TSY TIAN'NY NTAOLO NY MIZAHOZAHO SY MIDEDADEDAKA

Anisan’ny hanankianan’ny Ntaolo ny olombelona ao anatin’ny fiaraha-monina, ilay toetrany « tia zahozaho », sy ny « dedaka ». Ny dedaka moa, araka ny famaritana nomen’I Rajemisa ao amin’ny firaketana, dia ny olona « mihetsiketsika be, nefa tsy hita izay vita, lasan-ko vavany ». Ohabolana iray nangonin’i Houlder tamin’ny 1895 no manome kisarisary netin’ny Ntaolo hiomehezana ny olona dedaka : «  Dedaka tonga rafozana, ka trano bongo ka asiam-pandri-baratra; akoho ka nindramam-pamaky; vola venty ka ampanjanahina; eranambatry ka atao telo fonosana ».

Ny olona tia zahozaho kosa dia ilay mihambo hisahana zava-maro nefa ny traikefa sy ny enti-manao na manatanteraka, tsy ananana akory. Ilay fizahozahoana fotsiny no manosika ny olombelona sasany hibahan-toerana eo amin’ny andraikitra ohatra ka na raharaha efa hitany fa tsy ho tratrany aza ny fanatontosana azy dia hisisihany ihany ny fitantanana azy. Hoy indrindra ny ohabolana manondro ireny olona ireny :

«Be famangitra toa rambon’osy ka ny lanitra tsy hianjera no tohanana»

Ny famangitra moa eto no manondro ilay toetra tia zahozaho, mitovy hevitra amin’ny hoe “famaritana”. Ny rambon’osy dia tena farany izay fohy fa tsy mitovy amin’ny rambon’ omby ohatra. Somary mitsangana manondro lanitra izay ilay rambon’osy ka fanesoana ihany no lazain’ity ohabolana ity. Hafahafa ny endriky ny rambon’osy ka nahatsikaiky ny mpandinika. Ny rambon’ny biby hafa manko misy asany avokoa, ny rambon’omby ohatra dia ampiasain’ilay biby hikapohana ny lalitra mipetaka amin’ny tenany. Raha hitarina ilay sary dia ilazana fa tsy misy asany ary tsy mahavita n’inon’inona akory ny rambon’osy. Nakisaky ny Ntaolo io sary hitany io ary nentiny teny amin’ny fiaraha-monina. Nosahalainy tamin’ny toetry ny rambon’osy ny toetr’olona matikambo hanao zavatra nefa efa fantatra hatrany am-piandohana fa tsy ho vitany akory ilay asa notetehany. Azontsika raisina ho ohatra ny fitantanan-draharaha. Misy ireo olona, na antokon’olona misandoka mahay mitantana. Noho ny fahaizana miresaka na mandrebireby ny manodidina dia reseny lahatra ny olona fa ho vitany ao anatin’ny fotoana fohy  ny zava-tsarotra tsy vitan’ny hafa nandritra ny taona maro. Fangitany ho atao amin’ny alalan’ny kobaka am-bava ny tetikasa marobe kinanjo miandry an-taonany maro eo ny olona, fa tsy misy tanteraka akory izay nokasaina. Izay voa loa-bolana ny rehetra fa hay “be famangitra toa rambon’osy” fotsiny ity nametrahana fitokisana.

Raha anontaniana ny antony tsy nahatontosany ny asa anefa ny olona toy izany dia manilika andraikitra fotsiny ihany no ataony. Tsy hiova mandrakizay anefa io toetra be tetika fa tsy mahavita zavatra io satria ny tsy fahazarana niantsoroka adidy  matetika dia maniraka ny olona handainga sy hamitaka ny mpiarabelona aminy. Anjaran’ny olombanona kosa no tsy manaiky horebirebena ka hanome fahefana sy andraikitra ny olona be famangitra toa rambon’osy. Manoloana ny trangan-javatra toy io voalaza io dia adidin’ny olombanona no mampahatsiahy amin’izay nametrahany fitokisana ka manontany azy ireny. Ity ohabolana ity izao dia anisan’izay fanontaniana izay:

Nahoana no atao hoe : be ny raharaha, ka ny voly vary indray no tsy efa

Ity ohabolana ity dia mamaritra mazava tsara fa tokony ho vain-dohan-draharahan’ny Malagasy ny fambolem-bary. Mbola mitombina ny hevitra fonosiny satria hatramin’izao aloha n’inon’inona sivilizasiona sy kolontsaina nentin’ny fanantoloana dia mbola tsy nanary ny fihinanam-bary ny Malagasy. Efa nisy teto amin’ny firenena, fitondrana nanandrana nampihinana karazan-tsakafo hafa ny Malagasy saingy tsy niantefan’ny sainy loatra ny hisafidy ireny karazan-kanina ireny. Karazan’ny manao kitoatoa ihany izay mpamboly tsy miraharaha ny famokaram-bary. Ny eny ambanivohitra, izay tsy mba mananan fidiram-bola raikitra dia tsy maintsy manao izay ahatsara ny voly variny raha tsy te ho faty mosary. Azo akisaka koa ny hevitr’ity ohabolana ity ka ny voly vary dia azo ampilaharina amin’ny raharaha sahanin’ny isam-batan’olona. Ny foto-pivelomana no tiana ho resahina eto. Ireo manao antsirambina ny fotom-pivelomany fa variana amin-javatra hafa dia iantefan’io fanontaniana io koa. Fa ho an’ireo mpitantana na amin’ny sahatra inona na amin’ny sehatra inona koa dia azo ampangaina toy ny rehetra: raha milaza ho mpitantana firenena ohatra ny olona ka tsy mahasahana ny vahoaka entiny na manadino mihitsy ny vahoaka fa lany andro mikaroka ny tombotsoany manokana dia zon’ny vahoaka entiny no manontany azy ireny hoe “Nahoana no milaza ho be raharaha nefa ny fiainanay vahoaka, izay tokony ho vain-dohan-draharaha tsy misy tokotaniny?”

Na ny be famangitra toa rambon’osy na ny tsy mahefa ny vain-dohan-draharaha dia samy toetra tsy mendrika  ny olom-pirenena vanona avoka. Anjarantsika àry ny manitsy ny toetrantsika tsirairay sy mifanitsy ao anatin’ny fiaraha-monina mba hifandrindrantsika samy mpiara-belona.

Koa aza mba rainidedaka ihany, sao manko lasa toy ny  Sabora raikimolaly : na manitra aza mangidy.

METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA, Mpanolotra: RAMASINIRINA 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-06-29.

Miverina
footer-frame