Rakoto, na ilay mpanjaka nolazain’ny teny fanarabiana
hoe « Radama nanjaka tapany » dia teraka ny 23 septambra 1829 ary
maty ny 11 may 1863. Taona roa fotsiny no nanjakan’ity Mpanjaka ity fa novonin’ireo
mpanohitra azy izy noho ny pôlitikany izay nanome vahana ny Frantsay sy ny
Eoropeana. Fifanaraham-pirahalahian’i
Madagasikara tamin’i Napoléon III ary ny Royaume-Uni no nametraka an-dRadama II teo amin’ny
fiandrianany.
Ny 12 septambra 1862, dimy volana taorian’ny
nahafatesan-dRanavalona reniny (I), no niakatra teo amin’ny fitondrana Radama
II . Ara-panjakana dia zanaky ny Mpanjaka Radama I, Rakoto nefa nisy feo
nandeha tamin’izany fotoana izany fa zanak’ilay
Praiminisitra nantsoina hoe Andriamihaja, izay nifankahazo fatratra
tamin-dRanavalona I, izy . Ny Mpanjaka Radama I manko dia maty efa ho
herintaona mahery vao teraka Rakoto.
MPANJAKA TSARA
FANAHY “LOATRA”
Nalaza ho nalemy fanahy sy antra olona anefa ity
Mpanjaka ity ary tokony ho tsara fanjakana ihany. Ranavalona reniny, izay
nodimbiasany dia nasiaka sy nampahory ny olona noho ilay fanenjehana ny
fivavahana kristiana, hany ka nanjary mamy hoditra Radama II.
Vao nanjaka Radama II dia novotsorany ireo nigadra ary
nofoanany ny fampinomana. Tamin’ny fotoana najakany koa no nanafoanana ny lalàna
mahakasika famerezana olona ho andevo
noho ny fananan’olon-trosa amin’ny tena. Namela malalaka ny fivavahana
kristiana Radama II ary nampandroso ny
sekoly.
Anisan’ny fanovana goavana nentiny ny fanafoanana ny
fadin-tseranana ka nahazoan’ny vahiny niditra sy nivarotra malalaka. Tafiditra
teto Madagasikara avokoa na dia ny sinoa sy karana ary ny arabo nanao
raharaham-barotra, eny hatramin’ny espaniola sy ny rosiana aza.
Ny fotoana nanjakan-dRanavalona I moa no nandroahana
an’i Jean Laborde sy ny môpera Webers ary Lambert, hiala teto Madagasikara. Vao
nanjaka kosa Radama II dia niverina teto ireo vahiny ireo. Nanomboka nahazo
vahana teto ny finoana katolika satria afaka nahazo tany hanorenana fiangonana
sy trano sekoly teto Antananarivo.
Notendren’i Napoléon III ho consul frantsay teto Madagasikara I Laborde ary
Lambert kosa notendren-dRadama ho ambasadaoriny tao amin’ny fanjakana Frantsay!
Navaoziny koa ny fanekem-pihavanana tamin’ny Frantsay, izay nosoniaviny niaraka
tamin’I Dupré .
Anisan’ny nahasodoka an-dRadama ny fanomezana maro toy
ny satrok’andriana volamena sy ny kapaotim-piandrianana nitovy tsy nisy hafa
tamin’ny an’i Napoléon III nomen’ito farany azy. Nanjary namonjy fivavahana
tany amin’ny finoana katolika koa ny Mpanjaka ary nahazo fanomezana sarobidy
tamin’ny pape pie IX notrotroiny teo an-tratrany.
Io pôlitika nampanjaka ny Frantsay io no nahavoa
an-dRadama. Vao herintaona nanjakana izy dia sorena ny filoham-panjakana sy ny
mpitondra fivavahana anglisy. Nararaotin-dRainivohinahitriniony, praiminisitra
io fahalemen’ny Mpanjaka io ka nitaomany ny olona hanohitra azy. Niliba sy
nanitsakitsaka ny vadiny Radama, koa na Rabodo aza dia tonga nanotri-po taminy.
Ny paraiministra ihany no voalaza fa nitondra ireo
olona namono azy tao Manajakamiadana rehefa nanala sy namono ireo Menamaso sy
Rainiketaka lehibeny. Ireto olona ireto no voalaza fa nandray anjara tamin’ny
famonoana: Rainijohary, Rasoahary, Rainibeso, Ramiandravola, ary
Razafimandimby. Ara-tantara dia salaka landy no nanakendana azy ary notsatohana
fataka volafotsy ny tampondohany avy eo. Ny alin’ny namonoana azy iny ihany dia
nalevina teny Ilafy ary nambara tamin’ny vahoaka avy eo fa namono tena ny
Mpanjaka ka tsy azo itomaniana na isaonana. Rabodo vadiny, izay nantsoina hoe
Rasoherina no nadimby an-dRadama II teo amin’ny fiandrianany.