AZA MANAO SANGY MIHOATRA NY LOHA, VOSOTRA ZARY TENANY.

Fitenintsika matetika io rehefa misy teny na fihetsika ataon’olona amintsika na ataon’ny olona iray amin’ny hafa ary voamarikitsika fa toa tsy mety ihany. Maninona moa no lazaina hoe “mihoatra ny loha”? Noho ilay izy tsy manaraka ny fitsipiky ny  fitondratenan’ny fanahy no olona. Isika manko Malagasy, ilay tsy dia manevateva loatra, tsy tia tevatevaina koa arak’izany. Ry zareo vahiny ohatra dia tena tsy mihevitra ny tenany ho manompa  olona mihitsy raha sanatria mifanalika sy mifanakisoa ary mety hanasokajy ny teny sy fihetsika ataony ho vazivazy. Tsy mba izany ny fomba fiainan’ny Malagasy ary izany no mahatankina tanteraka azy rehefa sendra ny olona bibiby toetra  toy izany izy.

Ilay ohatra hoe “mihoatra ny loha” dia sarisary anankiray hanondroana ny mahatafahoatra ny sangy izay atao. Fomba fanoharan’ny Malagasay ny halalin’ny loza matetika ny vatantenan’olombelona. Rehefa hilaza ohatra isika fa tena nisy toe-javatra nampitahotra mafy antsika dia manambara hoe tena “an-tenda ny aiko”. Mora takarina tsara koa io sary io satria tsapa tokoa fa mila ho sempotra ny tena indraindray, raha tojo zava-mampitahotra mety hamoizana ny aina. Torak’izany koa ilay fanoharana hanamarihantsika ny hamehana manoloana ny “vonjy aina” tsy maintsy atao rehefa misy zava-doza: ”efa alohalika ny ranom-bary,” hoy isika. Io kisarisary io indray dia hita teny amin’ny fambolem-bary. Rehefa misondrotra tokoa ny rano dia mitady ho safotra ny vary. Raha midina eny an-tsaha ny olona dia miantso ny fokonolona mba hanao izay hampihenana ny rano. Raha tonga eny an-dohalika tokoa ny rano eny an-tanimbary dia tsy azo hiodivirana ny loza mitatao. Indraindray koa dia mampiasa ohatra somary miaro fanambanina isika  rehefa mampitahy zavatra na toe-javatra  roa tsy mitovy lenta ka milaza ny hoe tsy mankaiza fa “am-paladia”. Ilazana fa tsy atahorana loatra hanimba na hanahirana ny raharaha fa olana tsy misy fotony loatra.

Meteza ho olom-pirenena vanona, Ramasinirina

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-05-25.

Miverina
footer-frame