Firenena efa nahaleotena i
Madagasikara talohan’ny nivoahan’ny lalàna nametra ny naha-zanatany frantsay
antsika tamin’ny 06 Aogositra 1896.
Nanana ny
fiandrianam-pirenena isika Malagasy tamin’ny fahampanjaka, afaka nifandray
tamin-kalalahana tamin’ireo firenena maro manerantany sady firenena neken’izao
tontolo izao ihany koa. Niverina ny fahaleovantena tamin’ny 26 Jona 1960. Aiza
ho aiza anefa ny misy ny firenentsika amin’izao fotoana izao?
TSY AFA NANOATRA
NY FRANTSAY
Voaporofon’ny tantara fa tsy nanaiky ny
fanjanahantany hatramin’izay ny Malagasy. Vao ny lalàna mametra ny nahatany teo
ambany fiahian’ny frantsay, tamin’ny 01 Oktobra 1895 fotsiny no nivoaka, ny 22
Novambra 1895 dia efa nihetsika ny Menalamba, niainga tany Amboanana
Arivonimamo. Nisy foana ny hetsika nanoherana ny fanjanahantany, toy ny VVS
nanomboka tamin’ny 1913, ny Sadiavahy tany atsimo, ny hetsika Ralaimongo, ny
raharaha 1947.
Nisy ny ady lehibe roa natrehin’ny frantsay
(1914 - 1918) sy (1939 - 1945), nanampy ny firenena nanjanaka azy avy ireo tany
voazanaka rehetra.
Rehefa vita ny ady lehibe faharoa
dia nihetsika i Afrika manontolo nitaky ny fahaleovantena, tsy afa nanoatra ny
frantsay ka tsy maintsy namotsotra ireo zanataniny, ny hany faraheriny dia
nitady ny fomba hampiharana ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao.
NY REPOBLIKA ALOHA
Mba hametrahana ireo zaza navela
hampihatra ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao dia nampanao
fitsapan-kevi-bahoaka ny frantsay taty amin’ireo zanatany frantsay maro.
Ny fanontaniana nitsapana ny hevitry ny
vahoaka dia ny hoe : « Ekenao ve
ny Repoblika ao anatin’ny firaisambe frantsay? » I
Guinée notarihan’i Sekou Touré ihany no nandà io volavolan-kevitry ny frantsay
io. Ny teto amintsika dia nandresy ny “Eny” na dia nahazo ny vato betsaka aza ny “Tsia” teto Antananarivo Renivohitra sy teto amin’ny
faritanin’Antananarivo.
Ny 23 Septambra
1958 no natao ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny 14 oktobra 1958 no nambara fa
Repoblika ao anatin’ny firaisam-be frantsay i Madagasikara. Teo amin’ny
kianjan’Andohalo no najoro ny tsangambaton’ny Repoblika.
Ny Repoblika
raha tsorina dia endrim-pitondrana entin’ny olom-boafidy, izany hoe tsy
mpanjaka akory no mitondra.
Izay antony izay
no hanaovantsika ny fampitahana amin’i Maraoka, firenena atsy Afrika avaratra,
zanatany frantsay mitovy amintsika ary samy nalefa zanatany ny mpanjaka
nitondra tao aminy, nony tonga ny frantsay. Ny antsika ny Mpanjakavavy
Ranavalona III nalefa tatsy amin’ny Nosy La Réunion avy eo nafindra tany
Alzeria, ny andry zareo Maraokana ny Mpanjaka Mohamed V nalefa sesitany taty
Madagasikara, tetsy Amparibe sy tany Antsirabe no nonina niaraka tamin’ny
taranany io mpanjaka io.
Ny Mpanjaka
Hassan II izay vao niamboho taona vitsivitsy lasa izay aza, dia teto
Madagasikara no nandany ny fahazazany. Saingy taty aoriana rehefa samy
navotsotra ny zanatany, ny an-dry zareo Maraokana niverina teo amin’ny
fiandrianana ny taranakin’ny Mpanjaka, fa ny antsika Malagasy, natao fady
izany. Ny fametrahana ny Repoblika aza, dia filazana ankolaka fa tsy tokony
hitondra ny Merina.
NIVERINA NY FAHALEOVANTENA
Rehefa
tafapetraka soa aman-tsara ilay Repoblika dia nomena ny fahaleovantena, mazava
f’ilay nasaina nitondra ny Repoblika no namporisihana nangataka ilay
fahaleovantena, sarintsariny no azo iantsoana ity fahaleovantena azo satria
mbola ny frantsay ihany no ilan-kevitra amin’izay fanapahan-kevitra raisina
itondrana ny firenena. Nisy ny andrim-panjakana ara-dalana, hiram-pirenena,
sainam-pirenena, teny filamatra, renivohitra, nifandray ara-diplaomatika
tamin’ny firenena maro, toy ny tany mahaleotena rehetra isika.
Faly ny
Malagasy, vitsy rahateo ny nahatakatra ny hevitra ambadika sady tsy misy sahy
milaza ny marina fa mbola ao ilay tahotra vazaha sy mpitondra fanjakana.