MBA HATRAIZA MOA RY DADA
Mba hatraiza moa, ry Dada, ny fitiavako anao,
Ny halalin’ny finoako ny hakadirin’ny herinao ?
Ny tsangananao mitory izay herim-piniavana,
Ny fijerinao mitsilo... toy ny jirom-pitiavana !
Tiako ianao... toa fitia taratr’andro an-kamory,
Ka mandrendrika ny foko tsy hanahy, ho reno-tory.
Tiako ianao … toa fitia ny lalàna ankiray
Hamelomako ilay Afo mba hiredareda indray!
Tiako ianao, ankamamiako, toy ny tsiaroko fahiny...
Ireo tahiriko rehetra izay navalon’ny taloha :
Ny hazazàko, ny finoako, ny fifaliako ankehitriny,
Ny fahosàko rehetra rehetra izay miverina ao an-doha,
Ary sitrako indrindra...ianao no mbola ho ahy
Rahatrizay ka vovoka aho ary hiverina ho fanahy !
Clarisse Ratsifandrihamanana
NOSORATANA TAO ANATIN'NY FANGORAKORAHANA
Eritreritra, nofy mangina,
Hovitrovitra saika tsy re,
Kopak'elatra, ho aiza? - Hiampita.
Any an'inona? - Tany tsy hita.
Nefa feno ny zavatra irina,
Feno azy ary be dia be ...
Kopak'elatra ho aiza? - Hiampita...
Hovitrovitra saika tsy re...
Hovitrovitra... Ny antony? - Asa!
Fa malemy ny nofo ka jamba!
Toa fanahy no sisa mameno,
Izy ihany no sisa mba heno
Mampangina ny otan'ny lasa!
Ny vovoka,hiverina angamba...
Toa fanahy no sisa mameno,
Fa malemy ny nofo, ka jamba!
Dia fangorakorahana sisa...
- O! mbola olombelona ihany!
Vao tanora, ka ho lasa sahady?
Zanak'ondry, ka halavon'ny tady?
- Eritreritro tonga madisa,
Nifamatotra tsy hita lany...
Vao tanora, ka ho lasa sahady?
- O! mbola olombelona ihany!
Injao mihodina mora dia mora
Ny eritreritro lasa mandeha.
O ry fahatanorako ho fohy,
Fa efa miditra ilay lava-johy
Tsy ivelaran'ny tsiky tanora,
Na idiran'izay rehareha!
O! ry fahatanorako ho fohy,
Ny eritreritro lasa mandeha!
Toa voron-kiantefa any an-koatra
Izany fiaingany anatiko izany
Efa feno dia feno fanahy,
Vonombonona, tsy mba manahy...
Tebiteby, kanefa tsy loatra,
Tebiteby aminao, o ry tany!
Efa feno dia feno fanahy
Izany fiaingany anatiko izany!
Tebiteby... Mangina!
Mangina! Mangina, o ry nofoko ho rava,
Mangina, o ry nofoko omaly!
Fitsaharana anie hampifaly;
Raha ho lasa, veloma, masìna,
Any an-koatra, ilay Fiainan-ko lava!
Mangina, o ry nofoko omaly!
Mangina, o ry nofoko ho rava!
J. J. Rabearivelo
(Ny Mpandinika, N° 128, 7 mey 1926