Ny 17 Oktobra
hatramin’ny 28 Novambra 1882 dia nihaona tamin’ny mpitondra frantsay
ny delegasiona Malagasy notarihan-dRainivoninahitriniarivo,
mpiandraikitra ny raharaham-bahiny sy Ramaniraka kabinetran’ny mpanjaka,
nandeha tany Eoropa sy Etazonia.
Ny fototry ny
fihaonana dia ny fitakian’ny frantsay hividy tany eto Madagasikara. Tsy nanaiky
izany ny Malagasy. Araka ny voalaza tao amin’ny lalàna dimy venty sy
telon-jato, fampanofana no azo atao ary 99 taona no nangatahan’ny
Frantsay. Nolavin’ny delegasiona izany fa dimy amby roapolo taona azo
havaozina intelo no vinavina natolotry ny Malagasy. Tsy neken’ny vazaha izany,
ny 27 Novambra 1882 dia nomeny iray andro nieritreretana ny delegasiona
Malagasy ; dia nentin’ny solontena frantsay ny fifanekena, izay tsy
nifanaraka velively tamin’ny niadian-kevitra. Nandà tsy nety nanao sonia ny
delegasiona Malagasy, ka voatery nandroaka azy hivoaka ny « Grand
Hôtel » ny frantsay. Nandeha nihazo an’i Angletera ny delegasiona hila
vonjy amin’ny Anglisy saingy tsy nahita mangirana satria efa nifampiresaka
mialoha ny samy firenen-dehibe. Tonga hatrany Italia, Alemana, Etazonia ny
delegasiona Malagasy. Efa niamboho ny mpanjaka vavy Ranavalona II vao
tafaverina an-tanindrazana ry zareo. Mbola nitana ny toerany izy ireo tamin’ny
fanjakan’i Ranavolona III. Tsy nitsahatra ny fanirian'ny
frantsay hahazo an’i Madagasikara ary efa teo am-pelatanany ny faritra sasany
tany amin’ny ilany andrefana sy avaratry ny Nosy saingy raha tsy Antananarivo
mihitsy no azo sy ny mpanjaka Merina no voafehy dia tsy mbola azo i
Madagasikara.
8 Oktobra
1889 no nanarian’ireo miaramila mahery fihetsika frantsay (soudards) tany
an-dranomasina ny tafondro dindon’ny fanjakana Merina.
Oktobra 1894
niverina teto Madagasikara Le Myre de Villers ary voatendrin’ny
fanjakana frantsay mba hanao famotorana momba ny ady teo amin’ny frantsay sy ny
Malagasy.
15 Oktobra 1894
nahafatesan’ny
miaramila manamboninahitra frantsay teto Madagasikara.
27 Oktobra 1894 dia nanapa-kevitra nampody ireo frantsay miisa 350
i Le Myre de Villers. Telo andro
taorian’io dia tapaka ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Lafarantsa sy
ny fanjakana Malagasy.
01 Oktobra 1895 tamin’ny andron’ny mpanjakavavy Ranavalona
II dia nisy ireo delegasiona Malagasy notarihan-dRainivoninahitriniarivo,
mpiandraikitra ny raharaham-bahiny sy Ramaniraka kabinetran’ny mpanjaka,
nandeha tany Eoropa sy Etazonia
1 Oktobra 1895 : Nanaovan-tsonia
ny « protectorat »
frantsay. Ny « Résident général » no niandraikitra ny
fifandraisana tamin’ny any ivelany. Ny mpanjakavavy kosa dia nanaiky hanatanteraka ny fanovana
notakian’ny frantsay mba ho amin’ny tombotsoan’ireto farany. Afa-po tamin’io
fifanarahana io ireo misionera vahiny sy
ny mpanao raharaham-barotra satria nanantena hifandray tsara amin’ny mponina
noho izy ireo mora ifandraisana raha miohatra amin’ny vazaha mpanjanaka.
Ampatsiahivina fa ny 29 Septambra 1895
dia nisy ny andian-tafika frantsay niakatra avy any amin’ny faritra
andrefana nitoby teo Ambatobe, ary ny ampitso 30 Septambra 1895 dia
niakatra teny Andrainarivo, nanao tifi-tafondro nanafika an’Anatirova. Tsy
nahasehaka izany ny tao an-drova ka nampanangana saina fotsy. Ny ampitso dia
nosoniavina ny fifanarahana fa lasa tany eo ambany fiahian’ny frantsay i
Madagasikara izay midika fa mijanona eo amin’ny fiandrianany ihany ny Mpanjaka
vavy Ranavalona III saingy tsy manana fahefana, miala ny Praiministra
Rainilaiarivony ary nosoloana an’i Rainitsimbazafy, ny jeneraly
Duchesne no tompon’ny fahefana, ary Résident Général no fiantsoana
azy.
11 Oktobra 1896 : Nisy
ny fikomiana nanohitra ny fanajanahantany ka dia nosamborina ny
manamboninahitra vitsivitsy ary natao sesitany ; Rainandriamampandry sy
Ratsimamanga, anadahin-drenin’ny Mpanajakavavy kosa dia notazomina teto
Antananarivo.
15 Oktobra 1896 : Rehefa voampanga ny printsy
Ratsimamanga, sy ny ministra Rainandriamampandry, dia nohelohina ho faty ary
dia notifirina. Mba hamafana izany tantara mahamenatra izany dia
najoro ny Repoblika Malagasy ny 14 Oktobra 1958.
Teny Ambatobe no
nitoby ny tafika frantsay ny 29 Septambra 1895 nialoha ny niakarany teny
Andrainarivo ny 30 Septambra 1895 hanafika an’Anatirova. Ho
fanomezan-kasina ireo toerana ireo dia najoro teo Ambatobe ny Lycée Français
ankehitriny ary napetrakin’ny zaza navelan’ny frantsay nitondra tamin’ny
Repoblika faharoa teo Andrainarivo ny « fasan’ny maherifo ».
25 Oktobra 1946 : Navoaka ny « décret » nizara an’i
Madagasikara ho faritany 5 ary nampahaleo tena ara-bola sy nananany isanisany
avy antenimiera. Teto Antananarivo nisy ny foibe niraisana.
Oktobra 1954 : Notendren’ny governementa Mendès-France i André Soucadaux ho governora hanolo an’i André Bargues. Ity Soucadeaux ity no nanampy
betsaka ny prezidà Tsiranana hiakatra teo amin’ny fitondrana.
14 Oktobra 1958 : Nanambarana
ny Repoblika malagasy. Nahazoan’i Madagasikara ny sainany
voalohany taorian’ny nanjanahana azy Taorian’ny ady lehibe anankiroa dia nahatsapa ny frantsay
fa tsy azo ihodivirana intsony ny fanomezana fahaleovantena ny zanatany. Ho
antsika Malagasy manokana, nihetsika ny tia tanindrazana ny taona 1947,
niaraha nahalala ny vonoan’olona nasetrin’ny frantsay izany.
Nampanao fitsapan-kevi-bahoaka tany amin’ireo firenena
afrikanina maro nozanahiny ny frantsay, ka ny fanontaniana nakana ny hevitry ny
mpifidy dia nanao hoe : « ekenao
ve ny Repoblika ao anaty firaisambe frantsay ? ».
Ny 28 Septambra
1958 no natao ny teto amintsika. Nandresy tamin’ny 1361801
ny ENY ary 391166 no nanao TSIA. Ho an’ny
faritanin’Antananarivo dia maro an’isa no nandà, 186210 no nanao ENY
ary 190480 no nanao TSIA. Teto Antananarivo Renivohitra koa dia
nandresy ny TSIA tamin’ny vato 31203 ary 19517 no nanao ENY.
Mazava ny
tarehimarika fa na dia nandresy aza ny ENY teto Madagasikara dia nandà ny
frantsay ny faritanin’Antananarivo sy Antananarivo Renivohitra.
Tany amin’ireo
tany afrikanina maro dia nandresy avokoa ny ENY afa-tsy ny tao Guinée tarihin’i
Sekou Touré, satria 338790 ny ENY ary 986933 no
nanao TSIA.
Vokatr’io
fitsapan-kevi-bahoaka io dia nijoro ny Repoblika voalohany ny 14 Oktobra
1958, etsy Andohalo no tsangambaton’izany Repoblika izany.