TEATRA MONISIPALY AMBATOVINAKY: 14 SEPTAMBRA 1899 – 14 SEPTAMBRA 2020

Feno 121 taona ny nananganana ny Teatra Monisipaly Ambatovinaky. Ny 14 Septambra 1899 no notokanana io efi-trano fanaovan-danonana voalohany, teto Antananarivo io. Ny vaninandron’ny 14 Septambra 1899 koa no noraisin’ny mpanao teatra ho niforonan’ny teatra teto Madagasikara.  

LITERATIORA AM-BAVA 

Vaninandro nampisehoan’ny frantsay ny teatra no tamin’ny taona 1899, fa talohan’io dia maro ireo endrika nampisehoan’ny malagasy ny teatra, toy ny kabary  fangataham-bady , ny hira gasy, ny dihy vakodrazana, sns..  ireo no nolazain’i Siméon Rajaona hoe literatiora am-bava. 

NY NIANDOHAN’AMBATOVINAKY  

Rehefa nitsahatra ny hetsika nataon’ny Menalamba tamin’ny taona 1897, dia nanomboka nampifalifaly ny tenany ireo miaramila frantsay. Nahatsiaro  ny tany aminy ireo miaramila ireo, ka nilalao karazana teatra fohifohy tao amin’ny Lapan’Andafiavaratra. “Théâtre de folie militaire” no anarana nampitondrainy izany, ka ry zareo miaramila no mpisehatra, izy ireo ihany no sady manao lehilahy no vehivavy. Taty aoriana dia lasa fanaon’ny tropy sasany ny manisy sarimbavy milalao.

Nanapa-kevitra ny mpitondra frantsay taty aoriana fa hanangana toerana fanaovana teatra, Ambatovinaky no toerana natolotry ny Kaomina Antananarivo, “Théâtre Municipal de Tananarive” no anarana nomen’ny vazaha, saingy ny mahakinga ny vavan’ny olona dia ny hoe “Teatra Monisipaly Ambatovinaky”.  

NY NITOKANANA AZY  

Tantara frantsay no nolalaovina voalohany tao sady nitokanana ilay toerana, “La Mascotte” no lohatenin’ny tantara, Duris sy Chivot no nanoratra io tantara  ary ny mozikan’i Audran no nandravaka azy. Herinandro taty aoriana dia nolalaovina voalohany tao Ambatovinaky ilay tantara amin’ny teny malagasy nitondra ny lohateny hoe : “Zephine sy Armand” nosoratan’i Rajaonah Tselatra ary ravahan’ny hiran’i Rainizanabololona. Taorian’io dia nisesisesy ny filalaovana teatra tao na tamin’ny teny Malagasy izany na vahiny.  

AMBOHIPIHAONANA  

Any amin’ny teatra no lasa Ambohipihaonan’ny zanak’Iarivo.

Niroborobo ny famoronana tantara ho lalaovina sy hira nandravaka azy. Nanana endrika “operette” ny teatra Malagasy satria sady tenenina sy hiraina no fomba filalaovana azy. Fa ny teatra dia tsy voafetra amin’ny hira sy tantara fotsiny, fa ao anatiny koa ny fitafiana hanaovan’ireo mpisehatra, izay mihaingo fatratra tokoa.

Ny mpijery ihany koa dia notezaina hanao fitafiana mianjaika ho fanajana ny mpanankanto no anton’izany, nivoatra anefa ny fisehoan-javatra fa dia lasa toerana fampideran’ny zanak’Iarivo haingo sy firavaka ny tao Ambatovinaky. Eo amin’ny Pergola Antaninarenina no nifamotoana ny mpijery mialoha ny fiakarana eny Ambatovinaky, ny avy aty amin’ny faritra avo indray dia eo amin’ny Kianjan’Andohalo no mifampiandry mialoha ny fidinana ao Ambatovinaky. Rehefa vory dia miara miainga, ka toy ny mpilatro ny fahitana azy,  ny lalana manelanelana an’Antaninarenina sy Andohalo no toerana hanaovana ny filatroana.  

NY NANDRAVANA AN’AMBATOVINAKY 

Kolontsaina nampidirin’ny vazaha ny teatra, kanefa vao mainka nampiroborobo ny asa soratra malagasy, izay nifantoka tamin’ny fihavanana sy ny fanajana ray aman-dreny, ankoatra ny tantaram-pitiavana izay namporisihan’ny vazaha mafy.

Toerana nampidi-bola ihany koa Ambatovinaky, satria maro ireo fiangonana sy fikambanana nikarakara teatra tao ahazoam-bola.

Nandritra ny ady lehibe roa ( 1914-1918) sy ( 1939-1945) dia maro ireo fampisehoana natao tao Ambatovinaky nanangonam-bola nanampiana ireo miaramila tany an’ady.

Nivoatra ny asa soratra, nisy ireo mpanoratra sy mpamoron-kira nirotsaka tamin’ny famoronana hira na tantara manohitra ankolaka na mivantana ny frantsay, toa an’i Naka Rabemanantsoa, namorona ny hira mitondra  ny lohateny (Ray fody an’ala, Tandremo, Trarantitra sns..), tao koa ny Dokotera Rasamoely Lala nanoratra ny tantara  nolalaovin’ny Tropy Antananarivo Teatra mitondra ny lohateny hoe: “Ny fireneko”. Nisy fiatraikany tamin’ireo tia tanindrazana ireny rehetra ireny ka anisany nampiroborobo ny fitakiana ny fahaleovantena. Rehefa milamina ny raharaha 1947 dia nitady hevitra ny frantsay, ny handrodanana ny Teatra Monisipaly Ambatovinaky. Nolazaina fa efa mivava ny trano ka tsy maintsy ravana. Ny taona 1951 no notanterahina ny fandravana.  

ANALAKELY SY ISOTRY  

Tsy nanana toerana filalaovana teatra Antananarivo nandritra ny taona vitsivitsy. Ny taona 1956 no natsangana ny Teatra Monisipaly Analakely, ary efa niverina ny fahaleovantena no najoro ny Teatra Monisipaly Isotry.

Tsena no namboarina sy navadika ho trano fampisehoana, Ravaloson Charles izay niofana momba ny teatra tany Frantsa sy Ramanankasina Michelson manampahaizana momba ny taotrano no niara-namorona ny rafi-trano.

Nisy hatrany ny fanarenana sy fampitaovana ireo trano roa ireo, nataon’ny mpitondra ny Tananan’Antananarivo hatramin’izay. Tamin’ny fotoana nahaben’ny tanàna an’Andriamatoa  Razanamasy Guy Willy no vita ny fanarenana an’Analakely, ary nandritra ny nahaben’ny tanàna an’Andriamatoa Ravalomanana Marc no natao ny fanarenana an’Isotry. Novatsiana fitaovana toy ny fanamafisam-peo, ravaka, jiro, fanaka, ary Piano ireo toerana roa ireo.  

NY ZAVA-MISY ANKEHITRINY  

Ny teatra no zava-kanto mampiavaka an’Antananarivo amin’ireo tanàna hafa eto Madagasikara. Nahatsapa izany avokoa ireo mpitondra nifandimby teto amin’ny Tananan’Antananarivo hatramin’izay, ka nanampy arak’izay azo atao ny mpanao teatra. Nanomboka ny taona 2009 dia nihafihafy ny mpanao teatra amin’ny fampiasana ny trano, satria ny Analakely dia matetika misy fotoam-pivavahana amin’ny andavan’andro ary ny ao Isotry indray rehefa Alahady mbola misy mivavaka ihany koa, ka aorian’ny amin’ny 12ora atoandro, vao manomboka mandravaka ny sehatra izay hilalaovana ny tolakandro.

Ny fanamafisam-peo sy ny jiro ary ny ravaka dia efa potika daholo, tsy misy solony ka voatery tsy maintsy  manofa izay hiaka-tsehatra, kanefa ny mpijery vitsy dia vitsy, ka  tsy mahaleo ny sarany ny vidiny.  

LASA TRANO FIVOAHANA  

Raha nankalaza ny fahazato taonan’Ambatovinaky ny mpanao teatra niaraka tamin’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra tamin’ny taona 1999, dia nisy ny fanamby hamerenana amin’ny toerany ny Teatra Monisipaly Ambatovinaky, na dia tsy haverina ho toerana fanaovana fampisehoana aza, dia  hatao mozean’ny teatra, hitehirizana sy hahazoana  mikaroka ireo tahirin-kevitra momba ny teatra. Tsy tanteraka anefa izany satria lasa trano fivoahana no naorina teo amin’ilay toerana fanaovana fampisehoana voalohany teto Antananarivo Renivohitra….

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-09-13.

Miverina
footer-frame