Manana ny anjara toerany lehibe eto amin’ny
firenena ny mpampahalala vaovao sy ny mpitondra fivavahana, tsy vao izao fa efa
hatramin’izay. Nandray anjara foana ireo, tamin’ny toe-draharaha nafanafana
nitranga teto amintsika. Betsaka ny adi-hevitra mandeha mikasika azy
ireo, toy ny hoe tsy tokony hitsabaka amin’ny raharaha pôlitika sy tsy tokony
hiandany amin’izatsy na izaroa fa hametraka ny tsy fiandaniana sns..
NY MPITONDRA FIVAVAHANA
Tamin’ny fanjakan-dRadama I no niditra teto amintsika ny fivavahana
kristiana. Misionera Anglisy no mpitondra fivavahana voalohany teto, ary nanofana
mpitondra fivavahana Malagasy ireo misionera ireo. Tsy nitsabaka nivantana tamin’ny raharaham-pitondrana ny
misionera, na dia ny fanomanana ny fakàna ny tanintsika aza ny iraka
nampanaovina azy . Nahatsapa izany ny Mpanjakavavy Ranavalona I, ka mailo avy
hatrany ary nandray fepetra nampody ireo misionera.
Niverina ihany anefa izy ireo taty aoriana, ary nalalaka ny fanarahana
ny fivavahana kristiana tamin’ireo mpanjaka nifandimby hatramin’ny naharavan’ny
fanjakana tamin’ny taona 1896.
Tamin’ny andron’ny fanjanahantany, dia efa maro ireo mpitondra
fivavahana Malagasy na katolika na protestanta.
Nanomboka tamin’ny taona 1913, taorian’ny lahatsoratra nosoratan’i Pasitera
Ravelojaona nitondra ny lohateny hoe: “Japon
sy ny Japoney”, dia taitra ireo tia tanindrazana Malagasy ka nifamory ary
nanangana ny VVS (Vy, Vato, Sakelika). Nisy mpitondra fivavahana toa an’ny Mompera
Venance Manifatra, Frera Louis Rafiringa, Frera Julien, ny Pasitera isany Rabary, Randzavola, Razafimahefa, Ravelojaona nikambana tao amin’ny VVS.
Tamin’ny taona 1947 dia nisy koa
ireo mpitondra fivavahana nandray anjara
tamin’ny tolom-panafahana.
Ny taona 1991 sy 2002 dia niarahantsika nahita ny fandraisan’anjara
mavitriky ny FFKM teo amin’ny tolona fanavotana ny firenena, saingy indrisy fa
tamin’ny toe-draharaha 2009 dia tsy to-teny intsony ny FFKM satria tsy
tafavoaka ny fanelanelanana natao teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola. Ny
niafaran’ny resaka aza dia nampalahelo sy nahamenatra ny zava-nitranga tao
amin’ny Episcopat, fa nisy
filoham-piangonana voasarikin’ny miaramila tamin’ny vozon’akanjony, kanefa koa
nisy filoham-piangonana nivanitika fotsiny nahita izany.
Tamin’ny fiandohan’ny taona 2010 dia nijoro ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra
Fivavahana), izay nanambara fa manjaka ny tsy fahamarinana eto amin’ny firenena,
kanefa dia natao hazalambo izy ireo ary
voatery niafina, nisy mihitsy aza mpitandrina namoy ny ainy sy voatana tany am-ponja.
Ankehitriny dia maro tokoa ireo mpitarika antokom-pinoana no mirotsaka mivantana amin’ny fanaovana politika. Ao ireo milatsaka ho fidiana (fifidianana filoham-pirenena 2018-20119) , ao koa anefa ireo manao fomba fihetsika mpikarama an’ady, ka manompo mpanao politika mba hakany tombon-tsoa manokana.
NY MPAMPAHALALA VAOVAO
Tamin’ny fanjakan-dRasoherina no nivoaka ny gazety teny soa, gazety
Malagasy voalohany. Natao hampiala voly ny mpanjaka no niandohan’ny teny soa.
Nitombo isa ny gazety Malagasy taty aoriana.
Tamin’ny andron’ny fanjanahantany dia maro ireo gazety naneho hevitra
fanoherana ny fanjanahantany, efa voalaza etsy aloha mikasika ny lahatsoratra
navoakan’ny mpitandrina Ravelojaona tao amin’ny gazety teny soa izay
nampitsangana ny VVS. Nisy mpanao gazety maro voasambotra noho ny raharaha VVS
toa an’Ny Avana Ramanantoanina, Randria
Michel sns.
Ny 06 Aogositra 1946 nahafeno dimampolo taona ny nahazanatany antsika
Malagasy dia nivoaka ny laharana voalohany tamin’ny gazety Voromahery
gazetin’ny PADESM.
Tamin’ny raharaha 1947 dia nisy ny gazety niandany tamin’ny tolom-panafahana,
nisy ihany koa ny niandany tamin’ny frantsay toy ny gazety Voromahery.
Taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena ka hatramin’izao dia nandray
anjara hatrany teo amin’ny raharaham-pirenena ny mpampahalala vaovao. Tsy
nirotsaka nikabary teny ankalamanjana toy ny mpanao pôlitika ny mpanao gazety,
kanefa dia nanao izay vitany amin’ny sehatra iasany, toy ny radio, televiziona,
gazety an-tsoratra niaro izay hevitra naharesy lahatra azy.
Taorian’ny taona 1989 dia foana ny sivana teo amin’ny gazety an-tsoratra, nalalaka ny fananganana Radio sy Televiziona tsy miankina taorian’ny taona 1992, nisokatra ho an’ny rehetra ny RNM sy TVM.
Marihana anefa fa saika mpanao politika avokoa ny ankamaroan'ny tompon-gazety, sy tompo-na haino aman-jery. Miha-marefo arak'izany ny fahalalahana manokana tokony hananan'ny mpanao gazety, satria lasa fitaovana politika tsotra izao ny sasantsasany amin'izy ireny. Misy ihany koa ny mpanao gazety izay tena mirotsaka mivantana amin'ny fanaovana politika, ka lasa ministra, filoha na mpanolotsaina eny amin'ny andrim-panjakana, na koa olom-boafidy (ben'ny tanana, solombavambahoaka).
Efa imbetsaka ny lalana mifehy ny fampahalalam-baovao no nodinihana, satria mitaky fanatsarana hatrany ireo mpikatroka amin’io sehatra io. Zary lasa ataon’ny mpanao politika fitaovana fotsiny anefa izany hetaheta izany: mitaky fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny mpanao politika rehefa mitady fahefana, saingy rehefa tonga eo amin’ny toerany izy dia ny mifanohitra amin’izay no ataony. Mbola mitohy foana ankehitriny ny fampidirana am-ponja mpanao gazety (2019, 2020), ny fanasaziana amin’ny fandoavana onitra mihoampampana, ny fampitahorana samihafa.
Toritoriravina/Tsiahy