Inoan’ny malagasy fa mahamora ny fihavanana ny
fitandremam-pitenenana. Na miady aza ny olona, heveriny fa metimety kokoa ny
misaraka tsy misy maratra. Eo ilay hoe “tsy maratra ny vatana fa indrindra
indrindra koa ny fanahy”. Ny ratra ety ivelany mety ho sitrany ihany fa ny
anaty no tena sarotra sitranina:
Aza
manao anaty fo maharary, hoy Andrianampoinimerina.
Anisan’ny
fanehoana izany fitandremam-pitenenana izay ny teny malemy.sy ny teny miera.
Ity
farany no azo adika ho fifaneken’ny mifampiraharaha. Fifampiraharahaina tokoa
no ao anatin’ny fiarahamonina:
Ny
ahiahy tsy ihavanana
Tsy
misy asa vitan’olontokana izany. Mba ahefana ny izay efa nokasaina na ho kasaina
atao mba tsy hanenenana amin’izay vita. Io ilay mitsinjo lavitra fa ao dia ao
tokoa ny fifampitsimbinana amin’ny mpiara-monina. Velona hifanasoa sy tsy
hifanisy ratsy. Misy fotoana tsy maintsy iaraha-monina ka arindra aloha iny
fotoana iny mba hahamora ny fiainana: tsy midika ho fihatsarambelatsihy io ka
hoe:
Matin-kena-maso,
ka mihinam-barim-boka.
Toetra
fahaenina ijoroan’ny firaisakina sy ny fihavanana napetrak’Andrianampoinimerina
ny tsy fisian’ny henatra sy ny tsy fisorohana raha tohatra ny sarotra. Ny matin-kenamaso
ka manaiky izay haroson’ny olona na mamoafady ny tena aza dia mahavery hasina
ny olona anankiray. Ny fifandrindrana tsy midika velively fa fanekena tsy misy
fepetra ny ataon’ny mpiarabelona na ratsy na tsara. Ny olombanona tokoa tsy menatra
ary tsy misorona manoloana ny sarotra. Sarotra ny mandà sakafo aroson’ny olona
ny tena saingy raha hitondra loza toy ny aretina ohatra , tsy maintsy mandà
izany.
Matim-pitia
toa lalitra ka mitsoboka alohan ny sotro
Sarotra
toy izany koa ny manitsy ireo tia mitsabatsabaka amin’ny sakafo, toy ny
fanahin’ny lalitra ohatra, saingy raha tsy te ho voavetaveta, tokony hijoro ka
tsy hanaiky izany.
Tsy
mampirindra ny fiaraha-monina ny fanarahana ambokony. Ny olona manaraka
ambokony manko karazan’ny tia tena ihany, tsy te ho voatohitohina mivantana ka
raha mbola tsy mahavoa azy ny ratsy na ny tsy mety ataon’ny fiaraha-monina dia
mangina tsy miteny izy. Toetra fahaefatra ijoroan’ny fihavanana sy ny
firaisankina koa anefa ny tokony tsy isian’ny fitiavantena satria anisan’ny
mampikorontana ny fiarahamonina.
Rafotsibe miandry ombilahy ka manaraka ambokony
Raha fehezina, ny fitandremam-pitenenana sy ny fihetsika mifanaraka amin’izany, tsy inona akory fa fitandremana ny fahamarinana. Raha mihoatra na tsy ampy ny teny ampiasaina, tsy mazava ny hevitra ary diso ny fihetsika sy ny fitondran-tena heverina ho mifanahaka amin’izany. Miankina amin’io fihetsika io anefa ny mampirindra na tsia ny fiarahamonina.
METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA, Ramasinirina