Fandre matetika ny hoe “Ny firaisan-kina no hery”. Mampiasa an’io fomba fiteny io avokoa rehefa te hanatanteraka fikasana. Dingana iray amin’ny an-tanan-tohatry ny fihavanana ny firaisan-kina. Fonosin’ny firaisan-kina koa ny hevitra iray, dia ny fifampitsimbinana, ary lalàna fototry ny filozofia Malagasy ao amin ny “Fanahy no olona”, io fifampitsimbinana io.
Azo atao tokoa ny miray hina, eny fa na dia amin’ny ratsy aza. Misy anefa ny voambolana milaza ny firaisana manao ratsy dia ilay hoe “firaisana tsikombakomba”. Avy hatrany dia melohin’ny fahendrena Malagasy io ka voasokajy ao anatin’io ny mpamosavy, ny mpandainga ary ny mpangalatra. Ireo toetra telo ireo dia tsy mankato ny fifampitsimbinana satria tsy mitondra soa ho an’ny besinimaro. Tokony tsy hohadinoina fa tsy olona natao hitoka-monina ny Malagasy na mponina anosy aza, fa nandala hatrany ny “tsimisaramianakavy”. Ilay fifampitsimbinana manko dia nifantoka tamin’ny fitsimbinana ny ain’ny tena sy ny ain’ny hafa koa noheverin’ny Malagasy fa manala aina mihitsy ny zavatra ataon’ny mpamosavy sy ny mpangalatra ary ny mpandainga.
Fa eo amin’ny zava-mahatratra ny olombelona no tena anehoana ny firaisan-kina. Anisan’izany ohatra ny voina mpahazo ny olombelona:
“Ny firaisan-kina no fanalam-pahoriana” hoy ny Ntaolo.
Amin’ny andro manjombona tokoa no isehoan’ny fifampitsimbinana ka ahatsapan’ny fiaraha-monina fa ny “voin-kava-mahatratra”. Anisan’ny voina ifamonjena ny fahafatesana, ny tondra-drano, ny mosary sy ny loza voajanahary mety mahazo ny faritra iray na olona iray na fianakaviana iray na maromaro. Amin’ny ankapobeny dia tokony hanaitra ny besinimaro ny zava-manjo tahaka izany. Tsy voataiza tao anatin’ny fahendrena Malagasy intsony anefa isika mianakavy ka mety tsy ahatsapa akory ny fisian’ny voina mahazo ny mpiara-belona. Porofo mitohaka amin’ny tenda ny mahazo ny firenena ankehitriny. Noho ny krizy efa saiky tandra vadin-koditra, niampy trotraka tamin'ny valan'aretina, dia maro ny very asa, betsaka no maty noho ny tsy fisian’ny tena fiahiana ny resaka fiaraha-monina sy ny fiharian-karena. Tsy mety miray hina hanalana ny fahasahiranana anefa ny Malagasy fa midongy zihatra amin’ny samy maka ho azy. Eo no mahalasa ny fisainana ka mahatonga hieritreritra fa miaina ao anatin’ny firaisana tsikombakomba isika mianakavy.
Manaitra antsika ny fahendrena Malagasy amin’ireto ohabolana ireto:
“Tsy mety raha mamporisika ny amboa ho firain’ny lambo.”
“Tsy mety raha manao ankizivavy may trano ka ny trano may tsy hitany fa ny may ao ny varin-janako no ambetin-teny”.
Ramasinirina (Meteza ho olom-pirenena vanona).