TAONA FITOPOLO
Tamin’ny taona fitopolo tany ho any dia tena zava-nahamenatra ny Malagasy mihitsy izany mividy lamba tonta izany. Ny tsy fananana moa no nahasarika ny olona tamin’ireny lamba tonta ireny ary tamin’izany fotoana izany dia tena ireo sahirambe tokoa no nividy lamba tonta. Tsy dia nisy naha samy hafa azy tamin’ny endriny ankehitriny ny fomba fividianana azy: atobin’ireo mpivarotra amin’ny tany, eny ankalamanjana ny entana dia samy “mitsingoloka”, mitady izay sahaza azy ny rehetra. Voamarika anefa fa ireo tena sahirana, tamin’izany no nitsingoloka ary tena niafina mihitsy satria mba mafy ihany ny hitan’olom-pahoriana. Ireo tsy tena sahirana loatra kosa, dia ny tapa-damba no vidian’ny renim-pianakaviana, ka ireny no atambatambatra tafian’ny ankizy.
TAONA VALOPOLO SY SIVIFOLO
Nandritra ireo vanim-potoana ireo dia tena tsy nisy entana avy any ivelany tafiditra firy teto Madagasikara. Niroborobo fatratra ny lamba tonta tamin’izany fotoana izany ka tsy ireo sahirana intsony no “nitsingoloka” fa ireo nanan-katao. Te hihaingo ny Malagasy ary anisan’ny nimatimatesany sy noheveriny ho voninahitra izany hoe mitafy lamba “importé” izany. Tsy nijanona tamin’ny akanjo intsony ny fivarotana sy fividianana entana efa niasa fa hatramin’ny kiraro sy ny bàkiraro ary ny akanjo fanao anatiny dia hita teny avokoa.
NY TAONA SIVIFOLO NO MAKATY
Nanomboka tamin’ny taona sivifolo no efa tsy nahamenatra ny olona firy intsony ny niakanjo ny tontan’ny hafa. Sahirana dia sahirana tokoa ny Malagasy tamin’izany fotoana izany ary efa vitsy koa ny renim-pianakaviana nahay nandidy sy nanjaitra akanjo ka tena nanala fahasahiranana ny ankabeazan’ny maro ny lamba tonta. Nanomboka niparitaka hatrany ambanivohitra ny lamba tonta ary dia nanjary nitafy madio sy tsara ny tantsaha sy ny mponina ambanivohitra. Tsikaritra kosa, raha ny eto Antananarivo renivohitra no jerena, fa tena misy ny sokajiny tokoa ireo karazana lamba tonta. Miatomboka amin’ny roanjato ariary ka hatramin’ny amanetsiny ny vidin’ny akanjo sy kiraro tonta amidy eny an-tsena. Ny etsy Mahamasina isaky ny alakamisy no tena tsena malaza amin’ity lamba tonta ity. Maro ireo vehivavy milaza fa tsy mandingana tsena mihitsy fa manenjika mitady izay ilainy eny Mahamasina isaky ny tsena. Raha nanontaniana ny sasany tamin’izy ireo dia mitsotra fa tsy mampaninona azy ny madimby ny tontam-bazaha satria rehefa sasana sy pasohana tsara izy ireny dia tsy misy ahafantatra mihitsy fa teny amin’ny “mitsingoloka” ary tena mahatonga izay manao azy ho mahara-damaody tokoa!
NY LAMBA TONTA SY NY TOE-TSAINA MALAGASY
. Mahavariana ihany amin’izao fotoana izao ny firoborobon’ity
fiakanjoana lamba tonta ity. Tsy hoe tsy fananam-bola hividy vaovao no hisaloran’ny
maro azy, fa ilay foto-pisainana fotsiny hoe “tsara ny vita vazaha”. Tsy misy
intsony ny fijerena hoe fanao sa tsia ny mandimby ny patalohan’olon-kafa na ny
kilaoty sy ny mamoafady mitovitovy amin’izany fa dia rehefa misalotra vita
vazaha dia izay. Hita taratra amin’ny fanaovana akanjo tonta ny toe-tsaina tsy
mionona amin’ny ananan’ny tena. Anisan’ny manosika ny vehivavy maro hiakanjo
tonta ny hamoran’ny vidiny miohatra amin’ny manjaitra na mampanjaitra.
Voalazan’ireo izay tafaresaka taminay fa ny vidin’ny akanjo iray vaovao,
nampanjairina dia ahazoany telo aman’efatra tonta. Mihevitra araka izany ireo
manao akanjo tonta fa mba tsy resy tondro-maso noho ny fahafahany miovaova
akanjo isan’andro. Ho an’ireo tsy mankasitraka ny fiakanjoana akanjo tonta
indray, dia milaza izy ireo fa rehefa danihan’ny masoandro hono ireny akanjo
ireny dia mamoaka fofona mahamenatra.
Araka ny hevitr’izy ireo koa, ny foto-pisainana tena Malagasy dia tsy
mankasitraka firy ny handimbiasana ny akanjon’ny hafa izany. Ny finoan’ny
Malagasy dia nifaka tamin’ny fiheverana fa ny akanjo manolo-koditra sy ny
entana manokan’ny olona iray dia mitondra ny vitany. Na ny zaza ao an-trano aza
matetika, raha mbola misy ny atao dia tsy avelan’ny ray aman-dreny mifandimby
akanjo izany. Ara - pahasalamana koa dia tsy mety loatra ny mifandimby akanjo,
indrindra fa ireo manolo-koditra. Aleo, hoy ihany ireto farany ireto, manana
telo aman’efatra vaovao, toy izay manana marobe mahavery ny hasin’ny tena.
Samy manana ny safidiny moa ny tsirairay ary samy
mahafantatra izay mahasoa azy koa.