REHEFA HIPOAKA NY SAROM-BILANY...

Farafaharatsiny, indray mandeha eo amin’ny fiainany ny olona anankiray dia mifanehatra amin’ny tranga izay manosika azy hijoro amin’ny fahamarinana. Mety ho noho ny fiarovana ny tombotsoany manokana izany, mety noho ny fahitana koa fa “feno ny kapoaka” ka ampy ny fahanginana naharitra ela. Tonga amin’ilay ohabolana hoe: 

“Bibilava ela niforetana ka mba hitsotra kely ho hitan’ny olona”

 Ampiasaina io oham-pitenenana io rehefa misy marina tiana aseho. Karazana fialan-tsiny alohan’ny hamosahana ny marina tiana hambara izy io. Ny nisafidianana ny bibilava dia noho ny hevitra fonosiny teo amintsika Malagasy. Ao tokoa ireo manome hasina ity biby ity, ao ireo mihinana azy mba ho sakafo mahavelona, ary fantatra koa fa misy ny karazan’itony biby itony, izay mitondra poizina. Mampitandrina araka izany  izay mandray fitenenana, fa izay ho ambarany dia mety hanankasina, na hamelon’aina na hitondra poizina. Ary izany tokoa ny marina. Tsy azo lavina fa noheverina ho masina ny fahamarinana. Mety hanavotra ny ain’izay mitandrina azy izy ary mety hanapoizina rahateo izay manitsakitsaka azy.

Nandala mandrakariva ny “marina” ireo Ntaolo razantsika ary tamin’ny andron’Andrianampoinimerina dia nataony kabary ho an’ny vahoaka mihitsy ny fandalana azy io. Tranga efatra no nolazain’ny Ombalahibemaso azo hitarafana ny tsy fanajana ny fahamarinana dia ireto avy: 

1)    Ny fisian’ny olona tsy miasa nefa manam-be izay tondroiny ho “fodilahy mena”

2)    Ny manao fanompoan-kendrihendry, izany hoe mody mandray anjara nefa miala adidy no tena marina.

3)    Ny mitady tany malemy hanorenam-pangady: mitsoaka ny zara-tany nomena azy fa kamo hanamaintimolaly ny tany.

4)    Ny mivarotra ny zaratany omena ny tena.

 Efa tamin’ny andro taloha no nisian’ireo toetra ratsy ireo ary mandrak’ankehitriny dia fantantsika fa mbola maro no mampiseho azy ireo . Tsy ahasakana ny haratsiam-panahin’ny olona anefa ny tsirairay fa heverina kosa fa raha te ho olom-banona dia adidy ny tsy miray tsikombakomba amin’ny olona toy izany. Tsy ny olom-banona velively no hanome vahana ny fanetriben’ny Firenena satria hoy ny Ntaolo

“Tsy mety raha manao volo ngita mifandray tendro,  homba ny ratsy”.  Ary indrindra, “Aza ny fitiavan’avoko no hihinanana soamalandina”.

Lesona azontsika isaintsainana amin'izao vaninandro izao ireo fahendrena avy amin'ny razambe ireo.

METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA. Ranasinirina.


Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-08-17.

Miverina
footer-frame