NY FAHAIZANA MIFANDAMINA

Anisan’ny fepetra manan-danja ho an’ny fandrosoan’ny Firenena rehetra eran-tany ny filaminana, satria raha tsy eo ny filaminana dia tsy misy fandrosoana. Tsy maningana akory ny Malagasy fa na ireo Ntaolo razantsika aza mba efa nitsimbina mandrakariva ny filaminan’ny fiaraha-monina, saingy isika mianakavy mihitsy no azo lazaina ho tsy mandinika sy manao an-ditra matetika. Ny fianana tokoa manko dia tsy ilaozan’ny fifanolanana ka izay no nivoahan’ny hoe : Ny isavorovoroan-kilantoana.

 

Tsy mety hilanto ho azy ny savorovoro fa tsy maintsy misy finiavan’ny singa rehetra ao anatin’ny fiaraha-monina handamina izany. Fepetra voalohany tokony ampiharina ny fahatsapana ny hadisoan’ny tena:

Izay tsy miady olom-bodo fa izay to fo mpamosavy.

 

Heverin’ny Ntaolo fa lalana maintsy lalovana ny fifandirana, kanefa ny minia mampitarazoka izany dia nosokajiana ho “ilay ratsy indrindra ” ao Misy fiandohany ary misy fiafarany mandrakariva  ny toe-javatra anankiray. Heverin’ny Ntaolo fa lalana tsy anatin’ny fiaraha-monina ary nolazainy fa: Faly  am-panaovan-dratsy toa mpamosavy.

 

Ny korontana sy ny savorovoro dia mazava loatra fa tsy mampirindra ny fiainana amin’ny ankapobeny mihitsy. Tsy mijanona eo amin’ireo mifanditra tsinona ny akon’ny korontana fa miantraika amin’ny besinimaro. Matetika aza dia ireo tsy manan-tsiny no mibaby ny vokatry ny di-dohan’ny ngeza sy ny vaventy mifampila kisa ka tonga amin’ilay fitenenana hoe: Mikorontana foana ny sahafa sy ny fanoto fa ny vary ihany no voatorotoro.

 

Raha ny zava-mitranga eto Madagasikara efa ho folo taona izay dia tena mampivarahontsana mihitsy ny vokatry ny tsy filaminana ara-politika satria mampisara-bazana ny Malagasy tsy vaky volo, mitondra fahantrana ho an’ny Firenena sy ny mponina ao aminy ary indrindra mitarika tsy fandriampahalemana eo anivon’ny fiaraha-monina.

Heverina fa tena fotoana tokony itodihantsika any amin’ny fahendren-drazana izao koa samia àry miezaka mba hampitony ny adilahy politika.

 

Ataovy toy ny fikajiana ny lamba  ny fikajiana ny filaminana: raha vao rehareha, raha madio voninahitra, raha tonta adidinao ary raha rovitra andraikitrao tompony.


"METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA. Mpanantontosa: Ramasinirina


Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-07-20.

Miverina
footer-frame