeneraly Galliéni ka lasa zanatany tanteraka i Madagasikara dia novonoina ny anadahin-dreniny, ny Printsy Ratsimamanga ary ny mangidy indrindra dia ny nilazana taminy fa halefa sesintany any ivelany izy, tsy maintsy miala eto Antananarivo ny 27 Febroary 1897. Ny 14 Martsa 1897 no tonga tany La Réunion ny sambo nitondra azy. Nalahelo mafy ny Mpanjakavavy satria fantany fa tsy hahita velona intsony ny tanindrazany izy sy ireo mpanaraka azy, dia I Ramasindrazana rahavavin-dreniny, Rasendranoro rahavaviny sy Razafinandriamanitra zana-drahavaviny.

RANAVALONA III TANY AM-PITA

Tetsy amin’ny Nosy La Réunion izy no napetraka ; roa taona, taty aoriana tamin’ny 1899 dia nalefa tany Alzeria. Azo lazaina hoe tsy dia sahirana ihany ny Mpanjakavavy satria nohajain’ny vazaha ihany ny naha Mpanjakavavy azy, nomena izay rehetra nilainy, afaka nitsidika firenen-kafa ny tsy azony natao dia ny nankaty Madagasikara.

Mbola nahatazona ny finoana nijoroany izy dia ny finoana protestanta, na dia teo aza ny fanerena ankolaka nataon’ny frantsay azy tamin’izany. Nanolotra vola 1000f isan-taona aza ny Mpanjakavavy Ranavalona III ho an’ny fiangonana protestanta.

Ny 23 Mey 1917 no niamboho tany Alzeria ny Mpanjakavavy Ranavalona III teo amin’ny faha 55 taonany.

 

TAFODY NY MASINA RANAVALONA III

Nanapa-kevitra ny fitondrana frantsay fa hampodiana an-tanindrazana ny taolambalon’ny Mpanjakavavy Ranavalona III. Ny 29 Oktobra 1938 no nigadona tao Toamasina ny sambo « Ville de Reims » nitondra ny Masina avy any Alzeria. Niravaka ny saina frantsay izany sambo izany, nampidirina tao amin’ny fiaran-dalamby ny tranovorona nisy ny Mpanjakavavy ary nentina niakatra an’ Iarivo.

Ny 29 Oktobra 1938 tamin’ny 5ora hariva no nigadona tao amin’ny garan’I Soarano ny fiaran-dalamby. Nipoka in-dimy ny tafondro ho fanambarana fa tonga ny masina. Tomefy olona ny Avenue Gallieres izay lasa Araben’ny Fahaleovantena ankehitriny.

Nipetraka teo ambony lampihazo avo toerana, tao amin’ny efitrano malalakin’ny garan’I Soarano ny tranovorona nisy ny Masina Ranavalona III.

Nitanjozotra nanome voninahitra izany ireo vahoaka marobe.

Ny ampitso 30 Oktobra 1938 no natao ny fanafenana azy tao amin’ny tranomasina natokana ho an’ny vehivavy toa Anatirova.

Andrianjafitrimo zaodahiny no nanolotra solontena maromaro avy amin’ny fianakaviana, niandraikitra ny fandraisana sy ny fanefenana ny Masina. Ireo andriambavy kosa dia nitafy jaky mena sy nitondra voninkazo, nanome voninahitra.

TSY AFA MANOATRA NY FRANTSAY

Fantatry ny frantsay  tsara ny fandalan’ny Malagasy izany hoe tsy ho very faty any an-tanin’olona. Fepetra tsy maintsy noraisiny ny fampodiana ny taolambalon’ny Mpanjakavavy Ranavalona III, tamin’ny volana Oktobra 1938. Efa tsinjon’ny frantsay fa hiatrika ny ady lehibe faharoa indray ry zareo amin’ny taona 1939 ka tsy maintsy mila ny fanampian’ireo miaramila avy aty amin’ny tany nozanahiny. Noho izany antony izany dia atao izay nanambatambazana sy nahafalifaly ny vahoaka.

HENI-KAJA NY MASINA

Tonga nidodododo nanome voninahitra ny Mpanjakavavy, izay efa tsy nitondra azy efapolo taona ny vahoaka, nisy aza ireo taranaka taty aoriana, tsy niaina ny fahampanjaka kanefa tonga nanome hasina ny Mpanjakavavy.

Tao amin’ny tranomasina nisy ny Mpanjakavavy Rasoherina, ary nampidirana ny Mpanjakavavy Ranavalona I izay noloarana teny Ambohimanga tamin’ny 15Martsa 1897, no nanafenana ny Mpanjakavavy Ranavalona III.

Ny Masina Ranavalona III ihany no nampodiana fa tsy nasian’ny vazaha resaka ireo havany nanara-dia azy tany an-tsesintany.

Ny Mpanjakavavy Ranavalona III no nanjaka tanora indrindra sady nandany ny hatanorany tamin’ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana, tao anatin’ny fotoan-tsarotra, indrisy fa niafara tamin’ny famoizana ny fanjakana, sy fandaozana ny firenena.

Na dia niadana aza izy tany an-tsesitany dia nodimandry tanora ihany satria 55 taona sy tapany izy no niamboho.

An-tery fa tsy an-tsitrapo no nandaozany ny tanindrazany.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-10-18.

Miverina
footer-frame