NY ADIDY

Miverimberina matetika amin'ny fiainana an-davan'andro ny teny hoe "adidy", Fa inona marina no heviny. Ny niavian'ny “adidy” dia azo takarina avy amin'ny teny roa, “ady” sy ny “didy”.

Ny “ady” dia azo faritana ho fisedrana natao handresena ireo vato misakana tsy handrosoana.

Ny “didy” kosa dia fampiharana ireo baiko heverina fa hampahomby ny fampandrosoana.

Tandra-vadi-koditra ho an'ny olo-niaina nahazo tombon'andro tamin-janahary ny adidy. Misy azy avokoa ny sehatra sy ambaratonga rehetra ary eo anelanelany izy hampahomby ny fiarahana sy ny fihavanana .

EO AMIN'NY ARA- PIANAKAVIANA: Dia adidin'ny ray aman-dreny ny mamelona sy mikarakara ary manao izay hahatafita ny zanany. Ny zanaka indray etsy ankilany, manao adidy hankatoa sy hanaja ny ray aman-dreny, ary indrindra indrindra hitsinjo ireo ray aman-dreniny amin'ny andro fahanterany.

EO AMIN'NY TOERAM-PIASANA: Adidin'ny mpiasa ny mitady izay fomba rehetra hampandroso ny orin'asa na ny sampan-draharaha sahaniny. Karohin'ny mpampiasa izay fomba rehetra ahafahany mamelona ny mpiasa eo ambany fiadidiany. Ireo mpiasa kosa dia manana adidy hanaraka ireo toro-marika napetraka itondràna ny asa sady tokony hiezaka hatrany amin'ny tsaratsara kokoa hanondrotra ny orin'asa na sampandraharaha misy azy.

ANY AN-TSEKOLY: Adidin'ny mpampianatra ny mikaroka izay fomba rehetra ahaizan'ny mpianatra, na amin' ny alalan'ny tambitamby izany na mila fihenjanana, ankoatran'izay teknika fampitana fahalalana azo ampiharina. Volam-bahoaka no hanaramana ny mpampianatra amin' ny fanjakana ary volan'ny ray aman-dreny ho an'ny mpampianatra amin'ny sekoly andoavam-bola.

Ny mpianatra kosa dia manana adidy hanaraka ny toro-marika omen'ny mpampianatra, hiezaka hatrany tsy handiso fanantenana ny ray aman-dreny sy ny fiaraha-monina manontolo, tsy mpianatra mahay fotsiny fa mendrika eo amin'ny fitondran-tena.

EO AMIN'NY MPIARA MONINA: N'inona n'inona mitranga eo amin'ny fiaraha-monina na an-kasoavana na an-karatsiana dia eo foana ny adidy ho an'ny isambatan'olona. Adidy lehibe ny midodododo mampahery raha misy ny voina mitranga ao tanàna na amin'ny havana aman-tsakaiza, " tsy misy mahalevin-tena" hoy ny fitenenana, amin'ny an-kasoavana indray dia adidy ny manaja ny fanasan'ireo vonona hizara ny hafaliany.

EO AMIN'NY FIAINAM-PIRENENA: Adidin'ny mpitondra ny mitady izay fomba rehetra hikarakarana ny vahoaka entiny, satria ny vahoaka no mametraka azy teo amin'ny toerany sady mpandoa hetra handoavana ny karamany sy ny tombontsoany. Etsy ankilany kosa manana adidy isika vahoaka, hanaja sy hanaraka ny lalana velona misy eto amin'ny firenena, handray anjara mavitrika amin' ny asa fampandrosoana anisan'izany ny fandoavan-ketra izay fanoitra lehibe enti-mampandroso ny firenena. Adidintsika vahoaka ny mankatoa ny mpitondra kanefa koa tsy fankatoavana an-jambany no ilaina fa vao mainka aza, adidy goavana ny maneho amin'ny mpitondra ny tsy mety ataony sy ny mampatsiahy amin'izy ireo fa avy aty amin-tsika mpifidy ny fahefana ananany.

Manana adidy ny olom-pirenena, manan-jo, hijoro hanaisotra izay nanitsakitsaka ny safidim-bahoaka sy mampahory ny mpiarabelona, mila fahasahiana sy firaisankina ary fitiavan-tanindrazana anefa izany

EO AMIN’NY FIANGONANA

Andriamanitra be fitiavana no tompon’ny fiangonana , eny Jesoa Kristy zanany, nahafohy ny ainy hamonjena izao tontolo izao no lohan’ny fiangonana. Adidin’ny mpitondra fivavahana ny mampita amin’ireo vahoaka ondriny ny fitiavan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy zanany. Tsy ho mpitory fotsiny ny mpitory fivavahana fa ho fitaratra mihitsy. Ny vahoaka tarihina kosa dia manao ho zava-dehibe ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra ary manana adidy amin’ny asa fampandrosoana ny fiangonana.

Manoloana ny fahasahiranana  diavin’ny firenentsika dia manana adidy ny fiangonana hijoro sy hiteny, hanohitra izay tsy mifanaraka amin’ny didin’Andriamanitra, toy ny halatra, herisetra samihafa. Ho an’ny vahoaka mpino tsy tokony hatao toy ny antso an’efitra ny fitarihan’ny mpitondra fivavahana.

Adidin’ny mpino ny manavotra ny firenena izay efa nafoin’ny Zanahary ho an’ny vahoaka monina ao.

EO AMIN'NY MATY SY NY VELONA

Na dia misy aza ny fisarahana aman-tany eo amintsika ma-lagasy dia mitoetra foana ny fifanajana eo amin'ny maty sy ny velona. Adidin'ny velona ny mamelomaso ny anaran'ireo havana nodimandry indrindra ny fankatoavana izany hoe "hafatry ny maty" afa tsy ny fikarakarana ny taolambalony tsy hiparitaka sy fampodiana ireo havana tsy mbola tafiditra ampasan-drazana. Ny maty kosa dia manana adidy hitahy sy homba ireo taranany arak' ilay fitenenana manao hoe " raha razana tsy hitahy, mifohaza hiady vomanga".

“Ny velona manana adidy ary ny adidy tsy an'olon-dratsy", raha mbola nahazo tombon' andro ahavelomana dia adidy ny mamita ampitiavana izay adidy manandrify ary aoka ho atao an-tsaina ilay fitenenana manao hoe: "tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka".

Raisinay ho adidy ny mampatsiahy antsika rehetra fa adidintdsika ny miasa ao anatin’ny firaisankina araka ny hafatry ny Ombalahibemaso manao hoe: "tsy adidiko izaho irery fa adidiko izaho sy ianareo." 

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-05-08.

Miverina
footer-frame