Firenena efa nahaleotena i Madagasikara
tamin’ny faha mpanjaka, efa nanana sainam-pirenena isika tamin’izany.
Nony tonga ny
fanjanahantany dia ny sainam-pirenena frantsay no nikopakopaka teto amintsika.
Rehefa niverina ny fahaleovantena tamin’ny 26 Jona 1960 dia nanana ny
sainam-pirenena amin’izay isika, miloko telo soratra, fotsy mitsangana ary ny
mena sy maitso mitsivalana manolotra ny fotsy ka ny mena no eo ambony, marihina
fa mitovy refy ireo loko telo soratra.
Fanevam-pirenena ihany koa no azo iantsoana azy, saingy ny saina, no mahavantana ny vahoaka, satria nampitoviany amin’ilay saina ao anatin’ny loha mampiavaka antsika olombelona ny fananana azy.
MANANA SAINA AVOKOA NY
REHETRA
Tsy ny firenena ihany no manana saina, fa manana ny azy koa ny faritany
enina, ny faritra 22, ireo fikambanana iraisam-pirenena, ireo, antoko politika,
fikambanana, sekoly, tarika samihafa sns.
Ny saina no iavahan’ny tsirairay amin’ny hafa. Atsangana amin’ny fotoana
ilàna azy ny saina. Saropady koa anefa ny saina, ka tsy azo atao ny manangana
azy amin’ny fotoana tsy tokony hanaovana izany.
Tamin’ny 15 Martsa 1897, dia noloarana teny amin’ny Rovan’Ambohimanga ny
taolambalon’ireo mpanjaka nalaza toa an’Andrianampoinimerina, Ranavalona I,
Ranavalona II, sns.. nentina niakatra ary nafindra tao amin’ny
Rovan’Antananarivo.
Famerezan-kasina no azo ilazana izany, ny tranomasina roa eo Anatirova
dia natao ho an’ny mpanjaka Radama I sy ny mpanjakavavy Rasoherina ary ny
mpanjaka tsy azo ampiraisina fasana na ny mpivady aza. Avelantsika eo iny fa
mbola resaka manaraka, fa ny tiana ho tsiahivina rehefa nentina niakatra ny
taolambalon’ireo masina dia noravahana saina frantsay ny kalesy nitondra azy, vao
mainka fanaovana tsinontsinona ny masina izany,marihina anefa fa nanomboka teo dia lasa fomba ny mitondra saina
rehefa mitondra razana na maina io na lena.
Ankehitriny raha misy faty lena handeha lavitra dia asiana saina ny
fiara mitondra azy, ary fanao koa ankehitriny ny mitondra saina rehefa
mamadi-drazana. Izany dia fanehoana fa manana ny hasiny ny olona rehefa mody ho
razana.
Fomba fanao mahazatra any amin’ny toeram-piasana, sekoly, toby miaramila
ny fampiakarantsaina, amin’ny fiandohan’ny herinandro ary iarahana indray ny
fampidinana azy rehefa faran’ny herinandro. Ny tanjon’izany dia mba
ahatsapan’ny rehetra fa ny asa izay atrehina mandritra ny herinandro dia natao
ho voninahitry ny firenena.
Ny sainam-pirenena dia niara teraka tamin’ny fahaleovantenam-pirenena.
Ajoro sy akopakopaka ny sainam-pirenena hanehoana ny voninahi-pirenena, amin’ny
fotoan-dehibe toy ny lanonana ara-panjakana,ara-politika, ara- kolontsaina,
ara-panatanjahantena sns..
Ny saina no hanehoana fa mijoro ny firenena. Ankehitriny dia malaina ny
ankamaroan’ny olona amin’ny fananganan-tsaina noho ny disadisam-piarahamonina
mbola tsy mety miravina tanteraka. Betsaka ny adi-hevitra mandeha toy ny hoe
tsy ny mpitondra no hananganan-tsaina satria tsy azy ny saina fa an’ny firenena
Malagasy. Maro ny misafidy ny tsy hanangantsaina, satria mihevitra izy ireny fa
ilay firenena mihitsy no voahosihosy ny hasiny, manjaka ny herisetra, tsy misy
ny fahafahana, ary voaroba ny harem-pirenena, manoatra noho ny tamin’ny
andron’ny vazaha.
Ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay no
tokony hibaiko azy hanangana na tsia ny sainam-pirenena, fa fahadisoana ny
manery mivantana na ankolaka ny olom-pirenena tsy hanao izay tsy sitraky ny
sainy sy ny fony.