NY FANARARAOTAM-PAHEFANA

Teo amin’ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara, eny fa na tamin’ny faha-mpanjaka aza dia nisy hatrany ny fanararaotam-pahefana. Niseho tamin’ny fanaovana tsindrio fa lavo na fakana ankeriny ny fananan’olona foana izy io.

Anisan’ny Mpitondra niady tamin’ity fomba ratsy ity Andrianampoinimerina. Nanafarany mafy an-dRadama ny fitandremana ny fanjakana tamin’ireo havana na manampahefana izay nampijaly ny vahoaka amin’ny fanararaotana sy fampijaliana.   

Amboa homan’ondry ka ny fo no manefa” 

Io no baiko nomen’Andrianampoinimerina ho tanterahina ho an’ireo manararaom-pahefana. Ny amboa moa fahiny no nampiandrasana ondry ka nohariny tamin’ireny ny manampahefana, raha ny ondry kosa no noharina tamin’ny vahoaka. Izay amboa nihinana ny ondry nandrasany dia novonoina ho faty ka dia sazy mitovy amin’izany koa no niandry ny olombelona izay “mihinana” ny hatsembohan’ny olom-peheziny.

Noharin’ny Ombalahibemaso tamin’ny biby toy ny omby aman’ondry koa ireo manam-pahefana tsy manaja ny toeram-boninahitra nomena azy ka nolazainy hoe “manao lava loha” : ny omby sy ny ondry rehefa mitondraka(maka an-keriny ny ahitra na anana) dia manao lava loha. 

Mbola avy amin’ny Ombalahibemaso koa no nivoahan’ny hoe : 

“Ny fanjakana tsy hananan-kavana” 

Teny nataony ho an’Ilaidama koa io satria nisy tokoa ny havan’andriana izay manararaotra ny toerana misy ny Andriana ka mandroba. Aoka tsy hanao fanjakana mitanila hoy Andrianampoinimerina ka  : 

“Hanao tsingala mahalala omby tena 

Eto indray  dia ny tsingala (biby anaty rano, mahafaty raha misotro ny rano misy izany) no noharina tamin’ny mpitondra izay mitanila amin’ireo havany akaiky izay nanao fahadisoana. Mbola nohamafisiny koa io hevitra io tamin’ilay fitenenanana manao hoe:  

“Aza manao anaty fo maharary”  

Izay midika hoe ny an’ny tena ihany no mankararirary (Havana) fa rehefa ny an’ny olona dia tsy itsitsiana tsorakazo!

METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA (Ramasinirina)

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-09-20.

Miverina
footer-frame