Hoy I Koffi Annan fony izy Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana,
raha niresaka ny “olom-banona” ao anatin’ny firenena demokratika: “Tsy misy olom-pirenena tonga dia olom-banona,
ary tsy misy firenena tonga dia demokratika hatrany am-piandohany”
Araka izany, na ny atao hoe olom-banona na ny demokrasia dia samy
dingana mitohy mandritra ny androm-piainan’ny olom-pirenena iray manontolo.
Toetra anankiray dradradrain’izao tontolo izao mahalavorary ny maha olom-banona
sy ahatongavana any amin’ny demokrasia ny fandeferana. Tsy ambakan’io
fiheverana io ny filozofia Malagasy mifototra amin’ny “fanahy no olona”.
Maro ny ohabolana Malagasy no mampianatra antsika mba handefitra. Tsy
fandeferana mba hanekena ny fanitsakitsahina ny rariny sy ny hitsiny anefa
fa mampianatra kosa tsy hibahan-toerana
na hanampatra hery sy fahefana. Heverin’ny Ntaolo fa manana ny anjara-toerany
ny tsirairay ao anatin’ny fiaraha-monina ka izany no tokony hifampitsimbinana mba hampirindra azy, satria
“Ny akondro no mivonkina dia toeran-kifandeferana”
“Lohalika no komavoka: mihenjana; leferana no mandina;
mandefitra”
Voamarika kosa anefa fa misy amin’ireo mpanao pôlitika
sy mpitarika isan-tokony izay tsy mitsahatra mampiseho fandeferana no tonga amin’ilay
ohatra hoe:
“Mahay mandefitra ka tsy ory olon-tiana”
METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA, Ramasinirina.