Ity hira ity dia noforonin’ i Arkazorama na Ramarozaka tamin’ny taona 1960 niverenana’ny fahaleovantena ho fampieritreretana antsika Malagasy.
Sanganehana
o oo sakodiavatra
Matahotahotra
zany foko, manahiahy
Ka mila ho vahotra
Zao vao tonga elatra aho ry lahy
Ka tena variana.
Ravoravo
aho , mitebiteby koa
Fa lay
nosy tiana dia mahaleo tena
Ho ratsy
sa ho tsara tokoa
Ny
fandehanao ry nosy malalako
O ry Gasikara tanindrazako.
Zanahary o izay mahita
Na ny eto an-toerana na ny any ampita
Ianao no mahay misafidy
Ka andrasako eto fa sarobidy
Mba henoy zany vavakay.