ANTANANARIVO: 410 TAONA

Ny taona 1610 no niamboho ny Mpanjaka Ralambo, ny zanany Andrianjaka no nandimby azy, io taona niakaran’ny Mpanjaka Andrianjaka io no niforona ny tananan’Antananarivo, izay feno folo sy efa-jato taona amin’ity taona 2020 ity. Vanim-potoana manana ny maha izy azy izany, ka mendrika ho tsaroana hakana lesona.

NY MPANJAKA RALAMBO

Vao teraka izy dia nisy lambo niakatra tao an-tanàna, izay no nahatonga ny ray aman-dreniny nanao ny anarany hoe Ralambo . Izy no loharano nipoiran’ireo fokon’Andriana rehetra teto Imerina. Ny mpikaroka dia milaza fa andro Alahamady no teraka ny Mpanjaka Ralambo, mitovy amin’Andriamasinavalona sy Andrianampoinimerina. Tamin’ny fanjakan-dRalambo no nihinanana ny hen’omby voalohany, izay niteraka ny andron’ny fandroana.

Ny tanjon’ny fandroana raha fintinina dia fanamafisana ny fihavanana, firariana ho amin’ny tsaratsara kokoa ary fialàna amin’ny ratsy, fifanajana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka, eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.

NY MPANJAKA ANDRIANJAKA

Zava-dehibe ny vitan’ny mpanjaka Andrianjaka, tamin’ny fotoana nanjakany no nandresy ny vazimba ireo miaramila tao aminy. Ny taona 1610 izany, io taona io no noraisina ho niforonan’ny tanànan’Antananarivo

ANTANANARIVO

Antaninarivo no niantsoana azy tany am-boalohany, saingy niova ny fiantsoana azy taty aoriana ka lasa hoe Antananarivo, ny frantsay aza nanao hoe Tananarive. Io no anarana nofidian’ny mpanjaka Andrianjaka satria efa an’arivony ny mponina teto tamin’izany.

Nihazakazaka ny fivoatran’ny tananan’Antananarivo, araka ny vanim-potoana, anisany nampiavaka azy ny tsena, ny trano, ny fifamoivoizana, ny lanonana samihafa, ireo toerana manan-tantara.

Vahoaka tia fandrosoana ny eto Antananarivo ary mora mandray izay hitany fa mety sy mahasoa azy. Mampiavaka ny vahoakan’Antananarivo hatramin’izay koa ny fahasahiany mijoro amin’ny hevitra tsapany fa mendrika arovana. Lavitra ny vahoakan’Antananarivo  ny tahotra manoloana ny tsy rariny mihatra aminy.

ANKEHITIRNY

Folo sy efa-jato taona aty aoriana, betsaka ny fiovana mikasika ny zava-bitan’ny Mpanjaka Ralambo. Ny fankalazana ny fandroana izay natomboka tamin’ny andron’ny mpanjaka Ralambo dia efa tsy itovizana ny fotoana fanamarihana azy. Ny fihavanana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka dia tsy misy, satria ireo mpitondra izay manana adidy amin’ny fikarakarana sy fiarovana ny vahoaka, variana mikarakara ny tenany sy ny fianakaviany. Ny ray aman-dreny sy ny zanaka efa tsy mifanome voninahitra intsony, satria ny fiaraha-monina ankehitriny dia mitaiza ny tanora tsy hankatoa ray aman-dreny, ireo nahitana masoandro rahateo teren’ny fahasahiranana dia tsy mahavita ny filan’ny menakin’ny aina intsony.

Ny omby izay manana ny toerana nanomboka tamin’ny fanjakan-dRalambo, mihena tsikelikely satria manjaka ny dahalo, ireo mpitandro filaminana tokony hanenjika ny mpanao ratsy  tazoniny hiasa aty an-tanan-dehibe.

Antananarivo indray dia tsy lavorary avokoa ny tsena, ny fifamoivoizana, ny fanorenan-trano sns.. Ireo lanonana samihafa dia mitobaka kanefa be tsy an-draofana, fa tsy hita izay tena mifantoka amin’ny fanabeazana ny taranaka.

Ireo toerana manan-tantara tsy voakarakara toy ny fasan-dRainiharo eny Isoraka, ny zohy fieren-dRasalama eny Manjakaray.

Ny toerana nisy ny Teatra Monisipaly Ambatovinaky, ambohimpihaonan’ny zanak’Iarivo fahiny, fijerena teatra sady fampideran-kaingo. Naorina ny 14 Septambra 1899 io toerana io ary narodana ny taona 1951, Ankehitriny dia trano fivoahana no naorin’ny tananan’Antananarivo eo amin’io toerana io. Tsy misy mihitsy ny fanomezan-danja ny toerana manan-tantara.

Ary ny farany sady lehibe indrindra fahiny dia  nalaza tamin’ny fanehoan-kevitra ny vahoakan’Iarivo, na dia tamin’ny andro nitondran’ny frantsay ny tany aza dia azo atao foana ny maneho hevitra an-kalalahana teto Antananarivo. Saingy ankehitriny dia tsy hita taratra intsony izany f’izay sahy maneho ny heviny dia rahonana, samborina na hanapoahana baomba mandatsa-dranomaso.

Folo sy efa-jato taona ny niforonan’ny tananan’Antananarivo ,tsy lanonana fandrebirebena vahoaka no ilain’ny vahoakan’Antananarivo fa ny fandraisan’andraikitry ny rehetra,Tsy azo leferina intsony ny zava-misy iainan’ny vahoaka ankehitriny, tsy misy anefa vahaolana ,afa tsy ny fahasahiana mijoro sy ny firaisankina ihany no ahazoana mandresy ny tsy rariny sy mamerina ny lazan’ny tanànan’Antananarivo.

[Torotoriravina] [Tsiahy]

Navoakan`i Feno tamin`ny 2020-04-01.

Miverina
footer-frame