Tadidiko lava ny endrik'Iarivo
Tsy miala ao an-tsaiko ny bikan'Imanga ;
Ka lena ny
maso, fa dobo marivo,
Injany ny
sento fa tamy mitranga !
Ny
tampon'Ankaratra tonga tsaroana,
Ny
tendron'Andringitra zary tadidy ;
Toneko ny
foko ka tsy azo toroana
Fa
saro-tsatsoina ny sento mangidy !
Ibetsimitatatra, reny nitaiza,
Ikopa malala, tonian'ny aina,
Dia samy
tsaroana, kanefa hankaiza,
Fa lasan-ko
nofy ny mamin'ny saina !
Avelao re
Ankaratra hijojo maraina !
Avela
Andringitra haneri-kariva !
Ny fo
manina azy ka velon-taraina,
Malemy
fitepo sy latsaka iva !
Ny Avana,
In- Ny akon'Iarivo, n 123, 1925