Ny baibolin'Andrianampoinimerina

Andrianampoinimerina no Malagasy nalaza indrindra eran-tany satria na any amin-drizareo tandrefana na any amin-drizareo tatsinanana dia ity Mpanjaka ity no ahafantaran’ny mpahay tantara an’I Madagasikara.

Teto an-tanindrazana kosa dia tsikaritra fa ny ohabolana sy ny oham-pitenenana dia nalaina avy amin’ny kabarin’ny Ombalahibemaso ny ankamaroany. Ireo izay nitondra firenena na mpanao pôlitika koa dia nisy ny naka tahaka ny fomba fitondran’Andrianampoinimerina. Ny MFM ohatra dia naka ny teny filamatry ny ombalahibemaso manao hoe « Foin’i Zanahary ho antsika ny tany sy ny Fanjakana »,hevitra avy amin’ny teny nataon’Andrianampoinimerina fony izy nikabary nandray fanjakana io . Tsikaritra koa fa ny rafitra izay saika napetraky ny kolonely Ratsimandrava tamin’ilay « ala-olana » dia nifanahatahaka tamin’ny rafi-pitondrana nataon’ny Ombalahibemaso. Taty afara dia mbola nanaraka ny teti-panoron’Andrianampoinimerina koa Ravalomanana raha niezaka nametraka tsena mba hampandrosoana ny firenena.

Tamin’ny volana oktobra 1947 dia nisy mpanoratra malagasy namoaka boky nitondra ny lohanteny hoe « Ny baibolin’Andrianampoinimerina ». Fampitahana ireo oham-pitenenana nataon’ny Ombalahibemaso tany anatin’ny kabariny, tamin’ny andalana tao anaty soratra masina io boky io. Nahazo fanankianana goavana tamin’ny misionera Ch. Delord tao amin’ny Revue « Le Monde non Chrétien » io boky nivoaka io, araka ny fanazavan’i E Ramilison, izay nanonta fanindroany ny « Baibolin’Andrianampoinimerina », ny taona 1957. Rehefa nojerenay ary io fampitahana io dia voamarika fa ny testamenta taloha dia ny ao amin’ny Deotoronomia sy Ohabolana no maro amin’izy ireny. Ny testamenta vaovao kosa dia ny Matio. Indro fampitahana vitsivitsy, tsy asiana fanazavana, fa araky ny nanaovan’ny mpanoratra azy no atolotra antsika. 

“Ary aza manao anankampo hoe :manana an’i Abrahama rainay izahay” (Mat, 3;9)

“Aza manao Andriamanitra azoko am-po” (Andrianampoinimerina)

“Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, hahazoan’ny kamboty ny rariny. Sokafy ny vavanao ka tsarao ny marina ny ory sy ny malahelo” (Oh.31:8,9)

“Aoka ny kely hanana ny azy, ny lehibe hanana ny azy. Koa raha misy mpitsara manao amboa kely tery vozona, ka saingy mahita ny oloko mahantra ka anaovana teniko fe lehibe:matiko raha manao izany” (Andrianampoinimerina)

“Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray…dia ny rahalahiny no aoka hanambady an-dravehivavy ka hitondra loloha..hamelo-maso ny maty” (Deot.25,5)

“Raha sitrak’i ravehivavy dia loloha, fa raha tsy sitrany, dia isaory izy, fa ny oloko tsy vadin’ny marolahy” (Andrianampoinimerina)

“Amin’ny tenin’ny vavolombelona iray na roa no hanorenana ny teny rehetra” (II Kor;13,1)

“Raha misy mivaro-javatra na mividy, ka manao teny ifanarahana ianareo, ataovy betsaka ny vavolombelona, fa ny arivolahy tsy maty indray andro…hatramin’ny roa na telo, no miakatra, dia arivolahy tsy maty indray andro” (Andrianampoinimerina)

METEZA HO OLOM-PIRENENA VANONA. MPANOLOTRA: RAMASINIRINA

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-06-08.

Miverina
footer-frame