06 AOGOSITRA 1896 :
114 TAONA NAHAZANATANY AN’I MADAGASIKARA
Tantara tsy azo
kosehina ny nahavery ny fiandrianam-pirenentsika 114 taona lasa izay. Raha
tsiahivina dia nisy dingana roa ny faharavan’ny fanjakana malagasy :
Ny 30 Septambra
1895 mbola ny Mpanjakavavy Ranavalona
III no teo amin’ny fanjakana, dia nisy ny tifi-tafondro nataon’ny tafika frantsay niainga avy eny Andrainarivo,
namely ny tanàna masina Anatirova. Tsy nahasehaka izany tifi-tafondro izany ny
tafika malagasy ka voatery tsy maintsy nampanangana saina fotsy ho mariky ny fanekena
fa resy. Ny ampitso 01 Oktobra 1895 dia
nentin’ny kolonely Gérard ny taratasy efa vita sonia tany Frantsa, izay
manambara fa i Madagasikara dia tany eo ambany fiahian’ny frantsay, izay midika
hoe : mijanona amin’ny toerana maha mpanjaka azy ny Mpanjakavavy Ranavalona III saingy tsy manana fahefana, Ny
Praiministra Rainilaiarivony dia miala amin’ny toerana ary nosoloana an’i
Rainitsimbazafy. Ny tena tompon’ny fahefana dia ny Résident Général frantsay,
ny Jeneraly Duchesne.
Ny 22 Novambra
1895, andron’ny fandroana dia nihetsika
ireo tia tanindrazana, Menalamba tany Amboanana Arivonimamo notarihan’ny
mpirahalahy dia i Razafivoavy izay nitondra ny solon’anarana hoe « Rainisongomby »
sy Benahy nitondra ny solon’anarana hoe « Ilaitangena ». Tsy nilamina ny tany, namono misionera sy
vazaha ary nandoro trano fiangonana izy ireo. Nahery vaika ny hetsiky ny
Menalamba satria nihitatra tany amin’ny faritra maro. Tsapan’ny frantsay fa tsy
misy fomba ahafahana manapotika ny tolon’ny Menalamba afa tsy ny fanesorana
tanteraka ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy ny fametrahana an’i Madagasikara ho
zanatany frantsay tanteraka.
Nandray fanapahan-kevitra ireo parlemantera frantsay nivory tany Brest
fa hatao zanatany frantsay i Madagasikara.
Ny 06 Aogositra 1896 no nivoaka io lalana io, izay midika hoe miala eo
amin’ny seza fiandrianana ny Mpanjakavavy Ranavalona III, miala ihany koa ny
Praiministra Rainitsimbazafy, mody ny Résident Général, fa ny jeneraly Galliéni
no mitondra ny tany sy ny fanjakana, “Gouverneur
Général” no anarana nentiny.
06 AOGOSITRA 1946
Taorian’ny ady lehibe faharoa (1939-1945) dia nahatsiaro tena ireo tia
tanindrazana Malagasy ka nanangana ny antoko MDRM (Mouvement Démocratique pour
la Rénovation Malgache). Ireo mpianatra sy mpiasa Malagasy nonina tany Frantsa no
nanangana izany.
Ny 22 Febroary 1946 no nahazo ny fankatoavana ara-panjakana ny MDRM, tao
Neuilly, Paris ny foibeny, kanefa vetivety dia niely taty an-tanindrazana ny
vaovao ka nijoro ny sampana maro manerana an’i Madagasikara. Sahiran-tsaina
noho izany ny frantsay ka voatery nampanangana antoko iray hifampitana amin’ny
MDRM.
Ny 06 Aogositra 1946 nahafeno dimampolo taona katroka ny nahazanatany
an’i Madagasikara dia nifanaraka ireo
tia tanindrazana Malagasy fa hatao fisaonam-pirenena io vaninandro io ary tsy
hisy gazety hivoaka, fa raha misy aza dia asiana tsipika mainty ho mariky ny
fisaonana.
Io andron’ny 06 Aogositra 1946 io no nijoro ny antoko PADESM (Parti des
Deshérités de Madagascar). Ireo maintienindreny teto Imerina no nitarika izany,
taty aoriana anefa dia ireo avy any anindrantany indray no lasa lohany tao.
Nanomboka teo ny fifanandrinan’ny MDRM sy ny PADESM ary mbola misy
hatrany izany na dia efa niverina ny fahaleovantena ny taona 1960.