IREO FIHAONANA LEHIBE TANY IVELANY (NANOMBOKA 1821)

Nosy ny tanindrazantsika, malaza ho mahay mandray vahiny isika malagasy, kanefa koa tia mivahiny any ivelany. Efa fomba fisainantsika mihitsy ny fitiavana mifanerasera amin’ny hafa, na teo amin’ny raharaham-pirenena aza dia efa nisy hatramin’izay ny fifampiharaharana na fiarahana amin’ny hafa firenena nandamina ny olan’ ny tanintsika, natao tany ivelany. Vao nisokatra ny fifandraisantsika tamin’ny any ivelany tamin’ny faha mpanjaka dia nisy ireo solontenam-panjakana nitondra ny feon’ny mpanjaka tany amin’ireo firenen-dehibe nifandray tamintsika.

FANJAKAN-DRADAMA I (1820-1821)

Ny Printsy Ratefinanahary zaodahin’ny mpanjaka Radama I sy Andriamahazonoro, Antemoro avy any Vohipeno no lasa tany Angletera nanatitra ireo kambana roalahy dia i  Raombana sy Rahaniraka. Nihaona tamin’ny Foibe LMS (London Missionary Society) izy ireo ary nanamafy teo anatrehan’ny mpanjaka George IV ny fifanekena vitan’ny Mpanjaka  Radama I tamin’i  Sir Farquhar tamin’ny 23 Oktobra 1817. Ny 11 Oktobra 1820 no tanteraka izany.

FANJAKAN-DRANAVALONA I (I836-1837)

Nisy ny delegasiona matevina nahitana an’i Andriantsitohaina, Andriantseheno, Ramanankoraisina, Ranera, Raharolahy ary Rasatranabo nankany Eropa. Ny anton-dian’izy ireo dia ny hitafa mivantana amin’ny King William IV sy Lord Palmerston, Praiministra anglisy sy ny fitondrana frantsay,  nisorohana ny setrasetra sy ny ady nanontanona ireo firenena roa ireo taty amin’ny ranomasina manodidina antsika. Ankoatra izany, vokatry ny fanenjehana ny fivavahana kristiana sy fandroahana ireo vahiny nataon’ny Mpanjakavavy Ranavalona I  dia anisan’ny anton-dian‘ireto iraka ireto, ny hamitrana indray ny fifanekem-piahavanana sy fifandraisana ara-barotra saingy tsy tanteraka izany.

FANJAKAN-DRASOHERINA (1863-1864)

Nisy indray koa ny delegasiona nahitana an- dRainifringa 15 Voninahitra Governoran’i Toamasina sy Rasatranabo 14 Voninahitra  efa anisan’ireo delegasiona fony fanjakan-dRanavalona I ary Mr Duffis misioneran’ny LMS nentina ho mpandika teny.

Ny anton-dian’izy ireo dia ny hitafa mivantana amin’ny fitondrana frantsay sy ny Queen Victoria, sy i  Sir John Russell Mpiandraikitra ny raharaham-bahiny anglisy ary ny Praiministra anglisy Lord  Palmerston. Nokasaina ny hanavaozana ny fifanekena vita tamin’ny fanjakan-dRadama II, izay nahitana andininy sasany mampisy  fahasahiranana ka tsy ekem-bahoaka.

Ny tany amin’ny anglisy dia drafitra fifanekena nohavaozina no natolony ary tsara ny fandraisana, fa ny fihaonana tamin’ny frantsay dia tsy nahitam-bokany fa nody maina satria nahery tosika ny feon’ireo voanjo avy etsy amin’ny Nosy La Reunion.

FANJAKAN-DRANAVALONA II (1882-1883)

Ireo no delegasiona farany nahitana an- dRavoninahitriniarivo 15 Voninahitra, Ministry ny raharaham-bahiny, Ramaniraka 13 Voninahitra zana-dRahaniraka, Kabinetran’ny mpanjaka, havanana amin’ny teny anglisy, Mosesy Andrianisa, zanak’i James Andrianisa maritiora, Lefitry ny governoran’i Toamasina, Marka Rabibisoa, havanana amin’ny teny frantsay, Ranjalahy Dekà nanaraka taty aoriana, ankoatr’ireo dia nisy vahiny roalahy, Anthony Tecchi, Sekretera sy mpandika teny, Pickersgrill Konsily lefitra anglisy nanaraka hatrany am-potony , Ronbison, Konsily Amerikana nanaraka hatrany am-potony koa satria nandeha niala sasatra tany an-tanindrazany.

Ity delegasiona ity no naharitra ela indrindra tany ivelany,  satria enim-bolana ny faharetan’ny dian’ izy ireo, Marihina anefa fa tsy nahatratra  ny fanafenana ny Mpanjakavavy Ranavalona II, izay niamboho ny 13 Jolay 1883 ry zareo. Firenena maro no notetezin’ireto iraka ireto tao Eropa ary tonga hatrany Etazonia, ny foto-diany dia mikasika ny fanagiazana nataon’ny frantsay ny faritra iray tany amin’ny faritra Mahajanga sy olana maro nilana fanampiana tamin’ireo firenena lehibe. Nody maina anefa ireto iraka ireto satria nahay nifampitsinjo ireo firenen-dehibe     

TAMIN’NY ANDRON’NY FANJANAHANTANY

Ny tena nisongadina indrindra dia tany Frantsa no najoro ny fikambanana MDRM (Mouvement Démocratique de Rénovation Malgache). Ny 22 Febroary 1946 no nijoro ara-panjakana ny MDRM ary tao Neuilly Paris no foibe toerany, ireo manampahaizana malagasy niasa sy nianatra tany frantsa no nanangana azy toy ny dokotera isany, Ravoahangy Andrianavalona, Raseta Joseph, Rakoto Ratsimamanga, Raherivelo Ramamonjy, Andriamatoa isany Rabemananjara William, Rabemanjara Jacques… Vetivety dia nielim-patrana ary nahazo faka taty an-tanindrazana ny MDRM. Ny dokotera Rakotonirainy, sy  Rakotovao Martin, Ratsarazaka Janvier  no nanentana ny taty an-tanindrazana.

Nialoha ny niverenan’ny fahaleovantena tamin’ny 26 jona 1960 dia maro ireo dinika notanterahina tany Paris nahafahana niroso tamin’ny fahaleovantena toy ny fametrahana ny fifanaraha-mpiaraha - miasa frantsay sy malagasy.

TAORIAN’NY 26 JONA 1960

Satria efa niverina ny fahaleovantena, dia maro ireo masoivoho malagasy tany amin’ireo firenena nifandray tamintsika. Mpikambana tao anatin’ireo fikambanana iraisam-pirenena ihany koa isika malagasy ka afaka nivoaka nandray anjara tamin’ireo fihaonana iraisam-pirenena samihafa.

Tamin’ny 18Mey 1972 rehefa nahazo ny fahefana feno ny Jeneraly Ramanantsoa nanangana ny fitondram-panjakana dia nisy ny fanavaozana ny fiaraha-miasa teo amin’ny frantsay sy ny Malagasy tamin’ny taona 1973 sy 1974, mazava ho azy fa nisy ny fihaonana natao teto an-toerana sy natao tany  Parisy.

TAMIN’NY REPOBLIKA FAHATELO

Taty aoriana, vao hita mivaingana ny nilàna ny lanjan’ ireo fikambanana iraisam-pirenena nony nitranga ny olana ara-politika teto amintsika.

Tamin’ny taona 2002 dia nirotsaka nanelanelana ny Vondrona Afrikana, notanterahina ny fihaonana tany Dakar ny volana Aprily 2002. Ny  andaniny notarihan’ny Filoha Ravalomanana Marc nampihaonina tamin’ny ankilany, notarihan’ny Filoha Ratsiraka Didier

Vita ny fampihaonana ary nifanaraka ny roa tonta fa hirosoana ny fampitahana ny voka-pifidianana dia nilamina ny raharaha.

Noho ny zava- nitranga tamin’ny volana Janoary sy Febroary 2009, dia nirotsaka an-tsehatra ny fianakaviambe iraisam-pirenena,  niaraka tamin’ny FFKM,  saingy tsy nahomby fa mbola tanteraka ny fanonganam-panjakan ny 17 Martsa 2009.

Taorian’io dia maro ireo fikambanana iraisam-pirenena sy firenena tsy nankatoa ny fahefana nalaina ankeriny.

Nirotsaka namaha ny olana indray ireo fikambanana iraisam-pirenena nahitana ny ONU SADC, Vondrona Afrikana, OIF, ary ireo fikambanana hafa toy ny Vondrona Eoropeana sy ny ACP, izay tsy niditra teo amin’ny fanelanelanana saingy nanampy teo amin’ny torohevitra.

Nijoro ny ankolafy efatra, nahitana ny ankolafy roa tompon’ny ady dia ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina ary ny ankolafy roa izay notarihin’ireo filoha roa lahy voafidim-bahoaka ara-dalàna

Nisy ny fihaonana tany Maputo ny 01 hatramin’ny 08 Aogositra 2009 nametrahana ny satan’i Maputo.

Ny 23 hatramin’ny 30 Aogositra 2009 dia mbola niverina tany Maputo saingy tsy tafapetraka ny rafitra.

Ny 02 hatramin’ny 08 Novambra 2009 dia nihaona tany Addis Abeba indray nametraka ilay fifanarahana tovana hanampy ny fifanarahana Maputo

Ny voalohandohan’ny volana Desambra 2009 dia nisy ny fanasana nataon’ny Filoha Mozabikana saingy tsy namaly ny fanasana ny ankolafy Rajoelina. Tamin’io fotoana io dia nisy ny tsy famelana ireo delegasiona  hody an-tanindrazana.

Ny 27 Aprily hatramin’ny 01 Mey 2010 dia nihaona tany Pretoria ny ankolafy efatra ary mbola tokony hihaona fanindroany kanefa tsy mbola tanteraka izany hatramin’izao

 

2014-2020

Raha jerena amin’ny ankapobeny dia niompana amin’ny fitadiavana famatsiam-bola avy any ivelany ny fihaonana tena nisongadina teo anelanelan'ny taona 2014-2018 (conferene de Paris, sns…). Tsy mbola tena hita mazava anefa ny vokatr’izany.

Raha ny momba ny fitondrana nijoro ny taona 2019 indray, dia ny fifanarahana mahakasika ireo vondro-nosy Malagasy ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika no nanamarika ny fanombohana ny fotoam-piasany. Arahin’ny rehetra maso akaiky izany ankehitriny. 

Tsy vao izao fa efa hatramin’izay no nisy foana ny fivoahana tany ivelany nikatsahana izay mahasoa ny tanindrazantsika. Tsy ny toerana nihaonana no zava dehibe ahitam-bokatra sy mampisy na tsia ny fiandrianam-pirenena, fa ny fahavononana sy toetsaina hananan’ireo izay miady hevitra. Rehefa manjaka ao ampo sy antsain’ireo nomem-pahefana hifanakalo hevitra ny tena fitiavan-tanindrazana sy hambom-pom-pirenena marina dia tsy hitsanga- menatra ny firenentsika eo anatrehan’izao tontolo izao. 

Ny taona 2020 moa dia iarahana mahalala fa taona sarotra noho ny fisian'ny aretina Coronavirus. Mila fahaizana manokana ny fifandraisana iraisam-pirenena amin'ny vanim-potoana toy itony: manoloana ny fahavalo tsy hita maso (aretina) dia tsara kokoa ny mihavana amin'ny rehetra toy izay manangam-pahavalo etsy sy eroa.

TORITORIRAVINA/TSIAHY



Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-05-11.

Miverina
footer-frame