NY HASIN'NY MPANJAKA

Ara-tantara, dia niamboho nifanelanelana 100 taona ny mpanjaka telolahy goavana teto Imerina. Ny taona 1610 no niamboho Ny Mpanjaka Ralambo, ny taona 1710 no niamboho Ny Mpanjaka Andriamasinavalona, ary ny taona 1810 no niamboho Ny Mpanjaka Andrianampoinimerina. Samy nanana ny nampiavaka azy ireo Mpanjaka ireo.

NY MPANJAKA RALAMBO (1575-1610)

Nanomboka tamin'ny fanjakan-dRalambo no “nihinanana ny hen'omby” voalohany. Tamin'izany no nanombohana ny “fandroana”. Lanonana manana ny lanjany teto Imerina ny fandroana, satria nahitana ny fifanajana teo amin'ny ray aman-dreny sy ny zanaka, teo amin'ny mpitondra sy ny vahoaka.

Ankoatr'ireo dia fotoana firariana irosoana amin'ny tsaratsara kokoa sy fialana amin'ny ratsy teo aloha.

NY MPANJAKA ANDRIAMASINAVALONA (1675 -1710)

Ny lafiny fampandrosoana no tena nifotoran'ny Mpanjaka Andriamasinavalona. Tamin'ny fanjakany no natomboka ny “fanaovana ny fefiloha”, niarovana ny tanàna sy ny tanimbary. Niroborobo ny fambolena tamin'ny fanjakan'Andriamasinavalona.

NY MPANJAKA ANDRIANAMPOINIMERINA (1787 -1810)

Ireo mpikaroka tantara na teratany na vahiny dia samy niaiky fa Andrianampoinimerina na Ny Ombalahibemaso no mpanjaka niavaka indrindra teo amin'ny faharanita-tsaina nananany. Nisy mihitsy aza mpahay tantara vahiny loa-bava hoe tsy voazanaka i Madagasikara raha nanana toe-tsaina toa an'Andriampoinimerina avokoa ireo nifandimby nitondra ny fanjakana.

Maro ireo fomba amam-panao nisehon'ny fahendren'ity mpanjaka iray ity. Mbola izy ihany koa no “namory an'Imerina enin-toko ary nanitatra ny fanjakany eran'i Madagasikara” izay notohizan'i Radama I.

NOVONOINA FANINDROANY IZY TELOLAHY

Ny mpikaroka tantara no nilaza fa samy teraka Alahamady izy telo lahy ary samy nanome lanja ny fandroana. Ny zava-misy niainantsika dia mampiseho fa novonoina fanindroany ireo mpanjaka ireo satria maty momoka avokoa ireo lovasoa napetrany ho antsika.

Ny omby izay nohanina nanomboka tamin'ny fanjakan-dRalambo, tsisy fiarovana fa ripakin'ny dahalo. Ny fihavanana nasandratrin'ny Mpanjaka Ralambo tamin'ny alalan'ny fandroana tsy nahazo laka intsony, satria tsy manjaka intsony ny fifandeferana eo amin'ny samy malagasy, ny herisetra no mahazo vahana. Ny fampandrosoana nimatimatesan'ny Mpanjaka Andriamasinavalona dia tsizarizary satria tsy misy ny fikarakarana ny tantsaha, na eo amin'ny fanampiana azy amin'ny famokarana, ny fitsinjovana azy amin'ny vidim-bokatra ary ny fiarovana azy ireo amin'ny fandriampahalemana. Raha mikasika ny fahendrena navelan'ny Ombalahibemaso dia hita ankehitriny fa dia mahazo vahana tanteraka ireo heloka roa ambin'ny folo mahafaty izay natao antoka nampirindra ny fiaraha-monina.

Koa voaporofo fa amin'izao andro iainantsika izao dia novonoina tanteraka izay soa navelan'ireo mpanjaka telo ireo, izay notohizan'ireo mpanjaka nifandimby.

TSY MATY VONOINA NY HASINA

Ireto mpanjaka telo lahy ireto no voalaza saingy tsy tokony ho hadinoina fa maro ireo mpanjaka na lahy na vavy no nanana ny hasiny noho ny zava-bitany teo amin'ny tany sy ny fanjakana.

Ny fampisehoana fihetsika manahatahaka an'ireo mpanjaka  izay tsy maneho ny fahendrena nananan'izy ireo dia midika ho fanaovana tsinontsinona azy ireo. Manana ny hasiny ny mpanjaka, izay nolovainy tamin'ireo loharano nipoirany ary indrindra avy amin'ny vahoaka izay nohasoaviny. Ny fisehoana ivelany manaitaitra dia tsy mitondra hasina ho an'izay manao azy, sady tsy mahafaty ny hasina efa voa-janahary ho an'ireo efa nitondra izany

Tamin’ny andron’ny tetezamita, dia nanambara ny fanjakana fa hampodiana an-tanindrazana ny taolam-balon'ireo andriambavy nalefa sesitany niaraka tamin'ny Mpanjakavavy Ranavalona III, tsy iza izany fa Ny Andriambavy isany: Ramasindrazana, Rasendranoro, Razafinandriamanitra. Mbola tsy tanteraka anefa izany mandrak’ankehitriny fa asa hafa indray no natomboky ny fanjakana, dia tsy inona fa ny fananganana kianja romana ao amin’ny rovan’Antananarivo. Tsy hiombonan’ny maro hevitra anefa izany asa izany, ary tsinjo fa tsy mampiray ny Malagasy fa vao mainka mampisaratsaraka aza. Ny tantara no aoka hitsara!

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-06-01.

Miverina
footer-frame