Vaninandro manan-tantara eto amin’ny firenentsika ny 19 Mey 1929 sy 19 Mey 1946, tsy dia resahina loatra ireo, kanefa dia mampiseho ny hetahetam-piovana nisy teo amin’ny Malagasy. Koa zava-dehibe ny hampatsiahivanaizany etoana.
19 MEY 1929
Ny Zoma 17 Mey 1929, teo an-tsenan’Anjoma ary be mpiantsena, dia nisy
metisy vazaha iray nantsoina hoe Leclerc, nisalotra soratra na itony antsoin’ny
vazaha hoe : “Homme sandwitch” nanivatsiva ny tsena, ary ny soratra nentiny dia
ny hoe : “manasa ny rehetra ho tonga ao
amin’ny L’Excelsior na ny efi-trano fijerena sarimihetsika Ritz ankehitriny,
hanatrika ny valan-dresaka ataon’Atoa Paul Dussac talen’ny Gazety “L’opinion”
ny Alahady 19 Mey 1929 amin’ny 10 ora maraina, “Madagasikara sy ny hetahetany
ary ny fitarainany” no hofakafakainy” Atoa Dussac” dia vazaha kominista
nifandray tamin’ireo Tia tanindrazana. Ny tanjon’ny fihetsiketsehana dia ny
hanaitra ireo mpitondra frantsay mba hampitombo isa ireo mahazo ny zom-pirenena
frantsay. Rehefa tonga tokoa ny Alahady 19 Mey 1929 izay nifanojo tamin’ny andron’ny Pentekosta
dia tomefy olona vao maraina ny kianja malalaka eo anoloan’ny tonelina Hubert
Garbit (Ralaimongo ankehitriny), efa niantrana teo ihany koa ireo mpitandro ny
filaminana maro ary vazaha 200 mahery efa niandry tao amin’ny efitrano malalaky
ny L’excelsior.
Tokony tamin’ny 9 ora latsaka fahefany dia nigadona teo anoloan’ny
“L’excelsior” i Paul Dussac narahin’ireo
tia tanindrazana (Ranaivo Jules, Ravelojaona, Rabary, Ratsimandresy,
Randrianasy sns ). Maro ireo vahoaka
nihodidina azy ireo, indro kaomisera vazaha iray nanatona ary nilaza tamin’Atoa
Dussac fa tsy mahazo manatrika ny valan-dresaka ny Malagasy araka ny baiko avy
any ambony. Namaly tamin’ny teny tsotra i Paul Dussac fa tsy natao ho an’ny
vazaha ny valan-dresaka fa ho an’ny Malagasy. Nony avy eo dia nitodika tamin’ny
vahoaka Atoa Dussac ary nanambara hoe noho ny baiko azo avy amin’ny mpitondra
fanjakana ambony dia tsy azonareo Malagasy atao ny mihaino ny valan-dresaka,
satria ianareo tsy manana ny zom-pirenena frantsay, ka ny torohevitra atolotro
anareo rahampitso ihany dia manaova fangatahana ianareo rehetra hahazo ny
zom-pirenena frantsay. Nanantena ilay kaominista vazaha fa hitony ny vahoaka kanefa
vao mainka nihanasiaka, sady nisy vazaha miaraka tamin’ny alikany tafiditra tao
amin’ny efitrano. Nihitatra ny hevitra hiakatra eny Ambohitsorohitra,
toeram-piasan’ny Governora jeneraly Marcel Olivier, satria toa ny alikam-bazaha
izany no ambony noho ny Malagasy. Niantsoantso ny vahoaka manao hoe: “Fahafahana, Fitoviana, tsy ekena ny
indigenat, tsy ilaina Marcel Olivier, ary Madagasikara an’ny Malagasy”.
Ny vaninandro 19 Mey 1929 no
nivoahan’ny teny hoe “Fahafahana sy Fahaleovantena” voalohany hatramin’ny
nahazanatany an’i Madagasikara.
Marihina fa ny kianja malalaka eo
anoloan’ny Ritz ankehitriny dia mitondra ny anarana hoe : Kianjan’ny 19 Mey 1929, “Place Goulette” no anarany teo aloha ary
ny lalana miainga eo amin’ny Ritz mandalo ny Rex, ny Antenimieran’ny varotra sy
ny Roxy dia mitondra ny anarana hoe : Lalana
Paul Dussac.
Niforona tany Frantsa ny MDRM ny 22-02-1946, ary nieli-patrana taty
an-tanindrazana ny antoko. Nahatsapa ireo tia tanidrazana fa tsy maintsy
hankalaza ny fahadimampolo taonan’ny nahazanatany an’i Madagasikara ny
mpitondra frantsay ka nitady hevitra tsy hahatanteraka izany fankalazana izany.
Ny vaninandron’ny 19 Mey 1946 no fantatra fa ho tonga eto Antananarivo i De
Coppet, governora jeneraly vaovao hifehy an’i Madagasikara.
Nohararaotina izany nitondrana sora-baventy nanehoan-kevitra teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna na ny Hotel de ville. Mivaky toy izao ny sora-baventy : “Madagasikara libre, vive Madagasikara libre”, telo tamin’io modely io ary ny iray lehibe dia mivaky hoe: “vive le Gouverneur Général De Coppet, la loi du 06 Aout 1896, vive Madagasikara libre”. Natao ny fitsinjaran’asa ka ireo miaramila tany Djibouti tarihin’I Ratsarazaka Janvier sy Sergent iray mitondra sy miaro ny sora-baventy fa ireo faneva telo sisa dia nentin’ny olon-tsotra.
Niangaviana ny rehetra tsy hitondra zava maranitra na dia paingotra aza,
fa « cornet » taratasy no natao hitenenana, Atoa Ramandridra no
mpitily ny fahatongavan’i De Coppet mba
hanombohan’ny hetsika. Ny lalana naleha dia miainga eo amin’ny Lalana
Rainandriamampandry (rue Galliéni taloha)
mihazo ny Lalana Andriandahifotsy (rue Romain Desfossé) ny lalana
Colbert Ambatomena sy miandry eo ambanin’ny lavarangan’ny Consulat Amerikana
taloha. (BTM Roxy ety ambany) Eo afovoany no hananganana ilay lehibe ary ny
sisa dia eo andaniny avy.
Tokony tamin’ny 12 ora dia nampiantso an’i Dokotera Rakotonirainy ny kaomisera Nicaud. Nilaza ilay kaomisera vazaha fa tonga izy haka ny sora-baventy, namaly azy ny dokotera Rakotonirainy fa tsy aty aminy ilay sora-baventy sady nanontany hoe iza no naniraka anao ary aiza ny taratasy milaza izany. Nilaza ilay kaomisera fa tsy misy ny taratasy. Niangavy azy ny dokotera mba hiverina fa ho fampisehoana ny faniriam-pirenena Malagasy amin’ny fomba milamina sy ho fiarahabana an’i De Coppet no anton’izao fihetsiketsehana izao. Ireo sora-baventy tsy taiza fa tsara toerana tao anatin’ny fiaran-dRandriamiadana. Teo anoloan’ny Lapan’ny tanana tamin’ny ora voatondro dia nanome baiko Ramandrindra fa tonga i De Coppet, natsangana ny sora-baventy ary ny kaomisera Pinzutti no nandroaka ilay lehibe indrindra, saingy nokitikitihan’ireo mpanao fihetsiketsehana satria sarokitikitika io vazaha io. Efa teo an-dampihazo i De Coppet no niteny hoe : “ laissez-moi parler, vous manifesterez après”.
Nangina ny vahoaka nahazo toky, ilay sora-baventy lehibe no nibaribary
fa ny sisa nanjavona avokoa. Rehefa vita ny kabarin’i De Coppet izay
nadikan-dRasendra dia nanontany an’I Dokotera Rakotonirainy, i Janvier Ratsarazaka
hoe inona no atao? Dia namaly i dokotera hoe hanatitra an’i De Coppet eny
Ambohitsirohitra isika. Raikitra ny filaharana, Rakotovao Martin no nitarika
teo ambony fiaran-dRandriamiadana sady niantso izy hoe “Madagasikara” dia namaly ny mpilahatra hoe : “Indépendance”.
Nihazo ny “Rue Colbert”, niditra ny “avenue de France”. Kanjo tonga ny milisin’ny commandant Lafitte nitsena ny mpilahatra. Kaomisera Verges no nanatsoaka ny benitry ny milisy iray ary natsipiny io hidona amin’ny sorok’Atoa Razafindramanana saingy tsy nahavoa fa latsaka tamin’ny tany.
Nanatona ny Commandant Lafitte ny dokotera Rakotonirainy ary nilaza fa
hiverina fa avereno ny milisinareo. Niakatra tao ambonin’ny
fiaran-dRandriamiadana izy sady nanofahofa ny satroka Panama no nanao hoe : “Vita
e ! Vita e !. Miverena amin’izay isika fa vita ny adidim-pirenena”. Ilay
sora-baventy dia nolanjaina ihany hatreny Soarano. Nisy ireo tanora voatana
tany amin’ny Lapan’ny tanana. Rehefa
tafavoaka ireo dia vita hatreo ny
19 Mey 1946.
Kanjo Talata taorian’io dia nampiantsoan’i De Coppet dokotera
Rakotonirainy sy Ranaivo Paul, nanatrika izany, Atoa Baudry, ny Procureur général
sy vazaha telo hafa. Nahoana no nanao iny ianareo hoy i De Coppet, ho fanehoana
ny faniriam-pirenena no navalin’ny dokotera azy, ary mbola nanadina i De Coppet
hoe : iza no tokony hifampiraharahana raha misy hevitra ? Dia omeo toky aho hoy
i De Coppet fa tsy hanindroa intsony ny toy ireny. Dia nifandray tanana izy
rehetra ary nifanao veloma. Ny tanjon’ny fihetsiketsehana 19 Mey 1946 iny dia
ny tsy hahatanteraka ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny nahazanatany an’i
Madagasikara izay kasaina ny 06 Aout 1946.
Ny kianja eo Tsaralalana ampitan’ny Lapan’ny tanàna no mitondra ny
anarana hoe “Kianjan’ny 19 Mey 1946”.