Anisan’ny oham-pitenenana fampiasantsika io hoe manao fanjakan’i Baroa io. Ara-keviny dia hanondroana ny olona izay tsy manara-dalàna fa manampatra fahefana ho amin’ny tombotsoany manokana. Matetika dia ireo olona mitantan-draharaha ka manao tsinotsinona ny lalàna velona mitondra ny tany sy ny fanjakana no atao hoe « manao fanjakan’i Baroa ». Ilazana koa anefa io fomba fiteny io, ireo olon-tsotra maka an-keriny, mandroba na mamono olona mihitsy aza. Raha fehezina dia mitovy hevitra amin’ny hoe « manao izay danin’ny kibony ». Ara-tantara dia havan’ny mpitondra tamin’ny faha mpanjaka no nivoahan’io oham-pitenenana io. Nanararaotra ny naha havan’andriana azy ny olona anankiray ka nampijaly ny vahoaka tamin’ny fampanaovana asa mihoampampana azy ireny na ny fangalana vokatra an-keriny na fampandoavam-bola, ankoatra ny hetra izay tsy maintsy omena ny fanjakana. Rehefa nahare izany ny mpitondra tamin’izany fotoana izany, dia nanambara fa ny « andriana tsy mba roa » ary nolazaina fa avy amin’io « mba roa »io, nentina nanesona ity mpisandom-pahefana ity, no nahatonga ny anaram-bositra nentiny hoe « baroa ».
AZA MANAO AN’ANDRIAMANITRA AZOKO AM-PO
Ity oham-pitenana io dia nataon’Andrianampoinimerina mba handraràna ireo olona izay manana ilay toetran’I Baroa: mandroba, manararaom-pahefana, mamono olona. Misy tohiny manao toy izao io ohabolana io :
“Aza manao Andriamanitra azoko am-po, ka ataoko ihany fa tsy maninona”.
Izany hoe matoky dia matoky fa tena tian’Andriamanitra ka afaka manao izay rehetra tiana atao na dia mifanipaka amin’ny didin’Andriamanitra aza.
Moa va tsy toy izany ny ankabeazan’ny toetrantsika olombelona? Misy tokoa ny olona izay miafina ao ambadiky ny fivavahana mba anatanterahina zava-maro mamoafady. Nanjary adino ny fototra ijoroan’ny fanahy no olona izay mitsinjo mandrakariva ny fitsimbinana ny namana sy ny mpiara-belona.
Manitsy izany toetra ratsy izany anefa ny ohabolana ka mananatra antsika manao hoe:
“Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha”