Ity
lahatsoratra ity dia mitondra ny lohatenin’ny fandaharana mandeha isaky ny
sabotsy hariva amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 3ora, ao amin’ny radio
Feon’Imerina. Rasamoelina Désiré
na i Moreno no miandraikitra azy. Ny tahirin-kevitra dia avy amin’ny
tomponandrikitr’izany fandaharana izany fa manangona kosa ny gazety
Feon’Imerina. Ireto indray àry ny mombamomba ireo hira fandrenao ao amin’izany
fandaharana izany.
Ho an’izay mampiasa ny votoatin’ity lahatsoratra ity,
dia hiangaviana hanambara ny loharano nangalana ny vaovao (Rasamoelina Desira
Moreno, Radio Feon’Imerina)
DINAN’NY
FITIA
Jean Andriamanantena no namorona ny tonony sy ny
feony. Norah sy Jean Andriamanantena no nikalo azy ary nampidirina tao amin’ny
Radio Tananarive, ny taona 1960; Manaraka azy ireo amin’ny piano kosa I Dodo
ary teo amin’ny contrebasse I Dany Ranoa.
IZA
ARY AHO?
Hira noforonin’I Odéam Rakoto ary izy ihany no nanao
ny feony. Misy mpiventy izy ity ary dia Odéam ihany no manao ny feom-behivavy
miventy amin’izany hira izany . Matetika koa moa ny hiran’I Odéam Rakoto no
misy olona miteniteny ary dia izy tenany ihany no manao izany, na firy na firy
karazan’olona ampiteneniny. Navoaka kapila Decca 78 “tours”, ny taona 1953. Misy tantara
somary mahatsikaiky mahakasika ity hira ity: Tao Analakely, tao amin’ny Pavillon dia nisy
mpivarotra kapila nifanila tamina sinoa. Ny mpivarotra kapila moa dia mandefa
hira mba hisintonana ny mpividy. Rehefa alefan’ingahy mpivarotra kapila àry ity
“iza àry aho” ity, dia mitangorona mihaino ny olona. Tezitra mafy ilay sinoa
mpivarotra enta-madinika satria manao feon-tsinoa mpivarotra enta-madinika I
Odéam Rakoto ka roahiny hiala teo ireo olona mitangorona.
AZA
MORA KIVY
Tany amin’ny taona 70 tany no nampalaza ity hira
noforonin’I Nonot Robel ity. Toy iretsy mpamorona tetsy aloha dia izy koa no
nanao ny feony ary niarahany nihira tamin’ny tariny. Nisy mpiray tampo taminy
koa niaraka tao amin’izany tarika izany.
Nanana trano fanotana kapila I Nonot Robel, Mikoja no anarana nentiny ary dia
maro ny mpanankanto no nampanonta ny kapilany tao. Io trano io moa dia tetsy
Behoririka, ampitan’ny fivarotana sinoa ankehitriny, amin’iny lalana avy any
Soarano miazo ny ranomaimbo iny.
TANY
MAMIKO
Hira noforonin’I Léonard Razafy no sady nasiany feony.
Toussaint, narahin’ny Antoko Mpihira « Voron’I Toamasina » no nikalo
azy