MILA MANOVA TOE-TSAINA ISIKA

Tsy nitsahatra ny nikoroso ny farim-piainan’ny Malagasy tao anatin’ny taona maromaro izay. Nanaraka izany fiibana izany koa ny toe-tsaina teo amin’ny fiaraha-monina, manomboka any an-tampony ka hatrany amin’ny valala tsy mandady harona. Mifanenjika, mifanebaka, mifamingana...Zary efa ho raiki-tapisaka eto izany toetra izany.

Mila fanovana izany toe-tsaina ratsy izany: tsy avy amin’ny fanahafana bontolo ny zava-misy avy any ivelany, fa amin’ny fanovozana indray ny soa amin’ny fahendrena nentim-paharazana izay toa adino ka nahapotika ny fiaraha-monina ankehitriny.

Satria ho antsika Malagasy “ny fanahy no olona”,  dia tokony ho voatarika hatrany ny isam-batan’olona mba handanjalanja eo amin’ny fiainana. Satria tokoa tamin’ny fandinihana ny zava-nitranga teo amin’ny fiainany no nakan’ny Ntaolo tsoa-kevitra hanitsiana izay tsy nety nataony na hanarenany ny fiainany ho avy.

“Toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety harenina” hoy ny razambentsika izay.

Ahoana anefa  no ahatongavana amin’izay? Tsotra ihany: ny fanetre-tena, ny fahafantarana fa miloloha lanitra ka tsy maintsy ho lena ary manitsa-tany ka mety ho solafaka. Rehefa mahalala mahatsapa ny hadisoany ny olona, araka ny fiheveran’ny Ntaolo, dia hivoatra ara-piaraha-monina.

“Soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako”, hoy ihany ny Ntaolo ho an’ireo voan’ny tsy nahy na ninia tsy nanoa ny fahendren-drazana.

Tsy ny olon-drehetra koa anefa no mahalala “kilema momba tena”, fa maro amin’ny olombelona no avy hatrany no mahita ny lesoka eny amin’ny sasany fa tsy mahatsikaritra ny “arina” eny amin’ny tavany!

Fa tena misy tokoa ireo karazan’olona na andian’olona mihitsy aza tsy manaiky ho resy tohika ka nolatsain’ny hendry manao hoe : “Ny ditra mahafaty, ary ny kiry mahavery”

Moa va tsy izao mahazo an’i Madagasikara  ankehitriny io voalaza io. Maro tamintsika Malagasy no tsy mandanjalanja ka rehefa ampifendrofendroana dia nanao toy ny ity voalazan’ny ohabolana ity: “Manely ny efa vory toy ny akoholahy ambony sompitra”

Vokany: ankehitriny dia very ny fifampitokisana amin’ny samy Malagasy. Ny toe-karena nikatso tanteraka, ny fari-piainana nitontongana izay tsy izy. Tonga amin’ilay hoe: Tsorakazo noladinimbitsika : lofidofiny foana, fa  ny tenany be efa marazoka.

Meteza ho olom-pirenena vanona/Ramasinirina

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-04-29.

Miverina
footer-frame