IREO HEVI-DISO SASANY MOMBA AN'IMERINA

NY FAMPIANARANA

 Voalaza matetika fa ny mpanjanatany no nampiroborobo ny sekoly teto Imerina, ka nahatonga ny Merina nahazo tombon-dahiny.

Raha ny marina anefa, dia tsy taty Imerina no niorina ny sekoly voalohany teto Madagasikara fa tany Foulpointe, tamin’ny voaloandohan’ny taonjato faha 19. Tsy nahazo mpianatra firy anefa ny sekoly tany amin’ny faritra tamin’izany fotoana izany. Ny teto Imerina kosa, dia nazoto  nanitatra ny sekoly ireo Mpanjaka . Vokany: tamin’ny 1886 (izany hoe folo taona talohan’ny naha zanatany an’I Madagasikara), dia nitovy tamin’ny tahan’ny mpianatra nianatra (taux de scolarite) tany Eropa ny tahan’ny mpianatra nianatra teto Imerina (sources: Encyclopedia de l’enseignement, edition Larousse 1977, p.830).  

NY FANANDEVOZANA  

Novolena tao an-tsain’ny Malagasy fa “mpanandevo ny Merina”. Ny marina anefa dia rafitra nisy tamin’ny foko rehetra teto Madagasikara ny fanandevozana. Araka ny fikarohana natao tany Amerika, dia samy nivarotra olona avokoa ny foko samihafa taty Madagasikara, mba azahoany basy sy entana ilainy (slave trades were facilitated in part by different Malagasy ethnic groups who engaged in the selling of slaves to outsiders in exchange for arms and material goods).

Araka izany, talohan’Andrianampoinimerina, dia nisy foko hafa tonga nanafika hatreny Ambohidratrimo, nisambotra Merina teny, ary nivarotra ny olona azony babo tamin’ny vazaha sy ny arabo.

Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina moa (1687-1810), dia fantatra fa tsy nahazo niditra teto Imerina ny vazaha, ka tsy nifampiraharaha tamin’ireo vahiny mpijirika ny teto. Ny varotr’olona niainga teto Madagasikara  nankany Amerika anefa dia navaivay  indrindra teo anelanelan’ny taona 1676 sy 1725. Voamariky ny mpikaroka fa ny ankabeazan’ny Malagasy namidy tamin’ny voalohandohan’ny taona 1700 dia zaza amam-behivavy,  ary noterena hanao firaisana tamin’ny afrikana tandrefana sy eropeana izy ireny (most of the enslaved Malagasy that Robert “King” Carter purchased in the early 1700s were women and children.  These women would have been coerced into mating with men of West African or European descent when they first arrived).

Tamin’ny andron-dRadama I dia nofoanana ny fivarotana olona, satria izay no fepetra notakian’ny Anglisy tamin’ny fifanarahana nataony tamin'ny fanjakana Merina (1817). Ny fanafoanana ny fivarotana olona no nahatonga ny Anglisy nanome fanampiana (basy sy fampiofanana) ny fanjakana Merina. 

Tsara ho soritana fa ny fanandevozana nisy teto Imerina dia tsy niankina velively tamin'ny volon-koditra na ny toetry ny volo.  Ny olona resy an'ady, na nanao heloka lehibe, na koa tsy nahaloa trosa no navarina ho andevo.  Na inona na inona ny  zana-poko nisy ilay olona eto Imerina ( Andriana, Hova , Mainty Enin-dreny) dia mety ho tratra avokoa. 

Santa Helena

Manana tantara manokana ho an’ireo taranaka Merina sy Malagasy naondrana ny nosy kely Santa Helena (Sainte Helene, any amin’ny ranomasimbe atlantika). Nisy tantsambo avy aty Madagasikara nanamarina izany tamin’ny fivahinianany tany Santa Helena  tamin’ny faramparan’ny taona 90. Raha nihaona tamin’ny taranaka Merina tao amin’io nosy io izy, dia nanambara ireto farany fa ny razan’izy ireo dia nosamborin’ny malaso ka namidiny tamin’ny Portugey izay nikasa ny hivarotra azy ireo tany Amerika. Teny anaty sambo anefa, dia nanohitra ireto Portugey ireto Merina ireto, ka naviliny tany Santa Helena ny sambo. Teo dia niditra teo ambany fiahian’ny Anglisy ireto Merina saika namidy ireto. Ankehitriny, dia tsy tadidin’ny tanora any Santa Helena intsony izany tantara izany, indrindra moa fa lasa nifangaro tamin’ny Indoneziana sy Malay izy ireto tato aoriana. Fa ny hany marika manondro ny fiaviany avy aty Imerina dia eo amin’ny anarana, misy hoe “RA”: Rawilkins, Rawalter sy ny sisa.

Ny fikarohana tany Amerika indray dia nahafantarana fa Santa Helena dia toerana fiatoana ho an’ireo sambo avy nividy olona taty Madagasikara. Mandoa haba ireo sambo ireo rehefa miantsona ao Santa Helena, ka ireo olona babo no natao ho solom-bola tamin’izany fotoana. Maro araka izany no taranaka avy aty Madagasikara lasa mponina ao, izay mizaka ny zom-pirenena anglisy ankehitriny.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2020-04-15.

Miverina
footer-frame