Nanaiky hanao raharaham-pihavanana ny praiministra
tamin’izany andro izany ka naniraka an-dRainizanamanga, zanany sy Anglisy
nantsoina hoe Willongby, komandin’ny tafika Malagasy, mba hihaona amin’ny
solontena Frantsay tany Manjakandrianombàna.
Toy izao ny hevi-baventy nivoitra tamin’io fifampidinihana io:
1- Ny
fanjakana frantsay no mitandrina ny raharaha rehetra mikasika ny firenen-kafa
ary miaro ny Malagasy rehetra monina any amin’ny firenen-kafa.
2- Ny
Résident Général napetraky ny frantsay teto Madagasikara no mikarakara ny
fifandraisana amin’ny any ivelany ary tsy nisy fandraisan’anjaran’ny fanjakana
Malagasy na kely aza.
3- Nahazo
nihaona mangina amin’ny Mpanjaka ny “résident” ary nanana miaramila frantsay
niambina azy.
4- Nahazo
nonina sy nanao ny raharaham-barotra ary
nivezivezy an-kalalahana teto Madagasikara ny Frantsay.
5- Nasaina
notanterahan’ny Mpanjaka ny didy nivoaka ny 8 aogositra 1868, izay namela ny olona nanaraka izay fivavahana tiany.
6- Nanaiky
nandoa roa tapitrisa farantsa tamin’ny fanjakana frantsay, izay hitantana
izany, ny fanjakana Malagasy nanonerana
ny zavatr’ireo vahiny samba tamin’ny ady.
7- Tsy
niala tao Toamasina ny tafika frantsay namahatra tao raha tsy voaloa io vola
io.
8- Nanaiky
nanampy ny fanjakana Malagasy ny fanjakana frantsay.
9- Nandray
ny andraikitra fampandrian-tany ny fanjakana Malagasy.
10- Nanaiky
hitondra tsara ny Sakalava sy ny Antakarana ny fanjakana Malagasy. (Ny
Antakarana, izay nikasa haka fahaleovantena manokana no nanampy ny Frantsay
naka an’Atomboka) ary nanome ny helo-dranomasina ho an’ny fanjakana frantsay.
Rehefa vita ny fifanekena dia niakatra teto Antananarivo ireo nidinika ka nitatitra tamin’ny Mpanjaka. Nisy ny lanonana natao tao Tsiazompaniry, taorian’io. Niverina nitodi-doha tany Toamasina avy eo ny solontenan’ny fanjakana Frantsay.
Nahatsapa
ihany ny Malagasy fa nisy fatiantoka tamin’io fifanarahana io kanefa, noho ny
harerahana tamin’ny tebiteby nateraky ny ady dia nifaly ihany.
Nampodian’ny
Mpanjaka avokoa ireo miaramila nampandry tany tany Amorontsiraka ary nomena
marim-pankasitrahana. Nisongadina tamin’izy ireo Rainandriamampandry, komandy
tao Toamasina noho ny fitondrany ny miaramilany tao Manjakandrianombàna.
Niverina teto Madagasikara kosa ireo mpitondra fivavahana frantsay toa ny monsenera Cazet, vao avy nampiakarina ho eveka tany Lourdes ary tonga eveka teto Madagasikara.
Nanovozan-kevitra “Madagasikara
sy ny Malagasy”, Randria Michel
Nanangona Ramasinirina