NY TOKONY HO TOETRY NY OLOMBANONA

Ny mioty manta no leony, ny tsy mahandry masaka no adala

 Toetry ny tsy mahandry tantana, tsy mahafehy tena na tenda, tsy mahari-boankena na koa mpangala-pihinana ary manamarika tsy fahamarinan-toetra. Mazàna dia ny ankizy madinika no mioty manta rehefa tojo ny voankazo tiany. 

Avy amin’ny kabary nametrahan’Andrianampoinimerina  ny vadintany sy nanolorany azy tamin’ny vahoaka teo Andohalo no nipoiran’io oham-pitenenana io. Nameran’ny Ombalahibemaso ny fifandraisan’izy ireo tamin’ny vahoaka. Norarany ny vadintany tsy haka an-keriny ny vokatry ny vahoaka ka nohariny tamin’ny mioty manta izay fomba maka an-keriny izay. Nilaza ny Mpanjaka fa tokony hahandry tantana ny vadintany ka handray izay atolotry ny vahoaka fa tsy haka an-keriny ny vokatra na hanararaom-pahefana. Noheverina koa fa tsy manam-pahendrena izay tsy mahandry ny anjarany fa manao barofo maka an-keriny, raha io ohabolanna io no jerena.

Fa mbola mahakasika ny toetra notakian’ny Mpanjaka tamin’ireo vadintany ihany, ary voarakitra ho ohabolana mandrak’androany ity manaraka ity: 

Ny fanjakana tsy mba andalan’olontiana ary tsy mba hanaranan’olom-bodo.

 Tena nivantana mihitsy ny namosahan’ny Ombalahibemaso ny heviny teto. Mitovy amin’ilay hoe: “Ny fanjakana tsy ananan-kavana”, nolazainy tamin-dRadama faharoa ihany, raha nanafatra ity farany momba ny fifandraisana amin’ny havana sy ny olontiana izy eo am-pitantanan-draharaha. Hita taratra ao anatin’ity ohabolana ity ny tokony tsy ampiarahan’izay mitondra ny resaka fitiavan-kavana sy ny fitantanan-draharaha. Tsy nijanona tamin’ny fananarana anefa ny Mpanjaka fa nampitandrina koa  an’ireo mpanarampo amin’ny hadalana fa tsy maintsy esorina eo amin’ny fitantanana izy ireo ka hoy indrindra izy: 

Soloina ny tsy ampy fisainana sao mitarika afo am-bala hahasimba ny maro

 Toa vitsy dia vitsy anefa amin’izao vaninandro iainantsika izao no mbola mahatana ireo toetran’olombanona ireo.  Misy ihany ny fepetra tokony ho fantatra, izay heverina fa mety ho antony tsy mahatanteraka ny fampiharana ireo toetran’olombanona ireo. Andrianampoinimerina ihany no nilaza fa manoloana ny saotra dia tokony tsy ho menatra sy tsy hisorona ny olombanona.. Toa izay toetra izay no tsy hita intsony fa lasa miray tsikombakomba amin’ny ratsy isika mianakavy ka na dia hita izao aza fa misy ny mioty manta, tsy vitsy ny manarampo amin’ny adalana dia tsy misy sahy miteny ny besinimaro fa manaraka ambokony fotsiny ihany, koa izay no hanaikana antsika Malagasy tsy vaky volo: Meteza ho olom-pirenena vanona.

Amkibon'Imerina/Meteza ho olom-pirenena vanona: RAMASINIRINA


Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-04-20.

Miverina
footer-frame