Ny firenena iray mahaleo tena dia manana, sainam-pirenena, hiram-pirenena,teny filamatra, renivohitra sns. Ny teny filamatra sy ny hiram-pirenena no asiantsika teny eto.
NY TENY FILAMATRA
Tsy ny firenena ihany no manana teny filamatra fa manana azy koa ny fikambanana iraisam-pirenena, ny tanàna, ny faritra, ny faritany, ny antoko politika, ny fikambanana samihafa, saingy ny ho hazavaina etoana dia ny teny filamatrin’ny firenentsika nandritra izay dimampolo taona izay.
Tamin’ny taona
1960, niverenan’ny fahaleovantena dia ny
“Tanindrazana, Fahafahana,
Fandrosoana”.
Nony tonga ny
Repoblika faharoa dia niova kely indray ka lasa “Tanindrazana, Tolom-piavotana, Fahafahana”.
Nijoro ny
Repoblika fahatelo tamin’ny taona 1992, nesorina indray ny “Tolompiavotana” ary
nosoloina ny ‘Fahamarinana” ka toy izao, “Tanindrazana,
Fahamarinana, Fahafahana”.
Tafaverina teo
amin’ny fitondrana indray i Ratsiraka Didier ka nampanao fitsapan-kevi-bahoaka
izy ny volana Martsa 1998 nasiany fanamboarana indray ny lalam-panorenana ka
niverina tamin’ny Repoblika voalohany ny teny filamatra, dia ny “Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosoana”.
Na dia niovaova
foana aza ny teny filamatry ny Repoblika Malagasy dia hita tao foana ireo teny
roa dia ny tanindrazana sy ny fahafahana, midika izany fa zava-masina amintsika
Malagasy ireo.
Niavaka kosa ny
repoblika fahefatra satria lasa ho “Fitiavana, Tanindrazana,Fandrosoana” no
filamatra (nanomboka ny taona 2010).
NY HIRAM-PIRENENA
Fifaninanana no
natao nifantenana ny hiram-pirenena, maro ireo nandray anjara tamin’izany. Nisy
ny fepetra napetraka sy notakiana tamin’ireo mpifaninana indrindra teo amin’ny
tononkira.
Anisan’ny
fepetra tamin’izany, ny filazana fa ny tany dia nolovaina tamin’ny razana, ka
tsy mahagaga raha hita tao anatin’ny tononkira ny teny hoe: “Tanindrazana”, toy
ny hoe : “Ry tanindrazanay malala ô”, “Zanahary ô tahio ny tanindrazanay”,
“Nosy tanindrazako izay navelan’ny razako”.
Ankoatra ireo
dia natao zava-dehibe ny fametrahana ny fitokisana amin’ny fitantanan’Ilay
Nahary ny tanindrazantsika.
Hita ao
amin’ireo tononkiran’ny mpifaninana ohatra ny fehezanteny hoe: “Tahionao ry Zanahary
ity nosindrazanay ity”. “Zanahary ô tahio ny tanindrazanay”, “Andriamanitra ô
mitahia, ity taninay ity”, sy ny “Ilay nahary izao tontolo, no fototra
hijoroan’ny satanay” sns.. Ny fepetra hafa dia tsy maintsy voasoratra Solfa na
Naoty ny hira ary voarakitra tao anatin’ny horonam-peo miaraka amin’ny zava-maneno
manaraka azy, amin’ny maha hiram-pirenena azy dia natao ho hirain’ny rehetra ka
tsy maintsy hahenoina ny feo efatra (feo voalohany, feo faharoa, fasin-kira ary
ny beso).
ZANAHARY, TANINDRAZANA, FAHAFAHANA
Raha bangoina
miaraka ny teny filamatra sy ny hiram-pirenena dia ireto teny telo ireto no
misongadina, “Zanahary, Tanindrazana,
Fahafahana”.
Nomena ny hasiny
ilay mpahary, na Andriamanitra na Zanahary, no fiantsoana azy, dia mazava fa
nahatoky azy avokoa ny mpitondra nifandimby.
Nahazo ny
toerana sahaza azy koa ny tanindrazana, mazava eto fa ny razana no tompon’ny
tany nolovaintsika taranaka.
Ny adi-hevitra
mampisalasala dia misy ireo mpino kristriana izay sahy milaza mihitsy fa
fahotana ny manonona ny hoe razana, asa nipoitra tamin’ny vato aman-kazo
angamba ry zareo na nitrebona avy any amin’ny tany. Resaka notsiahivina fotsiny
izay fa ny zava-dehibe dia tsy ilay tany sy zava-boahary ao anatiny ihany no
tokony hahasaropiaro, fa ireo taranaka namelan’ny razana ilay tany no tsy
maintsy omena ny anjara masoandrony amin’ny fampandrosoana.
Fa tsy azo
adinoina ny fahafahana izay tokony hiavahantsika amin’ny tany tsy manana
fahaleovantena.
Tsy hita intsony kosa
ilay teny hoe “fahafahana”, ka hoy ny mpandinika sasany hoe ny fahaleovantenan’ny
firenena no niverina tamin’ny taona 1960, fa ny fahafahana kosa tsy mahazo laka
firy, mba tsy ilazana hoe tsy misy mihitsy izany fahafahana izany (noho ny
antony toe-karena sy politika).