NY TENY

NY TENY  FIAINANA:

Vao teraka ny zaza dia tsy mbola miteny fa ny ranomaso no ataony fanehoan-kevitra. Rehefa  mitombo ny vatana sy ny sain'ny zaza.dia zava-dehibe ny fahaiza-miteny satria afaka maneho izay ilainy sy manjo azy ny olona. Ny teny no ifaneraserana sy ahafahana manao ny asa rehetra , ny baiboly aza dia milaza fa "tsy ny mofo ihany no iveloman'nny olona fa ny teny koa". Antoka iray lehibe ao amin'ny fahaveloman'ny olona ny teny. Tsy mahagaga raha mitady izay fomba nanoratana sy namakiana ny teny ny mpikaroka tany aloha tany ary hatramin'izao dia miezaka ny manam-pahaizana amin'ny fampiasana ireo teknolojia avo lenta, hampitana ny teny.  

NY TENY MAHA FIRENENA: Ny mampiavaka ny firenena iray dia ny tantara sy ny fomba ary ny kolontsaina. Ireo rehetra ireo anefa dia ny teny no fitaovana hikajiana sy hanapariahana azy. Ho antsika eto Madagasikara, dia mananjara amin'ny samy vahoaka aty amin'ny faritra Afrika isika satria manana teny ahafahan'ny samy malagasy mifanerasera, tsy mba toy ireo firenena sasany atsy Afrika izay vao mandingana kilaometatra vitsivitsy monja dia  tsy afa mifandray eo amin'ny fitenenana. Ankoatr'izay dia misy ireo manam-pahaizana malagasy nandalina ny amin'ny fomba tokony hanajariana ny teny malagasy, ny vokatr'izany tsy nijanona ho teny ifaneraserana fotsiny ny teny fa nahazoana maneho ny kanto toy ny hira, kabary, hainteny, tononkalo, tantara.

 Fa ny tombontsoa lehibe hananan-tsika amin'ny tenindrazantsika dia ny fahazoana mampita fahalalana amin'ny alalany. Efa tamin'ny taona 1835, telo amby fitopolo amby zato taona lasa no efa voavadika tamin'ny teny malagasy ny baiboly,  zava dehibe izany satria. ny baiboly dia ahitana ireo taranja maro toy ny tantara, jeografia, filozofia, politika, fiaraha-monina sns.. Ny UNESCO efa ampolo taonany maro no efa nanambara fa ny tenindrazana no teny mahomby indrindra amin'ny fampitaham-pahalalana saingy tsy manana fahatokisan-tena amin'izany isika, ka miraviravy tanana, manao valalan'amboa ny fitenindrazantsika, matoa anefa miparitaka sy mahazo faka ny fivavahana kristiana dia noho ny baiboly voavadika amin'ny teny malagasy.  

Saingy ny mampalahelo dia maro ankehitriny indrindra fa any amin’ny fampahalalam-baovao no nampiasan’ny teny mifangaro. Tsy vary amin’anana intsony no ilazana azy ireny satria ny vary amin’ny anana dia matsiro fa vary amin’ny vato ka mila tsy ho telina, hakamoan-tsaina na- hambo no mahatonga azy irey ka liana finiavana sy fahasahiana ny fialana amin’ny fahazaran-dratsy.  

NY TENY IVELARANA:

Zava-dehibe ny fahaizana sy ny fanandratana ny tenindrazana kanefa tsy ampy ivelarana sy ivoarana izany fa tsy maintsy misokatra amin'ny tenim-pirenena hafa. Amin'ny maha nosy antsika sy maha firenena liam-pivoarana antsika dia tsy afaka hiolonolona irery eto Madagasikara isika fa tsy maintsy manitatra ny fifandraisana sy ny fifanankalozana amin'ny lafiny rehetra.

 Mazava ho azy fa fitaovana manamora ny lalana mizotra amin'izany ny fahaizana tenim-pirenena maro. Ny lalam-panorenana taloha dia nisafidy ny teny Malagasy sy Frantsay ary Anglisy ho teny ampiasaina sy ifaneraserana eto amin'ny firenena. Nanomboka ny taona 2010 anefa dia nesorina tao amin’ny lalam-panorenana ny teny anglisy. Azo lazaina ho fahavoazana io satria raha ny teny frantsay tokana dia tsy ampy ifaneraserana maneran-tany, ary na ry zareo frantsay aza dia efa mahatsapa fa tsy ampy azy intsony ny teniny, ka mamporisika ny fampianarana teny Anglisy sy teny hafa ny any Frantsa.  

Ho antsika malagasy dia akaiky kokoa eo amin'ny elanelan-tany i Afrika Atsimo miteny anglisy na ireo firenena any Azia Atsimo antsinanana tsy miteny frantsay raha ifandraisana ara-barotra, ka mety ho mora ny sara-pivezivezena noho ny mankany frantsa.  

Raha ny lafiny fanitaram-pahalalana indray dia maro ireo firenena ahazoana manovo fahaizana, ary ireo fitaovana fanitaram-pahalalana toy ny boky, tranonkala, solosaina sns dia mampiasa tenim-pirenena samihafa.  

Ho fehiny dia antokin'ny fiainana ny teny, miankina amin'ny teny ny asa rehetra izay atao, ary raha ny tenindrazantsika indray dia harena iarahantsika amin'ny firenen-kafa, izay tsy misakana antsika hifehy ny tenimpirenena hafa, ahazoantsika mivelatra mankany amin'ny fampandrosoana azo antoka.

Navoakan`i Benaivo tamin`ny 2022-05-08.

Miverina
footer-frame