124 TAONA: NOAFAHANA NY ANDEVO

Raha vao lasa zanatany frantsay isika dia fepetra telo no nampiharin’ny frantsay voalohany :

-          Fanovana ny fampianarana rehetra,  tsy maintsy atao amin’ny teny frantsay

-          Fifehezana ny sampan-draharahan’ny fananan-tany

-          Famotsorana ireo nolazaina fa andevo-      

Ny 27 SEPTEMBRA 1896 no natao peta-drindrina ny lalana manafaka ny andevo , 124 taona lasa izay.  

MOMBA NY FAMARINAN’OLONA

Ny vazaha sy arabo no mpividy olona ka namarotra izany tany Eropa sy Amerika. Atakalony basy sy entana (lamba, firavaka vita amin'ny tavoahangy, sns... Tsy nahazo niditra teto Imerina ny vazaha fahiny, ary tsy azo atao ny mivarotra olona amin'ny vahiny. Araka ny tantara dia tonga hatreny Ambohidratrimo ny mpijirika nisambotra olona. Izay vehivavy babo tamin'izany, ka tsy lafony amin'ny vazaha, dia nataony vadikely.Rehefa nanjaka i Andrianampoinimerina (1787-1810) dia tsy tafiditra teto Imerina intsony ny mpijirika. Tamin'ny andron'i Radama (1810-1828) kosa vao nahazo niditra malalaka ny vazaha. Nanaiky ny hanampy an-dRadama amin'ny fampiofanana miaramila sy hamatsy fitaovam-piadiana ny anglisy, fa ho setrin'izany dia voarara ny mivarotra olona.

Any Amerika any ankehitriny, dia misy sehatra ifaneraseran’ ireo taranaka Malagasy naondrana tany aloha tany. Maro amin’izy ireo no milaza fa “royal family” ny razany fa nobaboina, ny sasany indray milaza fa tsy andevo no nahatongavan’ny razany tany USA fa tantsambo sy mpivarotra. Toy izao ny santionan'ny rakitra voapetraka an-tsoratra:

-       1676, nandeha tany Madagasikara ny sambo “Massachusets” nividy olona ka nivarotra izany tao Virginia ny taona 1678.

-       Teo anelanelan’ny taona 1600-1700 +, dia olona 7.000 avy aty Madagasikara no namidy tany Perou. "malgaches" na "mangaches"ny fiantso azy ireo, ary ao Yapatera Morropón (Piura) ny ankamaroan’izy ireo no mitoetra.

-       Teo anelanelan’ny 1719 sy 1725 dia sahabo Malagasy 1.000 no tonga tao Virginia. Sambo 7 no nitatitra azy ireo, ary anisan'izany ny sambo Prince Eugene, the Henrietta, the Mercury, the Gascoigne Galley, the Rebecca Snow.

-       Hatramin’ny 1700, ny antsasaky ny andevo tao Barbados — sahabo olona 16.500 —dia avy aty Madagasikara avokoa. Teo anelanelan’ny 1679-1718, dia miisa 27 ny voyages nitanterana olona avy aty Madagascar nakany Barbados.

-       Teo anelanelan’ny taona 1685-1719 dia olona 2.000 no nentina avy aty Madagascar nankany Jamaica.

Ireo daty ireo dia mampiseho fa tsy dia marina tanteraka ny filazana fa ny mpanjaka merina no tena mpivarotra andevo tamin’ny vazaha. Voalohany, Andrianampoinimerina (1687-1810) moa tsy mpanjakan’I Madagasikara manontolo,  koa tsy nifampiraharaha mivantana tamin’ny vazaha izy. Radama indray dia nandrara ny fivarotanolona fa raha tsy izany tsy nahazo fanampiana tamin’ny anglisy.

Misy ireo Merina taranak’Andriana no lasa babo ka namidy tany amin’ireo nosy manodidina (La Reunion sy Maorisy), tany Capetown Afrika atsimo sy tany Amerika. Ankehitriny dia maro amin’ireo African American no lasa mifandray amin’ireo havany avy aty Imerina rehefa nahalala tamin’ny alalan’ny fitsirihana ADN fa havany  “cousins 5e degree” izy ireo.  

1896: NAVARINA HO ANDEVO NY MALAGASY REHETRA

Marihina fa efa nisy ny famotsorana ireo andevo tamin’ny fahampanjaka talohan’ny didy navoakan’ny frantsay io, saingy maro tamin’ireo andevo no tsara fihavanana tamin’ny tompony ka tsy nety niala teto.

Manoloana izany, ny Dr Andriantavy araka ny soratra hita  tao amin’ny diariny dia  nanambara fa “Niverina amin’ny fahandevozany indray ny andevo”. Maro ireo andriana no tsy  mba miantso hoe andevo fa manao  hoe ankizy na mpanompo.

Ireo Malagasy nahira-tsaina tamin’ny fotoan’androny dia nahatakatra avy hatrany  fa ny antony namotsoran’ny frantsay ny andevo dia mba hanamora ny fakana olona hanao ny asa an-terivozona.

Nisedra fahasahiranana ireo navotsotra, satria tsy nisy mpamelona sady tsy nomena ihany koa zara-tany ivelomany. Ireo sokajin’olona nampanompo azy ireo ihany koa, dia nisedra olana hatrany satria tratra ny antsonjay nataon’ireo vazaha sy ireo mpisolelaka vazaha.

Ny azo amehezana azy dia ny malagasy manontolo no navarina ho andevon’ny mpanjanaka tamin’ny 1896.  

Tsy ny volon-koditra na ny volon-doha no hamaritana ny maha andevo fa ny toe-tsaina enti-miaina. Mazana ny andevo dia manana toetra tia miankin-doha ary manaiky ho vidiana lava. Fantatry ny vazaha tsara izany toetra izany, nampiasainy ny volany, sady nampihariny ilay fomba fiadiny  dia ny “zarazarao hanjakana”. Nisy tamin’ireo taranak’andriana no nanana io toe-tsaina tia miankin-doha sy sahy mihitsy mivarotra ny tenany, ary tsy mendrika ny hilaza ny  tenany ho andriana intsony izy ireny. Mibaribary matetika io toe-tsaina andevo io eo amin’ny fiaraha-monina, na teo amin’ny olona sahirana na teo amin’ireo milaza azy ho manampahaizana satria samy voavidy vola avokoa na dia tsy mitovy aza ny sarany.

 Raha iverenantsika ny zava-misy tamin’ny andron’ny fanjanahantany, dia mazava fa ny vazaha no nifehy ny fananan-tany teto amintsika ,maro ireo velaran-tany tsara toerana sady mahavokatra nogiazan’izy ireo. Mazava ho azy fa tsy maintsy ireo teratany Malagasy no hiasa sy hanabe voho ireo velaran-tany midadasika. Nisy ny asa fanompoana nampanaovin’ny vazaha ny teratany toy ny (SMOTIG) na Service de Main d’Oeuvre d’Intérêt Général, izay asa mafy tokoa kanefa tsy andraisan-karama fa sakafo no omena, izay no nahatonga ilay fitenenana  hoe karama vary masaka.

 TSY MISY AMBOMPOM-PIRENENA

Niverina ny fahaleovantena tamin’ny taona 1960, ny zava-misy anefa dia vao mainka miverina any amin’ny fahandevozana isika Malagasy.  Tsy ao intsony ny ambompom-pirenena. Enimpolo taona ny niverenan’ny fahaleovantena, indrisy fa mampiseho ny heriny tanteraka ireo avy any ivelany, ary manaiky ny baikony avokoa ny rehetra.  

124 taona ny nivoahan’ny lalana manafaka ny andevo saingy indrisy fa tafiditra amin’ny kizo fara isika Malagasy, satria voagejan’ny toe-tsaina andevozin’ny vola ireo milaza azy ho mpanafaka ny firenena, ka mamarina ny tenany sy ny mpiray tanindrazana rehetra ho andevon’ny hery ievalny indray. Mila ainga vao ny tanintsika ka  mpitarika isan’ambaratonga tena manana ny fahatsirovan-tena sy fitiavan-tanindrazana tena izy no  mendrika  omem-pahefana   hiverenan’ny fiandrianan’ny firenentsika.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-09-28.

Miverina
footer-frame