Ho entina amintsika eto amin'ity
laharana ity ny toerana nisy ny lapan'ny tanàna teto Antananarivo
hatramin'izay.
Antsahondra
sy Ambatomasina no nisy ny lapan'ny tanàna voalohany.
ANTSAHONDRA (
Antsahondra history firaketana tome I tak 268)
Tamin'ny fiandohan'ny tany vazaha 1895 dia
tao Antsahondra no nanaovana voalohany ny raharahan'ny Governoran'ny tanàna ka
Rabefanonta no governora voalohan'ny tanànan'Antananarivo, tao Antsahondra
ihany koa ny fanaovan-draharahan'ny fizaran-tany voalohany, Ambandrika no
anaran' Antsahondra fahiny, satria nisy alabe nantsoina hoe vandrika, na ilay
hazo lehibe naniry miloko vonivony tao.
AMBATOMASINA
(firaketana tome I tak 148 )
Toerana iray eo antsinanan'Andohalo
Ambatomasina, tsy vatomasina naorina ho fihasinan'ny Andriana na fisoronana ny
omby volavita tsy akory no teo amin'io toerana io, fa vato vita nanahary eo
avaratra andrefan'ny fiangonana Ambohitantely, teo no nisy ny Lapan'ny tanàna
fahiny.
AMBODIN'ANDOHALO
(firaketana tome II tak 356 sy firaketana tome II tak 323)
Nafindra tsikelikely tao Ambodin'Andohalo
ny tao Ambatomasina sy Antsahondra. Nanomboka tamin'ny 1898 ny fifindrana fa
tamin'ny taona 1910 vao tena nialana tanteraka Antsahondra.
Ambodin'andohalo farany Avaratra Andrefana
no trano fanaovan-draharaham-panjakana na ny fitondrana ny
faritanin'Antananarivo, na ny momba ny fiainam-bahoaka : fanoratana ny teraka,
maty, fanambadiana, sns ho an'ny malagasy na vahiny.
Ny taona 1936 vao nidina teny
Antanimalalaka avaratr'Analakely ny Lapan'ny tanàna na « Hotel de
Ville »
ANALAKELY
Ny taona 1936 mbola fanjakan'ny vazaha no
nifindra tao Antanimalalaka araka ny voalaza etsy ambony ny Lapan'ny tanàna. Ankoatra ny maha birao
fanaovan-draharaham-panjakana azy dia tao amin'io toerana io no foibe
niasan'ireo mpitandro filaminana vazaha. Tao amin'ny Lapan'ny tanàna no
samborina sy tazonina izay tratra manohitra vazaha, rehefa misy manam-pahefana
vazaha tonga hiasa eto Madagasikara, dia eo anoloan'io lapa io no aseho
vahoaka. Raha akapoka
dia endriky ny fitantanan-draharaham-panjanahantany ny « Hôtel de
Ville » na « symbole de l'administration coloniale ». Rehefa
niverina ny fahaleovantena tamin'ny taona 1960 dia ny ben'ny tanàna voafidy no
niasa tao amin'ny Lapan'ny tanàna. May io Lapan'ny tanàna io tamin'ny volana
Mey 1972, ka nafindra teny Tsimbazaza izay nisy ny Ministeran'ny Ati-tany teo
aloha. Tamin'ny taona 2008 dia nifindra tao amin'ny faritry ny
kianjaben'Imahamasina ny biraon'ny ben'ny tanàna.
Tamin'ny volana Mey 2008 no napetraka ny vato fehizoron'ny
lapan'ny tanàna. Vita ny fanarenana ny lapa ka notokanana tamin'ny
sabotsy 11 desambra 2010.
Ankehitriny dia ahitana trano filanonana ao amin’ny lapa, ary matetika no hanaovana sehatra fivarotana ny ety amin’ny tokotany mifanandrify amin’ny araben’ny fahaleovantena.
Toritoriravina/tsiahy