Anisan’ny an-tanatohatra iray toavin’ny Malagasy Andriamanitra na Zanahary na Andriananahary. Nosokajiany ho nahary tongotra aman-tanana azy: Aleo meloka amin' ny olombelona toy izay meloka amin' Andriamanitra.
Tompon’ny farany ka natahorana mafy manoloana ny fitondrantena. Ao amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny fanahy no olona dia ny fahatahorana an’Andriamanitra no tsy hanaovan-dratsy ary izay ny fepetra mba tsy ahavery ny fanahy sy hananam-pânahy: Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon’ny loha.
Natahorany indrindra ary antsoiny hiaro azy amin’ny zava-dratsy: Andriamanitra tsy andrin' ny sasany, andriko ihany
Ny
famalian' Andriamanitra no fampiononan-tena amin' ny ratsy ataon' ny sasany, na
ho ela na ho haingana:
Bibilava vonono: tsy tongotra hitsipaka, tsy
tanana handrangotra, fa Andriamanitra no andrasana
Eto dia mifamatotra amin’ny finoan’ny Malagasy ny fisian' ny tody, na koa ny fomba na ny fitahian' Andriamanitra an' ireo malemy sy osa, izay tsy manan-kanoherana ireo mpanao tsindry hazo lena na kely tsy mba mamindro, ny ohabolana. Mety ho ireo osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin' ny tenany raha misy mamely azy koa no hilaza io ohabolana io ary matoky izy ireo fa Andriamanitra no hamaly izay mampahory azy. Marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara. Ninoan’ny Ntaolo fa alahatr’Andriamanitra ny fotoana hivadihan’ny rasa ka izay ataon’ny olona amin’ny mpiara-belona aminy no tsy maintsy ataon’ny hafa aminy any aoriana any. Anarana farany izay ratsy indrindra omen’ny Malagasy ny tsy manaja ny fahamarinana ny hoe : “Ilay tsy mataho-tody”, izay azo adika ho tsy matahotra an’Andriamanitra. Tsy mahalasa fisainana ny manao ny marina loatra ny fisian’ny tody sy ny tsiny satria tsy manahirana azy noho ny fiheverany fa manao ny tsara izy. Manana ilay herim-panahy mandala ny marina sy ny rariny, izay zava-tsy mora ka mety tsy ho vitan’ny kanosa. Na Andrianampoinimerina aza efa nilaza fahiny fa izay tsy manota omban’Andriamanitra. Tena finoan’ny Ntaolo io fiarovan’Andriamanitra io arak’izany. Ny zanatohatra ahafahana mahazo ny fitahian’Andriamanitra anefa raha ireo ohabolana no jerena dia ny fahamarinana.