NY INDIGENAT: FOMBA NANGEJANA NY MALAGASY

Ny 15 Novambra 1924, 96 taona lasa izay no nivoaka ny lalàna momba ny "indigenat". Fomba natao hangejana ny malagasy ny "indigenat", ka ny malagasy tsy manana ny zom-pirenena frantsay na citoyen no nantsoina hoe "indigène", izany hoe : raha tsorina dia ny ankamaroan'ny malagasy. Niavaka manokana tamin’izany ny asa fanompoana nosarotsaromana tamin’ny hoe “Travaux d’interet general” sy ny “hetra isan-dahy”…

NY ASA FANOMPOANA NY HETRA ISAN-DAHY

Ny "indigene" dia tsy maintsy manao ny asa fanompoana, tsy andraisam-bola izany fa maimaim-poana, ankoatr'izany dia nisy koa ny nantsoina hoe hetra isan-dahy, vola takiana amin'ny vatan-dehilahy feno 21 taona. Ny tsy fanatontosana ny fanompoana sy ny tsy fandoavana hetra isan-dahy dia miteraka fidirana an-tranomaizina.

NY FITSABOANA

Tsy nitovy ny fitsaboana tamin'ny andron'ny "Indigenat". Ireo dokotera nivoaka tao Befelatanana dia nantsoina hoe  "Medecin de l'AMI" (Assistance Medicale aux Indigènes).

Natao hitsabo ny sarababem-bahoaka izy ireo fa ny "citoyen" kosa dia mpitsabo niofana tany ivelany no nitsabo azy ireo. Na izany aza anefa dia manana ny fahaizany sy nikoizana ireo dokotera nivoaka tao Befelatanana.

Sahirana ny vahoaka malagasy ankehitriny indrindra eo amin'ny lafiny fitsaboana, ny tobim-pahasalamana tsy misy fanafody, izay miditra hopitaly raha tsy manambola dia efa manomana vatampaty.

NY FILAMINANA: GARDE INDIGENE SY NY FITSARANA

Herim-pamoretana mitam-piadiana ny "garde indigène",  natao hanaramaso ny fihetsikin'ny teratany malagasy,  taty aoriana dia niova anarana ho "garde de Madagascar" ry zareo, nony niverina ny fahaleovantena tamin'ny taona 1960, dia ireo no navadika ho "gendarme" na "gens d'armes", ara-bakiteny dia ry zalahy manam-piadiana.

Tsy mitovy ny fitsarana, nitsarana ny "indigène" sy ny "citoyen", na dia heloka mitovy aza ny natao. Sarotsarotra ho an'izay "indigène" nanao fahadisoana ny ho afaka amin'ny raharaham-pitsarana, ny fahazoany mpisolovava hiaro koa nanahirankirana tamin'izany.

Ankehitriny, dia anisan’ny firenena mahantra indrindra eran-tany I Madagasikara. Tsy nisy nahalala iay niainana tany aloha tany, fa raha ny hita dia mbola misy hy fanompoana fa niova endrika fotsiny. gvy fomba fisehony no miova, satria ireo rehetra izay namoritra ny vahoaka malagasy dia mpanompon’izay mampamono  avokoa, ny fanampenam-bava ny  vahoaka tsy haneho hevitra dia efa manasokajy azy ho isan’ny  mpanompo. Ny fampandadiana rariny ny vahoaka amin'ny mpitondra dia endrika fampanompoana. Ny hetra isan-dahy indray dia efa nofoanan'ny Jeneraly Ramanantsoa tamin'ny taona 1972,

Efa malagasy avokoa ireo mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemana ankehitriny. Tsy mbola tena tonga any amin’ny lafatra anefa, ary mbola maro no mihevitra fa lasa herim-pamoretana fotsiny ireny manao fanamiana ireny.

Feno enimpolo taona ny niverenan'ny fahaleovantena, feno enimpolo taona koa ny foloalindahy, feno 56 taona ny nanoloran'ny fanjakana frantsay antsika malagasy ny Lapan'ny fitsarana  ao Anosy ary efa foana ny "indigenat", niforona 96 taona lasa izay.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-07-30.

Miverina
footer-frame