NY FOMBA FIFEHEZANA (ANDRIANAMPOINIMERINA)

Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, rehefa voatokony ho enina Imerina dia nametrahany olona isan-tokony hitana azy. Izy roa ambiny folo mirahalahy ireto no natao masoivohon’ny Fanjakana mba handrian’ny tany fahalemana. Ny hafatra fototra di any hoe: “Ny fitondrana ny olona toy ny fotaka : raha gejana mafy loatra, dia miporiatra, fa kenakenaina no hahatanana azy”. Fa nisy ihany ko any fehikevitra telo nanafatrafaran’ny Ombalahibemaso ireo roambinifolo lahy ireo:

Tsy menamaso, tsy matahotr’olona, tsy manetry montotra

Noharin’ny Mpanjaka tamin’ny andry izy roa ambiny folo lahy ireo ary nolazainy fa tokony ho azo ianteheran’ny vahoaka no sady antoky ny Fanajakana. hoy indrindra . Andrianampoinimerina:

Raha potraka ny andry, rava ny trano

Fantatr’Andrianampoinimerina fa any anivon’ny fiaraha-monina any no tsy maintsy hisy hanao izay haminganana ireto masoivohony ireto mba handrondanana ny Fanjakana ka  namporisihany izy 12 lahy, taorian’ny nanendreny azy ireo, mba ho mailo tsara.

Tandremo, hoy ny Ombalahibemaso, sao voafita-jaza

fa maro ny zaza maniry ny trafon’ombalahy

 

Ny rafi-pitondrana demokratika  dia mampifototra ny fitantanana amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananam-bahoaka. Faritany araka izany,  fa tokony hifameno ny asan’ny matihanina amin’ny fandriampahalemana (mpitandro filaminana) sy ny vahoaka ary ny paikady natao hitondrana izany fandriampahalemana izany.  Raha oharina amin’ny soatoavina Malagasy io fifamenoana takian’ny demokrasia io dia tsy inona akory fa ny firaisan-kina.

METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA.

MPANOLOTRA: RAMASINIRINA



Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-07-09.

Miverina
footer-frame